Seha-pamokarana iray

1. lapino ( 23/09/2006 05:18)
Tamin'ilay resaka atsy amin'ny politika hoe "andao hijery tsy miangatra", dia somary lasa kely ny saiko hoe inona indray no hevitra manidintsidina azo nofisina ary amin'ity resaka fampandrosoana ity ... :roll:

Teoria manidina kely
:
Raha maka seha-pamokarana iray isika, dia azontsika raisina ho systeme iray iny. Izany hoe misy singa maromaro ao anatiny izay mifampifandray daholo. Raha ny iray amin'ireo singa ireo no itondrana fanovana, dia miova manaraka an'izay ny systeme iray manontolo, manaraka an'ilay fanovana koa ny singa hafa rehetra ao anatin'ilay systeme.

Ohatra zany hoe:
Raha raràna ny fanamboarana mofo dipaina ohatra, dia ho faty hanaraka an'izay ny orinasa mpamokatra lafarinina, ny fambolena varimbazaha, ny asa fitaterana an'ireo vokatra ireo, ... izay no en amont, fa en aval ohatra, ho faty ny asan'ireo boulangerie, ireo mpivaro-mofo eny amoron-dalana, sns ... Izany hoe izay mikasika an'iny seha-pamokarana rehetra iny. Raha booster-na indray ny fanamboarana mofo, dia hiroborobo hanaraka an'izay daholo indray ireo rehetra ireo.

Soso-kevitra sady fanontaniana:
- Ahoana no hevitr'ireo mpahay siansa ekonomika amin'izay?
- Ahoana raha misy seha-pamokarana iray ohatra booster-n'ny fanjakana à fond mba hampiainga an'ireo activités rehetra manodidina an'iny? Mety hahomby ve? Izany hoe mba tsy hahalafo loatra ny hetsika fampandrosoana izany e
- Ahoana no hisafidianana seha-pamokarana tsara hatao an'izay raha toa ka mety ilay hevitra?
novalian'i prime ny 24/11/2006 10:54
2. Simpona ( 23/09/2006 08:09)
Raha izay no hatao dia tsy maintsy jerena ny singa rehetra mifandray ao amin'ny seha pamokarana sao manjary mandeha illa ka tsy haharaka ny aloha sy ny aoriana.
Oh : Raha ampitomboinao ny famokarana mofo dia mila ampitomboina ny famokarana varimbazaha, ny fanodinana azy (mila 'investissement' vaovao ireo), mila alebiazina koa izany ny tsenam-bokatra.
Mety hahomby izy raha vofehy daholo ny singa rehetra ao amin'ny 'filière'
Ny fisafidianan ny seha-pamokarana ngamba dia mianikna amin'ny fahafahana mifehy ireo singa rehetra indrindra eo amin'ny famokarana akora fanodina sy ny tsenam-bokatra (mbola misy ve ny tsena azo hanaparitahana ny vokatra na eto ant-toerana na ny any ivelany)
Mila jerena zany we inona no tena tadiavin'ny olona ary inona no ananana na mora azo ahafahana manome azy.
3. simplex ( 23/09/2006 19:33)
lapino:
- Ahoana no hevitr'ireo mpahay siansa ekonomika amin'izay?

jerena @ lafiny lojika tsy voatery hoe ekonomika, dia miankina @ ilay "systeme" resahina ilay izy. Satria tsy voatery handeha "a deux sens" ilay fifandraisana eo @ singa isan-karazany. Matetika misy zavatra "exogene" @ ilay "systeme" manana fiantraikany hafa @ tokony ho izy. Ohatra hoe ra-booster-na ny fanaboarana mofo, kanefa ny fahafahana na ny fitiavan'ny olona hividy mofo tsy maharaka de tsy hande ilay izy...

lapino:
Ahoana raha misy seha-pamokarana iray ohatra booster-n'ny fanjakana à fond mba hampiainga an'ireo activités rehetra manodidina an'iny? Mety hahomby ve? Izany hoe mba tsy hahalafo loatra ny hetsika fampandrosoana izany e

Ny tena tsara zany dia seha-pamokarana maromaro mba tsy hilazana hoe tsy anakiray no booster-na. Ny tena hilana an'le hoe "diversification" zany de voalohany aloha mazava hoazy fa ra betsaka ny atao toy izany dia mazava hoazy fa betsaka kokoa ny activites miainga miaraka @ ireo, faharoa koa mba hialana @ izay "chocs" loatra @ izay mitranga any ivelany.

Aza adino koa fa @ lafiny ekonomika, dia misy an'ireo zavatra atao hoe "substitue". Izany hoe ra rarana ny fanamboarana mofo, mazava hoazy fa mety hitranga ireo lafiratsiny voalaza etsy ambony. Fa na izany aza, mety hande be indray ny famokarana kobam-bary na zavatra otr'izany misolo an'ilay banga misy eo teo @ mofo.

lapino:
Ahoana no hisafidianana seha-pamokarana tsara hatao an'izay raha toa ka mety ilay hevitra?

miakina @ "potentialite" an'ilay firenena ihany io :°) fa @ izao fanatontolona izao dia fantatra @ teny baiko hoe: "avantage comparatif". GooGle kely:D

:D:D
4. lapino ( 25/09/2006 05:07)
Ny tiako hiaviana ange dia hoe, tsy ho booster-na daholo ny zavatra rehetra, fa anankiray ihany e! (na vitsivitsy ihany!!!). Ny activités manodidina (amont sy aval) tsy hataon'ny fanjakana fa inciter-na hataon'ny vahoaka/mpandraharaha/... , tsy ny fanjakana fa ny vahoaka/mpandraharaha ihany no asaina mi-investir amin'izany, avy amin'izay ananany sy ny fahefa-miasany, ...
Ny fiakaran'ny fahefa-mividy mbola consequence aorian'ilay hetsika, mbola tena aoriana!

Ilay resaka "substitue", vao mainka tsara ny fisian'io phenomene io raha izany. Raha tafakatry ny fanjakana ambonimbony kokoa ny fahefa-miasan'ny olona, afaka avotsotra amin'izay izany ilay seha-pamokarana avy eo. Mbola ny vahoaka/mpandraharaha ihany no hahita izay hataony manoloana an'izay avy eo.

Simpona:
sao manjary mandeha illa ka tsy haharaka ny aloha sy ny aoriana.
Ka izay mihitsy ilay politika eritreretiko: avela handeha ila mihitsy ilay izy, dia ho avy izay potentiel any ho any hameno izay mandeha ila. Voalaza foana manko fa mahay zavatra ny gasy e, mahavita azy ny gasy e, sns ... Dia anokafana sehatra izany hampiharana an'izay fahaiza-manao sy fahavitana azy izay e!
Ary ilay fampandehanana ila azy ange, tsy amin'ny alalan'ny fanapahana ny ilany akory, fa amin'ny alalan'ny fampakarana ny ilany. Izany hoe ilay ilany kely izany tsy maintsy hitombo vao hahazo equilibre indray ilay systeme.

Asa raha mety hamono antoka à court/moyen terme ny fanjakana ilay (amin'ny tarehimarika ara-bola) izy fa hahazoan'ny firenena tombony kosa à moyen/long terme (amin'ny asa voaforona, na toe-tsaina tia karoka sy tia miasa, ...).
5. prime ( 29/09/2006 11:15)
Raha ny fahitako azy, dia hevitra tena mahaliana ity aroson'i lapino ity satria mampandinin-tena fatratra eo @ fomba ahafahana manao soritr'asa fampandrosoana...
Ny ahy ny hevitro dia miainga @ fototra roa ihany raha mikasika io hoe fijerena pôle de développement io ka miainga @ secteur porteur... ny ahafahana mamaritra anio dia fomba roa aloha raha ny eritreritro, ny famaritana ny secteur porteur @ alalan'ny calcul économique par sélection adverse ary ny promotion du secteur à partir de l'économie d'échelle...
@ ankapobeny, ny azo ambara hatreto dia izay ilay tian'ny filohan'ny mfm lazaina indray andro izay hoe "mila ravalomanana bdb erak'i madagasikara"...
6. HESHA ( 13/10/2006 12:04)
DE zao ndray ary, ny potentialite tsika malaza am zao ohatra dia ny ilmenite, ni vatovy, ny huile lourde. Eto amintsika anefa tsy misy na dia iray aza toerana azo hanodinana ireo fa voatery ahondrana hatrany izay trandrahana. Dikany, misy impact fa amin'olom-bitsy le systeme fa tsy ho an ny firenena manontolo satria rehefa voahodina ireo ka miverina eto amintsika de be lavitra ny vola azo tamin ny fitrandrahana azy ny vola lany amin ny fanafarana azy voahodina
7. HESHA ( 13/10/2006 12:07)
Raha ny secteur textile zao no ampiharana io de mety tsara satria misy tany azo ambolena coton tsara eto amintsika, misy usine mpanodina izany ho lamba na fil, misy usine mpanodina izany ho akanjo, misy mpivarotra izany eto antoerana sy any ivelany fa saingy, nahagaga fa toa ny mifanohitra amin'izany ny zava-misy ankehitriny
8. prime ( 25/10/2006 14:38)

hesha:
...nahagaga fa toa ny mifanohitra amin'izany ny zava-misy ankehitriny

hesha> hazavao...
9. bazylou ( 14/11/2006 14:26)
RAha amin'io sehatra fampandrosoana io dia zavatra maromaro ny ahy no tokony hirosoana avy hatrany tsy misy hatak'andro.

1 Dia ny reforme agraire Malagasy.Hesorina amin'ny sain'ny Malagasy ny tanim bary kely iray dia. Izay olona rehetra vonona ny hamboly hahazo vokatra amantaoniny dia omenn'y fanjakana , ny debouché sy ny filiaire rehetra hamarotany ny vokany. Raha tiany moa ny hanodina avy hatrany ny vokany dia tsy tokony handoa taxe ny fitaovana rehetra. Marihina anefa fa arahuina maso ny vokany ary torona hevitra izy amin'izany. Io no ilana ny injeniera agricole any ambany vohitra.Ny fanjakan no manome ny toerana hivarotany ary ny mpamboly kosa dia mivarotra ny vokany amin'ny vidiny tiany hanaovana azy.
Hampidirina eto izany ny bourse agricole. ary anjaran'ny fanjakana no mampianatra ny olona sy ny mpamboly amin'io rafitra io. Amin'io rafitra io dia azo hatao tsara ny manome 0.1% ny vokatra isaky=in'ny mpamboly hitsinjovana ny hain-tany
(reserve de denrée alimentaire)
Tsy misy systeme maty ho azy izany, misy azo ahifika foana ao. Tsy ny varim bazaha ihany no azo anaovana mofo ary tsy ny mofodipaina ihany no vita amin'ny varim bazaha.

2- Hatao vaindohandraharaha ny " CREATIVITE" ao Madagasikara fa tsy hanao ohatran'ny maizina ny hividy ihany.
Ny olona rehetra manana hevitra na masinina vaovao azo ampiasain'ny be sy ny maro dia omen'ny fanjakan vola hanatanterahana sy hivulgarisena izany.
Nankaiza izao ilay bandy mahavita fiara mandeha rano moa sa masoandro iry ??

3-Isika Malagasy dia olona hipokrity izay daholo. Mpanao ory havan'ny manana daholo isika. Ohatran'ny olombelona ihany e,.Eo amin'ny koltiora dia hamafisina ny fampianarana ny teny Malagasy sy ny fanoratana. Hatao ezaka lehibe ny fanaovana ny boky rehetra amin'ny fampianarana. Ovana tanteraka ny fampianarana hanaraka ny toe-trandro. Ary omena fanampiana izay rehetra manangana boky , na teatra na trano famakiam boky.Tsy hoe anaovana sekoly kely dia omena tablier vita sinoa , dia omena bonbon kely dia mangina ....

4-Raha tiantsika ny handroso haingana dia tokony hifandray tanana isika fa tsy lany andro hanompo an'ilay 8 sy ilay zatsy sy zaroa. Tsy hoe any Madagasikara irery no misy ny gasy . Ny olona aty andafy aty no mpanome vola anareo ao antanana ao. Nahoana no tsy avelanareo hifidy izy ireo ??
Mbainona no hanjo anareo raha tsy mandefa vola ireo ?? Inona valio hoe;^^
Azonay aty tokoa ny hanome hetra kely anareo sy Madagasikara, tsy sarotiny izahay ,fa ianareo ve hahay hitondra an'io?? Ary inona no mba takalony ho anay ??? VALINY: TSY MISY, dia laeo izany tsy manome fa tonga dia any amin'ny fianakams.

MERCI


10. prime ( 24/11/2006 10:54)
hesha> Ny toekarena mbola mifototra @ secteur primaire dia tsy maintsy mandalo io lazainao hoe mifanohitra io...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1467