mpanakarena gasy nizara vola tao Tsaralalàna

1. jentilisa ( 21/09/2006 13:10)
Nizara vola teo Tsaralalana tamin'ny talata teo anoloan'ny singer na Bibliomad taloha ramatoa Lucille Ramanandraibe. Nahazo 50.000 ka hatramin'ny Ar 1.200.000 ny olona nanatona azy ka nilaza ny olana misy eo aminy.

Ahoana no fijerinao io fihetsika io?
novalian'i valinaka ny 10/11/2006 15:37
2. ninih ( 21/09/2006 13:43)
ra za manokana aloha de tsy sahy hitantara ny olako @ olona tsy fantatro za e!
3. mandrindra ( 21/09/2006 13:49)
inona hono no tanjony amin'izany?
4. ari.malala ( 21/09/2006 14:51)
generuse kosa izay izany ko
5. tsingy ( 21/09/2006 15:02)

Ra tena famille ramanandraibe aloha izy d anisan'ny olona henjana ry zareo fa ra ts'izy d iza ary?:?:
tsy hay intsony izy ty fa génereuse kosa an:°)
6. ravakamalala ( 21/09/2006 15:20)
tsara ilay fihetsika satria "acte charitable" fa raha ny fahitako azy manokana dia tsy dia manampy loatra ny gasy izany fa raha toa izy ka tena te hanampy, maninona raha fomba hafa no nampiasana ny vola ? ohatra manome fitaovana ny hopitaly, na manampy amin ny fanamboarana fianarana, na... betsaka nya zo tanisaina, fa vola omena olona fotsiny izany, mety ho lani amin ny zavatra tsisy dikany akory, nefa tsy hampandroso
7. Lejim ( 21/09/2006 15:58)
Tsy mba zara aza izy mba manome koa. Fa ny nampalahelo dia toa nisy voadaroky ny polisy indray ny mahantra nilahatra.
Samy manana ny zavatra eritreretiny ho fanampiana ny mpiara-belona aminy ka sady volany rahateo io dia azy ny fahena ampiasana azy!
8. Aino ( 21/09/2006 16:42)
mba mafinaritra kosany izany ko!! raha manana moa tsy stara ve ny mizara!!
raha izaho koa no manankohomena dia mba manomeko, saingy indrisy fa ny anio dedavida anio.
9. Papoose ( 21/09/2006 16:54)
taiza ary za t@ zany tsy mba nilahatra sy tsy nahazo le!:cry:
10. cutie ( 21/09/2006 17:09)
Mpandefa : ravakamalala [ Valio ] 21-09-2006 17:20:53
Lohateny : Re : mpanakarena gasy nizara vola tao Tsaralalàna
tsara ilay fihetsika satria "acte charitable" fa raha ny fahitako azy manokana dia tsy dia manampy loatra ny gasy izany fa raha toa izy ka tena te hanampy, maninona raha fomba hafa no nampiasana ny vola ? ohatra manome fitaovana ny hopitaly, na manampy amin ny fanamboarana fianarana, na... betsaka nya zo tanisaina, fa vola omena olona fotsiny izany, mety ho lani amin ny zavatra tsisy dikany akory, nefa tsy hampandroso

miobon-kevitra @njy
11. bibioul ( 22/09/2006 07:05)
tahakizay izaho mba teny zany :lol:
12. naritsimba ( 22/09/2006 09:07)
raha izaho aloha dia aleo tonga dia omeny ny mahantra mivantana toy izany e, raha omena ny Hopitaly mantsy mbola hanaovan'ny Dokotera risoriso ihany.
jereo fotsiny ange ny vola omen'ny avy any ivelany ny tany mahantra e, rizalahy mpitondra fotsiny no voky eh!

maromaroa ny toy izany ô!
13. kabotal ( 22/09/2006 09:39)
Marina ny an'i naritsimba, tsy aleo ve ananganana zavatra hafa le vola, ohatra we omena fonds izy hanagana fivarotana kelikely, na omena machine à coudre dia mnjaitra, dia ampiana ara-kevitra izy dia toroana izay lalana tokony hombany, fa tsy omena vola avy hatrany satria ange iny tsisy 1 mn de lany e, aleo aza manome fitaovana azy directe toy izay mbola misy olona hafa na ONG, fa ireny ange mbola maka tombony tokoa e. De aleo re omena fintana izy ireo fa tsy trondro no omena azy e. Fa tsara fanahy ihany alou le ramatoa fa de isaorana azy zany.
14. akbaraly ( 24/09/2006 19:00)
Tena Zanaky Ramanandraibe io ka. Zao no fandehan io ry zareo a, io Ramanandraibe io izay tantanan io zanany io de manohana an i Ravalo ka efa propagande zany io e. Tsy mahasosotra le izy satri be ny afaka olana sy afapo na de filaharana be aza ny tao.
15. fiderana ( 28/09/2006 08:39)
Isaorana manokana mihitsy Rtoa Lucille RAMANANDRAIBE,
izay azo lazaina hoe nanampy tena mivantana ireo olona sahirana, fa ilay fandaminana sy ny fomba nanataterahana azy fotsiny no nisy indro kely, ahoana hoy ianareo?,lasa tomefy olona teo @ ilay toerana, dia nikorotana hatramin'ny fifamoivoizana, na ny fiara na ny olona, fa raha mba ohatra hoe tao @ palais de sport ohatra mety nahazo fahafaham-po jiaby ireo vahoaka sahirana.
Mba misimisy ny hoatran'ireny fa ho afaka ny ampaham-pahorian'ny vahoaka,misaotra anao tompoko:D
16. ravatorano ( 02/10/2006 06:09)
fiderana
17. kelly13 ( 09/10/2006 16:33)
bibioul:

tahakizay izaho mba teny zany :lol:


zany refa laozana mitaingina bomoto sy nenjera :p
18. tywa68 ( 09/10/2006 17:23)
mahafinaritra ny mahay mizara sy mahatsiaro tena fa manana ny ampy dia lasa tsara fanahy ho azy ! enga anie ka hitohy @ fomba hafa io fanomezana io !
Tsy ho voatery propagande daholo rehefa asa soa ê ! =D=D=D=D=D
19. ranjalia ( 13/10/2006 10:57)
izay manome ireny madinika kely ireny dia manao ny asan'ny Tompo izy. Asa tsara izany eo anatrehan'andriamanitra ka tsara tahafin'izay rehetra afaka manao izany.
20. valinaka ( 10/11/2006 15:37)
de tena toe-tsaina gasy tokoa anie ny an'ny sasany,aiza ka rehefa omena de hoe aleo fitana fa tsy trondro hoy ny tenin'ny Tompo:iza ny ray aman-dreny hanome vato ny zanany izay mitady trondro?
fa izao ê:midera izany fihetsika izany isika ary mamporisika ny sasany hanao tahaka izany fa tsy hanao tahaka ny sasany ka handany ny vola nisasaran'ny mpiasany any @ casino ka rehefa avy eo de lany ny harena ka hilatsaka ho fidiana président.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3286