Misy tsy mety mihitsy ao amin'ny paositra malagasy ao

1. rabaradaka ( 19/09/2006 06:02)
Aiza ve nama dia efa hita mibaribary ny halatra ataon'ny sasany dia jeren'ny fanjakana fotsiny, sa hanaovana propagandy angamba ny vola nangalarina tao ? Dia azo inoana ve fa vola amina miliara no mihodina ao nefa tsy voaloha ny vidin-jiro sy rano ? Ary ilay 1 miliara nisy nanodina tamin'ny 2005 dia izao 2006 izao vao fantatra ? Mba tsy mahay comptabilité ihany rabaradaka fa tsy lasa kosa zany e, sa arovan'ny sasany (tsy rabaradaka io an) ?
novalian'i fijo ny 28/09/2006 20:05
2. naritsimba ( 19/09/2006 07:10)
Tsy ny paositra ihany io fa maro be tsy tambo isaina!
Mba adihadio ihany ange ireny orinasa tahaka ny JIRAMA, AIR MAD sns ireny eh? @ izay tsy ho gaga ianao.
3. xxx ( 19/09/2006 11:35)
Mitaraina avy eo hoe : tsy manome lanjany ny teknisiana gasy i r8 fa vahiny daholo no ampiasainy
4. nanourand ( 19/09/2006 14:07)
ndana mifidy @ 3 désambra ee :wink:
sady zany ben' tanànan'i baltimore zany hono no lehibehin' ny fampielezankevitra koa.

Mahay anie zany e!
5. lagoon ( 19/09/2006 20:25)
rabaradaka:

Aiza ve nama dia efa hita mibaribary ny halatra ataon'ny sasany dia jeren'ny fanjakana fotsiny, sa hanaovana propagandy angamba ny vola nangalarina tao ? Dia azo inoana ve fa vola amina miliara no mihodina ao nefa tsy voaloha ny vidin-jiro sy rano ? Ary ilay 1 miliara nisy nanodina tamin'ny 2005 dia izao 2006 izao vao fantatra ? Mba tsy mahay comptabilité ihany rabaradaka fa tsy lasa kosa zany e, sa arovan'ny sasany (tsy rabaradaka io an) ?



Mbola en place tsara ny systéme n'i Hasina raha izao no jerena.

6. fijo ( 19/09/2006 22:59)
izay,mifidiana ,dia any aseho ny hevitra.
7. HESHA ( 21/09/2006 08:49)
mila privatiser na kou va re ny paositra malagasy e?
8. mandrindra ( 21/09/2006 11:56)
rabaradaka, raha anananao ny porofon'izany rehetra izany dia zonao amin'ny maha olompirenena anao no mandeha avy hatrany dia mametraka fitoriana eny amin'ny fitsarana na mametraka fitarainana any main'ny polisy mikarakara ny finansy.
anjaran'ny tsirairay amin'ny maha olompirenena azy koa no mandray andraikitra ka milaza ny tsy mety, indrindra raha manana porofo fa tsy honhono na tombatombana, fa tsy hiandry eo daholo fotsiny hoe ho hita eo izay ataondrafanja.
9. fijo ( 21/09/2006 22:10)
ka nendry zalahy anie ry papa,vao maheno moka maneno dia efa boeing izay e.hany ka sarotra be
10. rabaradaka ( 23/09/2006 06:04)
zao mandrindra a, efa eo ampelatanan'ny Bianco io resaka io ary efa niseho gazety imbetsaka tato ho ato fa ny mampalahelo dia izao misy milaza atsy ho tsy maty manota mihitsy. Tena misy porofo daholo ireo kah ! Lasa mampahiratra ny jamba sy mampiteny ny moana amin'ny zava-dratsy indray ity ny fanjakana. Efa voasoratra any amin'ny lisipifidianana ve aloha nareo e ? Izay hifidy an'i Sarkozy dia mahereza
11. velosoa ( 23/09/2006 08:16)
Io ilay zavatra no lazaiko indray andro tao amin'ny zama-misy hoe misy zavatra miseho ao amin'ny orinasa lehibe iray ao Antaninarenina ao, ary ny olona manao izany dia mihevitra ny tenany ho tsy maty manota
12. prime ( 26/09/2006 12:26)
:? betsaka ny orinasa mila fanarahamaso akaiky... marina ny lazain'i naritsimba...
13. fijo ( 27/09/2006 22:04)
ka mila profo anie ny fanjakan avao manao hetsika e.mety tsy mbola nanan profo izy matoa nangina
14. mandrindra ( 28/09/2006 14:03)
rabaradaka, tsara raha efa any antanan'ny bianco ny raharaha. fa ny zavadrehetra dia misy fanadihadina atao fa tsy afaka avy hatrany dia manameloka. na olona tratra ambodiomby aza namono olona iray dia tsy maintsy misy enkety sy famokarana porofo izay vao aroso ny fitsarana.
raha ny hoe ao anaty lisi-pifidianana aloha dia tsy afaka mifidy aho ny amin'ny 3 desambra satraia ivelan'i gasikara. raha ny hoe hifidy eto frantsa koa dia tsy afaka ihany koa aho satria tsy fireneko ity.
15. fijo ( 28/09/2006 20:05)
mandrindra an ,efa mandatsaka taratasy letsy elahy isanandro atsy antrano kely atsy dia efa izay aloha raha aty an.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6995