CRN. Nitory ny Filoha Ravalomanana any amin’ny ONU

1. Fanja1 ( 17/09/2006 08:33)
16-09-2006 / 11:16
Fantatra izao fa nitory ny Filoha Marc Ravalomanana any amin’ny Firenena Mikambana ry zareo ao amin’ny Crn tarihin’Ing. Zafy Albert. Ny antony moa, noho izy hoe tsy manaiky ny fangatahana nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana hanohy ny fifampidinihana eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra.

Tsy manaiky ihany koa ny fametrahana ilay komity tsy miankina momba ny fifidianana sy ny fanaovana ny biletà tokana ary ny fanaovana amin’ny fomba mangarahara ny lisi-pifidianana. Any amin’ny komity mpanasazy ao amin’ny ONU no nandefasan’izy ireo ny taratasy fitoriany.

Mihevitra ihany koa ry zareo ao amin’ny Crn fa ny Filoha Ravalomanana mihitsy no manakana ny fitadiavana vahaolana amin’ny olana misy eto amin’ny firenena. Mangataka amin’ity komity mpanasazy ity araka izany izy ireo mba handrara ny Filoha Ravalomanana tsy hivoaka any ivelan’i Madagasikara. Ankoatra izany, milaza koa ny Crn fa tokony hambaran’ny Hcc fa tsy ekena ny filatsahan’ny Filoha ankehitriny satria tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao.

Nambaran’ny Crn mantsy fa fifidianana mialohan’ny fotoana hatao amin’ny 3 desambra 2006. Araka izany tokony hametra-pialana ny Filoha.

niry ramanitra
©Gazetiko
novalian'i fijo ny 27/09/2006 22:06
2. lagoon ( 17/09/2006 08:40)
Dia tena mampalahelo ny fiafaran'i Zafy Albert.Tena tsy zakan'ny vavoniny hoe maninona i RaValo no nahavita betsaka noho izy ary nahavita ny mandat-ny nefa dia natao ny fanankorontanana rehetra.Tao anaty 4 taona sy tapany dia korontana,sabotage,ary nitady adim-poko mihintsy aza i Zafy sy ny CRN nefa tsy nisy nanaraka.
Ka tsy misy dikany io taratasy lasa any @ ONU io e,ny vahoaka eto Gasikara aza tsy mihaino an'i Zafy koa vao maika izay ONU any.
Afaka anao inona koa moa nu ONU??Etat souverain i Gasikara ary tsy misy ady eto.
Mampatsiharo ahy ilay taratasy nalefan'i Pierrot tany @ Washington Post sy ny GVt US momba ilay MCA ity taratasy ity.Mazava mihintsy ange izao fa ireto zanaka PAdesm ireto no fahavalom-pirenena e.
Ary mbola marary foana i Zafy hatramin'izao fa "empêché"!!Henatra be ange izany e!!
3. Fiffi ( 17/09/2006 10:19)
efa tsy hitan'razafy intsony zay hatao ! fantany fa tsy hahazo seza eo izy na inona no hataony na inona !
4. vetsoko ( 17/09/2006 14:04)
atao ahoana fa izay zafy,dia zafy eny foana saingy marina le hoe tokony hametra-pialàna fa izay no ara-dalana
5. dinidinika ( 17/09/2006 15:29)
inona moa ny zavatra vita ny ravalo aminin' izao fotoana izao tsy mampiditra andramalagasy amin'ny fizaliana sy ny fahatrahana amiko tsy afa amin'ny nataon'ny mpitondra taloha no ataony mameno paosy raha zerena ny tantara ny voalohany mandaha ireo filoha teo aloha afa tsy i zafy no tsy fantako naha vita zavatra be lavitra noho i ravolo mpihatsara velatsy miafina ao ambadikin' baiboly raha zerena ny mpamadika tamin' 1947 dia ny mopera ohatra izany ny filoha mpirenenentsika amin'izao fotoana izao
6. manantsoa ( 17/09/2006 16:46)
O ry zareo a! ny fananganana governemanta tetezamita izay takian' ny CRN ihany anie no hany lalan-tokana ahazoan' ny sasany seza ao amin' ny fitondrana e.
Raha fifidianana aloha no atao dia tsy ahazo laka intsony mihitsy ny sasany e.
( Raha sanatria lany eo aza i Hasina dia tsy ampiditra an' ireny ao amin' ny fitondrana mihitsy . Tena maimbo tanteraka mantsy izay mbola miaraka amin'ireo goaka antitra tsy mamely ireo e ).
Tsy mahagaga ilay fitoriana satria ny GVDT ihany no tena manosika azy ametraka an'io.
7. orchidee ( 18/09/2006 06:55)
Sao mba ao ambadika i Atoa Zafy kosa ary i Atoa Deba...ary ao ambadika Atoa Deba i Reny malala....
8. rabaradaka ( 18/09/2006 07:52)
Mampalahelo raha olon-dehibe heverina ho ray aman-dreny no kentrina sy kely saina (aleo tsy hanonona anarana aho fa sao tezitra ny sasany). Fa na izany aza misy tsy fitiavana ambaniandro mihitsy asehon-dry zalahy CRN amin'izao ka tokony ho tandrovana ny firaisankinam-pirenena. I rabaradaka indray dia manohitra tanteraka ny fizarazarana
9. tangalamaitso ( 18/09/2006 09:39)
Ny Filoha Ravalomanana ange ry zareo ka any ivelany any mamita hiraka e! Manatrika ny fivorian'ny tany tsy baikon'ny atsy na ny aroa izy, avy eo hanatrika ny fivorian'ny O.N.U raha tsy diso aho. Mbola mitombona ve izany ilay taratasy alefan'ny CRN?
10. prime ( 18/09/2006 15:05)
Redy2 io trts io e... zafy sy ny forongony efa ela no naloan'ny vahoaka... aleo hanamafy ny politikan'ny padesm eo ihany ahitany angano...
11. akbaraly ( 18/09/2006 18:29)
Salut
za de mirary soa ho an i zafy sy ny mpanohitra fa ts lasa tsony zao fijaliana izao. Hafetsifetsena lalandava no enti mamahandalitra ny vahoaka. Marina fa nampandroso ny firenena i Ra8 fa ts ampy izany satry mihamahantra isika fa mety ts tsapatsika izany. marobe ny porofo azoko lazaina fa aza de mora varimbariana fotsiny amin izay voalazan Ra8 fa vao maika hitondra antsika any amin trosa sy ny fitotongan ny vola gasy izao ka hampiakatra ny vidin ny solika sy ny vidim piainana. Za de mitady olona vaovao (GRAND) hiady amin io Ra8 io fa na izany aza de manohana sy mankahery ny mpanohitra hatrany aho.
Fanja1:

16-09-2006 / 11:16
Fantatra izao fa nitory ny Filoha Marc Ravalomanana any amin’ny Firenena Mikambana ry zareo ao amin’ny Crn tarihin’Ing. Zafy Albert. Ny antony moa, noho izy hoe tsy manaiky ny fangatahana nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana hanohy ny fifampidinihana eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra.

Tsy manaiky ihany koa ny fametrahana ilay komity tsy miankina momba ny fifidianana sy ny fanaovana ny biletà tokana ary ny fanaovana amin’ny fomba mangarahara ny lisi-pifidianana. Any amin’ny komity mpanasazy ao amin’ny ONU no nandefasan’izy ireo ny taratasy fitoriany.

Mihevitra ihany koa ry zareo ao amin’ny Crn fa ny Filoha Ravalomanana mihitsy no manakana ny fitadiavana vahaolana amin’ny olana misy eto amin’ny firenena. Mangataka amin’ity komity mpanasazy ity araka izany izy ireo mba handrara ny Filoha Ravalomanana tsy hivoaka any ivelan’i Madagasikara. Ankoatra izany, milaza koa ny Crn fa tokony hambaran’ny Hcc fa tsy ekena ny filatsahan’ny Filoha ankehitriny satria tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao.

Nambaran’ny Crn mantsy fa fifidianana mialohan’ny fotoana hatao amin’ny 3 desambra 2006. Araka izany tokony hametra-pialana ny Filoha.

niry ramanitra
©Gazetiko



12. rabaradaka ( 19/09/2006 05:52)
Fatsoraly akbaraly tokoa radadatoa ity ka, mba e ! Fa izao e, na inona fitoriana na inona taratasy alefa mba fantatrareo mpanohitra moa fa efa manomana ny deuxième mandat an'i Ravalo ny mpamatsy vola ?
13. tangalamaitso ( 19/09/2006 09:21)
Ahoana tsara moa rabaradaka ny dikan'ilay hoe : manomana ny deuxième mandat?
14. vetsoko ( 19/09/2006 14:48)
tsy misy resaka ara-dalana izany eto Mcar,izay puissant no manjaka,mi-diriger ny opinion,mampiantra lalàna de miha mahantra koa isika fa aza de fanatique,iza no compétant hampiakatra ny pouvoir d'achats haingana????????IZA????
15. nanourand ( 19/09/2006 15:14)
rabaradaka:

Fatsoraly akbaraly tokoa radadatoa ity ka, mba e ! Fa izao e, na inona fitoriana na inona taratasy alefa mba fantatrareo mpanohitra moa fa efa manomana ny deuxième mandat an'i Ravalo ny mpamatsy vola ?

Tsy azoko tsara!!! de inona izany ilay ho ataonay @ 3 décembre???
de inona le andaniana volabe 125m avy hoan'izay irotsaka?
de inona no andaniana le vola ividanana rôplana vaovao? sy anakaramana amerikana anao propagandy?

misy fanamarihana kely koa : ao anatin'i lalapanorenana malagasy dia tsy voatery mametrapihalana ny filoha amperin'asa raha mbola mirotsaka ho fidiana indray! (novain'ingahy Ratsiraka izy io t@ ioay fitsampan'kevibahoaka nataony farany indrindra)

16. fijo ( 20/09/2006 22:13)
hoy i akbaraly:"marina fa nampandroso ny firenena i ravalo...."ô ry akama an,enao ihany aza dia mihaiky fa izy nahavita nampandroso io firenena io.ka inona indray no tadiavina??????le tsy nampandroso teo nandritry ny 25 taona?????sao dia jenjina letsy ryakama .
17. HESHA ( 21/09/2006 08:37)
:roll::roll::roll:
izai tian ni gasi iani no lani eo e, na iza hanakiana na iza hanaratsy,...
zai tonga eo tsi maintsi mba mameno ni paosini kou satria mandat 2 ihany no azony atao ra betsaka, donky tsy anomezantsini azi.
tsi efa haini ko ve fa refa tsi eo intsoni izi de meti ho nationaliser hatram fananani e
18. fijo ( 21/09/2006 22:12)
izay indrndra.reseo lahatra ny olona dia avelao hifidy.
19. mandrindra ( 22/09/2006 10:55)
akbaraly, inona hono no drafitrasa entin'ireo mpanohitra tohananao hanrenana an'i madagasikara?

vetsoko, io fanontaniana napetrakao io no tena ilana valiny. aleo samy hilaza ny mety ho fomba fiasany ny mpifaninana, dia ny vahoaka no mitsara.
20. fijo ( 22/09/2006 21:59)
le mpanohitra any amintsika anie tsy mitady drafitra hanova e.fa hanova olona aloha .izay no tanjona;io tsy mila drafitra mahomby na tekinika vaovao,fa na amboletra io na fanaratsiana io,izay mety atao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0486