mangataka hira

1. xxx ( 16/09/2006 17:26)
manaona daolo o!
azafady ry reto a! mba miangavy anareo sao dia mba misy mahay ny tonon'ilay hira hoe ZAZA KAMBANA iny dia mba mangataka raha azo atao fa tena mba tiako iny hira iny.Ny mpihira azy aloha tsy haiko e fa izy hira efa elaela ihany, karazana kaiamba ireny angamba ilay izy raha tsy diso aho. Dia misaotra mialoha ary mametraka ny veloma mandra-piresaka indray.
2. Fiffi ( 17/09/2006 06:14)
xxx: efa nojerenao tato @ tononkira ve raha ao ? bdb mihintsy manko ny tononkira ao an!
3. xxx ( 17/09/2006 13:49)
Fiffi miarahaba ary misaotra anao namaly aloha e!efa nojereko tao tokoa fa tsy nahita tao aho ary izay indrindra no nahatonga ahy handroso azy eto sao dia misy afaka mahita sy manome.Misaotra anao ihany aloha @ ilay torohevitra. Mandra-panoratra indray ary
4. Fiffi ( 17/09/2006 14:00)
xxx: ny nahatonga ahy nanontany anao an'io manko de betsaka ny namana mangataka tononkira fa tsy mijery ny ato .
Raha mba fantatrao manko ny mpihira mba ho mora hiany . Nitady hiany aloha aho de nahita hiran'ny kaiamba fa toa tsy misy an'io ao an!
5. booboo ( 18/09/2006 09:15)
xxx > misy hoe ahoana zay tonon-kira zay ?
6. Fiffi ( 18/09/2006 21:25)
tena juste loatra le hoe zaza kambana eh ?
7. xxx ( 19/09/2006 13:22)
Misy ohatran'izao ny refrain-n'ilay hira:
Aminay any io zaza kambana io
Amiagna olo fa tsy azo tezaina...


Tsy haiko intsony ny tohiny avy eo
8. fiderana ( 20/09/2006 09:00)
le Ndrema, no manao an'iny raha tsy diso aho, fa izao andraso ary fa hiezaka aho ny hitady ilay tonony feno raha io lazainao io no tena marina dia mety ho hitako raha afaka kelikely androany ihany,
9. fiderana ( 20/09/2006 11:54)
ito ary ilay parole ê!

ZAZA KAMBANA

Ny ain-tegna itôgny
efa lehibe
Amaray handeha
Hanambady
Olo aby io tsy hitovy karazana
Ka hagnano raha tsy ekeny lalana

Fa aminay agny ity ê!
Io zaza kamban'io
Hariana hono fa tsy azo tezaina
Nefa raha nandreraka ny aina
Nitognoanao marary ê!
Manan-tsôvan-janahary ê!
Zanaka nateraka
Tsy hariako ô! ô!

dia izay izany no azo nalefa
tsy haiko raha tena marina na tsia io hatao hoe le Ndrema io no tompony â!
10. gerard_lenormal ( 04/10/2020 08:09)
Tsara raha fenoina ilay tononkira "zaza kambana"
fiderana:

ito ary ilay parole ê!

ZAZA KAMBANA

Ny ain-tegna itôgny
efa lehibe
Amaray handeha
Hanambady
Olo aby io tsy hitovy karazana
Ka hagnano raha tsy ekeny lalana

Fa aminay agny ity ê!
Io zaza kamban'io
Hariana hono fa tsy azo tezaina
Nefa raha nandreraka ny aina
Nitognoanao marary ê!
Manan-tsôvan-janahary ê!
Zanaka nateraka
Tsy hariako ô! ô!

dia izay izany no azo nalefa
tsy haiko raha tena marina na tsia io hatao hoe le Ndrema io no tompony â!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2052