Ahoana ny taratasy ilaina momba ny zaza mandeha any Dago

1. bilakarenjy ( 14/09/2006 15:58)
Misy tranga iray mampalahelo niseho tamin\'ny fianakaviana iray ity mba hilaina fanampiana aminareo .
Nandeha tany Dago ity fianakaviana iray ity dia izy mivady sy ny zanany iray mbola kely .
Ny mahagaga aloha dia izao :nikarakara taratasy tao amin\'ny masohivoha malagasy ry zareo dia tsy nisy ny fepetra sy ny taratasy takiana rehefa mandeha ,fa dia toy ny mahazatra ihany dia izay,ary marihako kely fa efa faha-telony nandehan\'ity zaza ity tany Dago izao ,kanjo vao tetsy Roissy dia efa nanontanian\'ny tompon\'andraikitra ny taratasy momba ny zaza (passeport de circulation),ary nambarany fa ny mandeha any tsy olana fa ny miverina no olana any aminareo .
Nony tonga tany Dago dia nikarakara ny taratasy tokony ilaina ary nalefa tany amin\'ny consulat daholo .
Ilay zaza aloha dia tsy teraka tany Dago ary mazava ho azy fa mianatra aty Paris .
Telo volana no nijanonana tany dia niverina ,kanjo tsy afaka niverina taty Paris ilay zaza fa voatana any Dago dia voatery nijanona ny reniny.
Niverina aloha ny raim-pianakaviana hikarakara ny tokony atao aty Paris .Avy hatrany dia nanantona ny Mairie sy ny Prefecture izy ka mbola eo am-pikarakarana ry zareo izao .
Ka mangataka ny fanampiana avy aminareo amin\'ity fianakaviana ity fa tena mampalahelo ny mahita ilay raim-pianakaviana misento lava sy malahelo ny vady aman-janany tavela any Dago .
Dia isaorana daholo amin\'ny torohevitra sy ny fanampiana ry reto a!
novalian'i Fiffi ny 01/10/2006 20:28
2. sipagasy ( 14/09/2006 16:16)
mmhhhh fa angaha ilay zaza tsy mba nosoratana t@ passeport n'ny 1 @ izy mivady ohatra??? ilaina tokoa ny doc de circulation ho an'ny ankizy tsy ampy taona ary any @ prefecture no angalana izany, raha tsy mizaka ny zom-pirenena frantsay ilay fianakaviana. Mazotoa e
3. Fiffi ( 14/09/2006 16:46)
ny zaza tsy hampy taona aloha dia tokony nosoratana anaty pasipaorin'ny RAD na ohatra hoe ny 1 hiany aza !
kanjo vao tetsy Roissy dia efa nanontanian'ny tompon'andraikitra ny taratasy momba ny zaza (passeport de circulation),ary nambarany fa ny mandeha any tsy olana fa ny miverina no olana any aminareo .
efa nilaza zany ry zareo fa hisy olana fa nahoana aza no tsy natao ohatra hoe natao niaraka t@ Rad izy ? Ny olana goanava angamba dia io tratran'ny loi-n'i sarko io an! Fa raha ohatra kosa ka manana paps ara-dalana ny RAD-ny tsy hitako hoe nahoana no misy olana ?

4. bilakarenjy ( 14/09/2006 18:16)
efa misoratra tsara amin'ny passeport mihitsy ny anaran'ilay zaza ,ary tsy misy tokony atahorana sady samy manana taratasy koa ny ray aman-dreniny .Ary fanampin'izany koa dia efa nentina daholo ny taratasy tokony hilaina amin'ny fikarakarana ny taratasy rehetra nankany Dago ,satria efa teny Roissy vao nahafantatra izany passeport de circulation izany ry zareo .
5. Ralay ( 14/09/2006 19:14)
Mampalahelo tokoa izany mahazo ity fianakaviana ity izany. Marina ny voalazan'i sipagasy fa ny zaza tsy ampy taona ka mianatra aty frantsa dia tsy maintsy mila io pesseport de circulation io ary tokony hisy affiche an'izany any @ ecole hianarany 3 volana alohan'ny vakansy lehibe.Ilaina io raha ohatra ka tsy manana taratasy vazaha ny RAR n'ilay zaza.Betsaka ny cas ohatr'izany mantsy mba hisorohana ny trafic d'enfant ka ny azony atao angamba dia mandeha any @ prefecture manazava ny cas-ny any dia mangataka ilay passeport de circilation. Ankoatr'izay dia miankina @ bon vouloir-ny autorité any dago koa satria rehefa tafiditra ao anaty avion izy dia azo porofoina ihany ny naha efa azy taty andafy.
Dia mahereza e
6. bonazy ( 15/09/2006 09:12)
mampalahelo izany miseho izany,fa izao no izy araka ny voalaza ery ambony n'ireo namana dia ny zaza mineur dia tokony hanana ny "titre de circulation pour mineur"karazana karam-panondron'ilay zaza afahany mivezivezy mivoaka sy miditra eto France ary tsy maintsy aseho miaraka amin'ny passeport na an'ilay zaza na miaraka voasoratra @] RAD, validité 5 ans renouvelable io titre io,raha tsy vazaha , any amin'ny préfécture misy azy no anaovana io,ary tsy maintsy mila ny présence ny mpivady sy ilay zaza, 15 a 20 jours dia azo,
7. prime ( 15/09/2006 14:59)
Zà tsy mahay fa mba mamaky fotsiny...
Fa mampalahelo ny toy izany... mba malina rehefa misy avertissements ohatr'izany tany roissy izany e... fa d mirary soa e...
8. Fiffi ( 16/09/2006 06:58)
bilakarenjy:
Telo volana no nijanonana tany dia niverina ,kanjo tsy afaka niverina taty Paris ilay zaza fa voatana any Dago dia voatery nijanona ny reniny.
de inona ny fanazavana nomen'ny tao dago tsy hahafahan'io zaza io hiverina aty ?


9. bilakarenjy ( 16/09/2006 14:07)
Dia tsy fantatro ry Fiffi fa dia tsy afaka nandeha ilay zaza ,ary voatery niditra nianatra any izy izao .
bonazy > Dia efa tany amin'ny prefecture koa fa mila ny zaza sy ny ray aman-dreniny ry zareo ,nefa ny zaza any Dago ,dia namany very maina fotsiny .
Mbola vao mifandamina amin'ireo tompon'andraikitra isan-karazany izao aty .
10. Fiffi ( 17/09/2006 07:02)
de mba mahagaga ahy hiany zany an! ttasy norma daholo de inona indray ? de mba lazao vao2 hiany an!
11. bilakarenjy ( 20/09/2006 18:50)
Na izahay aty aza gaga ,fa dia izay no lalàna misy any an-tanàna sy ampiharina .Dia atao daholo izay ilainy sy takiany ary efa mihezaka ny manao izay mihoatra mihitsy aza satria mihatra aman'aina mihitsy ity ataon'ny tompon'andraikitra mahazo fahefana ao Dago ity raha izao no fandehany .
12. bilakarenjy ( 28/09/2006 11:12)
Ny vaovao azo ambara farany anareo dia tonga soa aman-tsara tamin'ny Alarobia 25 septembre 2006 teo ry zareo ,koa dia misaotra antsika rehetra nanohina ny antso sy nifanampy hevitra teto f'izany hoe :nalamina daholo ny taratasy rehetra momba ilay zaza ,niainga tany amin'ny sekoly nianarany (nanoratra ny Directrice sy ny mpampianatra azy), dia nandalo tao amin'ny Mairie (mbola nanao soratra koa )dia avy eo tao amin'ny Prefecture (mbola nanao soratra koa) .
Niantso ny ambassade malagasy ireo olona talohan'ny fanomanana ny zavatra rehetra fa tsy nanohina ny antso ry zareo no sady niala andraikitra mihitsy .Mampalahelo tanteraka ny toy izany .

Nanampy koa ny consulat tao Antananarivo nanomana ny taratasy rehetra ho entiny sy aseho eny amin'ny seranana sady nikarakara tanteraka an'ireo malagasy tratra ny fahataram-potoana toy izao .

Dia mamerina ny fisaorana ho anareo rehetra e!

13. Fiffi ( 29/09/2006 20:21)
^:^^:^=D=D
14. tywa68 ( 30/09/2006 18:13)
ouf ! misaotra anao nitantara an'io mba hampieritreritra an'ireo zay mbola tsy nanao ttsy ho an'ny ankiziny !:wink:
15. Fiffi ( 01/10/2006 20:28)
tena ouffff marina an! nampitebiteby sy nampalahelo ery !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8533