Lova

1. booboo ( 12/09/2006 16:21)
Isaorana mialoha zay afaka manorotoro ny tena tokony ho fandehan-draha. Tsy mihatra amiko ilay olana fa fahitako sy fahenoko matetika ilay hoe miady lova :^).

Toy izao no mitranga ( any M/car no miseho ny raha ):
-Nankinina t@ zareo mpianadahy aby ny fizarana ny fananan'ny ray aman-dreny be fa tsy namela testament reo.
-Miady reo zanaka fa hoe misy lésés sns.
-Na tsy mbola nisy fifanarahana milamina vita aza, dia efa misy sahady ny mamboatra na mamarotra na manamboatra trano sns @ ilay " anjara lova " takiany ho azy.

Ny fanontaniako dia zao :
-Ara-dàlana ve zany ?
-Ahoana sa inona no maha-ara-dalana @ zay ilay fizarana nataon-dreo ?

Re-misaotra ô

novalian'i fijo ny 13/09/2006 20:42
2. Fiffi ( 12/09/2006 16:59)
zay le tena olana rehefa tsy voasoratra anaty testament . Ireny foana no mitranga lasa ady .

Fa raha ny fahafantarako azy aloha de tsy mety le tondé manangana trano na maka decision irery . Fa ny tsara hatao angamba de ny maka avocat de izy no handamina ny raharaha ?
3. fijo ( 12/09/2006 20:59)
tandremo tandremo fa tena zavadoza.
ny varotra na fanomezana lova,dia toa ny tsy nisy raha toa ka tsy mbola voafaritra mazava ny anjaran'ny tsirairay.
omeko ohatra.
nisy zanaka iray avy dia nanao trano teo amin'ilay tany lova.raha mandeha ny fizarana lova,tsy voatery mihintsy hoe io toerana io no hoanjarany.ary raha lasan'ny hafa io tany io,dia tsy aradalana ny fisian'ny tranony eo,ka azo angatahana ,ny fandrodanana azy.
ohatra iray hafa.
raha nividy tany tamina mpandova iray enao,nefa tsy mbola voafaritra mazava fa io no anjarany.dia azon'izay manana io anjara io atao ny mangataka fanafohanna io varotra io,ary foana hoazy ilay varotra,satria "varotra zavatra tsy an'ny tena"
raha tafaveriny moa ny volanao.arahaba soa,fa raha efa lany kosa.veloma anaka,fa mbola beny hotadiavina.ka tandremo tsara.raha vao hividytany lova,ny fepetra voalohany,dia manamarina fa efa voazara ary neken'ny rehetra ny fizarana,ary indrindra efa vita titre amin'ilay mivarotra.
4. xxx ( 13/09/2006 08:29)
Ny zavatra atao voalohany indrindra arinan'ny fahafatesan'ny ho lovaina:
- acte de notoriété: io taratsy io de milaza hoe iza sy iza avy no mpandova (raha tsy misy ny testament de mazava ho azy fa mpandova daholo ny zanany à condition ka manao io taratasy io haingana) io ko de afahana manakana ny ray ze te hivarotra an_tsokosoko sans ny avis ny mpandova hafa
- acte de partage: maka huissier de atao ny fizarana de samy mahazo mivarotra sy samy manana ny anjarany mazava( raha zavatra tso azo zaraina ohatra dis tsy maintsy misy fifarahan'ny mpandova) zay sy zay ngamba zao ny zavatra haiko momba an'io lova io fa de ny zavatra tsapa aloha de aleo fona maka avocat fa tsy maintsy misy foana ny ady @io resaka lova io eh!Reo ny zavatra takiana vo samy afaka mivarotra na mamritra ny anjarany ny tsiraray! ny tena important aloha de ny acte de notoriété satria azon'ny andinainy lavina tsotra tsy ho mpandova raha tsy mahavita io taratasy io ( na tsy ho vita aza le acte de partage satria mety ho lafo ny fakana huissier sy avocat sns... de io taratasy io de afahana manakana ny tsy fivarotana ny lova aloha mandra_paha : satria raha tsy misy accord avy @mpandova rehetra tsy misy afaka mivarotra )
5. booboo ( 13/09/2006 09:13)
ahan ! misaotra indrindra anareo ô
6. HESHA ( 13/09/2006 14:54)
Fiffi, za mahatsapa fa le testament aza no tena mampiady satria amin'iny misy mahatsiaro tena lese kokoa noho ny hafa de mihitatra tsy fitiavan ilay RAD namela ilay testament ilay izy
Zavatra efa nitranga tao aminay kou, nividy tany lovan-dramatoa ny RAD-ko, de ny zanany no nivarotra tsy nisy olana sy nanao ny taratasy rehetra fa saingy avy eo ny vadin le ramatoa (ny rain ireo zaza izany) nilaza fa very ny cadastre, de inn no atao eo anoloan izany satria fananan le ramatoa irery le izy (donc tsy ireo zanany ve no mandidy aminy fa tsy le vadiny ????)
7. xxx ( 13/09/2006 15:40)
HESHA:

Fiffi, za mahatsapa fa le testament aza no tena mampiady satria amin'iny misy mahatsiaro tena lese kokoa noho ny hafa de mihitatra tsy fitiavan ilay RAD namela ilay testament ilay izy
Zavatra efa nitranga tao aminay kou, nividy tany lovan-dramatoa ny RAD-ko, de ny zanany no nivarotra tsy nisy olana sy nanao ny taratasy rehetra fa saingy avy eo ny vadin le ramatoa (ny rain ireo zaza izany) nilaza fa very ny cadastre, de inn no atao eo anoloan izany satria fananan le ramatoa irery le izy (donc tsy ireo zanany ve no mandidy aminy fa tsy le vadiny ????)
Tsy voatery ny zanany no handova , raha araky ny tokony ho izy manana droit @'ny fananal" ramatoa ny vadiny raha vita soratra mazava ry zareo donc mbola mandalo @le Rangaha aloha zany ny resaka rehetra (amiko tsy rariny kosa raha tsy andova ny vadiny le rangaha eh raha mba enao no eo @toerana: normalement de mpandova ny vadiny: na lova avy aiza io na lova avy aiza)raha tsy hoe angaha hoe efa nofanarahan'ny izy mivady fa tsy andova le rangaha fa de omena ny ankizy ny lova rehetra ; tsy logika zany heo donc le zanany no mandova fa tsy le rangahy ny hany azo atao ngamba de mamerina manao demanden"le kadasitra indray na mifanaraka @le rangaha fara-faha_ratsiny: satria io rangaha io de afaka manda ny fivarotana ny lova satria izy ko de anisan'ny mpandova mazava ho azy raha tsy misy ny testament sns........


8. fijo ( 13/09/2006 20:42)
XXX an,marina io voalazan'ihesha io ,fa raha atao ny lisitry ny mpandova diany zanaka aloha,vao ny zafikely,ary ny vady dia ary alohan'ny fanjakana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2076