olon-tiana taloha

1. xxx ( 12/09/2006 12:04)
hono hoa ry reto mitombona ve ny todim-pitia na
hoe manana aalhelo aminao ny olon-tianao taloha
novalian'i xxx ny 22/09/2006 18:42
2. mandrindra ( 12/09/2006 12:44)
tsy misy izany tody izany
3. Fiffi ( 12/09/2006 12:46)
zah koa aloha tsy mino an'zany todim-pitia zany an!
4. booboo ( 12/09/2006 12:57)
Eka, mitombona tsara mihitsy hoe mety manana alahelo amin'ny tena ny olo-tiana taloha.
Ny todim-pitia ndray, amiko na soa na ratsy no atao dia mivaly foana.

xxx > hum...nataonao inona ny ex-nao ? hihihihihi
5. xxx ( 12/09/2006 13:00)
tsy nanao n'inina za fa leo azy de zay koa fa izy no malahelo
6. booboo ( 12/09/2006 13:19)
dia matahotra sao iantsoany tody ve ? hihihihihi.

Tony ho azy eo foana ny alahelony rehefa ela ny ela. N'iza n'iza tsy maintsy malahelo foana rehefa ny tiany no lasa kah :-*.
7. gille ( 12/09/2006 13:44)
salysaly !
Ny tody misy fa ny hoe todim-pitia tsy hita mivaingana na hoe tsy hita miavaka ny maha todi pitia azy.Tsy voatery hoe ny todi pitia dia any @ resaka fitiavana no hahitana azy fa mety @ zavatra ataonao hafa.Ny atao hoe tody mantsy dia valin'ny natao ka rehefa manao ratsy ianao dia tsy maintsy mivaly aminao izany na @ taranakao na @ havanao tsy voatery ho aminao ihany.Ka ratsy io tsisy anavahana fa rehefa ratsy rehetra ,mety hoe namitaka ilay olon tiana ka nananany alahelo.Zay zany misy todiny ny ratsy atao.
8. rasoul ( 12/09/2006 14:04)
"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina"
zany no fahendrena malagasy
aryu hoy Ny tarika Ainga hoe : hafa ihany lay voalohany e
9. pissoa ( 12/09/2006 14:15)
Tsy haiko raha tody na tsia ... fa ny siora dia ny vokatry ny ataonao sy ny toetranao dia isan'ny hitaty azy ianao.

xxx:
tsy nanao n'inina za fa leo azy de zay koa fa izy no malahelo

Fa naninona no leo? Ratsy toetra ve izy sa ianao fotsiny no mora leo?

Raha ratsy toetra izy dia tsy haiko.
Raha ianao kosa ny mora leo, dia ianao ihany no hitaty ny vokany ao aoriana ao ... dia io no ho antsoinao hoe tody.
10. diamondra27 ( 12/09/2006 15:17)
todim-pitia hono manodiava e!
fa mbola tsy haiko ny momba an'io?
11. mandrindra ( 12/09/2006 15:22)
pissoa, diso kosa ve i xxx raha leo
12. pissoa ( 12/09/2006 15:27)
mandrindrakoooo, za mbola manontany hoe fa maninona no leo :-D:-D:-D
13. Fiffi ( 12/09/2006 17:02)
xxx:
tsy nanao n'inina za fa leo azy de zay koa fa izy no malahelo
olombelona ve moa tsy halahelo ? indrindra raha nisy fitiavana marina tao ?


14. helitiana ( 12/09/2006 19:48)
:(Raha tsy ara-drariny no nisarahanao t@ilay olon-tianao ,izany hoe avy aminao ny fahadisoana nahatonga ny fisarahana,raha hazavaina tsara izany dia hoe nanao fanahy iniana ianao nisaraka taminy nefa tsy nisy fahadisoana nataony akory(mety hoe leo azy ianao na sahala am'izany,dia nila vaniny ...)dia tena misy mihitsy ny atao hoe tody,asa aloha fa izay no hevitro e.:?::?::?:
15. simplex ( 12/09/2006 19:55)

:-w:-w
ary le hoe ny tody tsy misy fa ny atao no miverina :?:

:-*:-*
16. xxx ( 13/09/2006 07:34)
izy no nanao ny tsy mety tamiko t@voalohany de taty aoriana aho leo sady koa nisy blem t@famille ny anay de naleoko tonga de nofohanana tsy hisian'ny gidragidra
17. ninih ( 13/09/2006 08:48)
ny tody tsy hita mivaly vety² fa misy kah! fa tena sarotra ny manazava azy aloha e! tsy fitiavana ihany fa @ lafiny retra koa. fa na izany aza ny fotoana hono ahafahana manadino refa ela ny ela; ny tiko antongavana raha misy ny alahelo de mihalefy io.
18. cutie ( 13/09/2006 13:19)
marina zany ry ninih a :lol:
19. Zina ( 14/09/2006 02:43)
ninih ie marina io raha nisy nanao ratsy ny iray tamin'izy ireo...
20. ninih ( 14/09/2006 09:56)
tsy aleo ve mba mahazo le valin' ny natao tsara e!aleo ihany :-* kah! mafinaritra be le fiainana avy eo anie e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5977