fitiavana vady

1. xxx ( 12/09/2006 09:45)
tsy haiko reto nareo ve manao ohatr'ahy za tena miraikim-po be @vadiko ka raha vao tsy hitako izy de mila marary mihintsy za nefa tsy de tokony hatao ve sa ahoana?SA ve izy tsy de tena tia ahy
novalian'i booboo ny 05/10/2006 11:07
2. ninih ( 12/09/2006 09:53)
misy izao fiteny izao hono e: " ze tiana no mahasaropiaro". tsy haiko aloha hasarotampiaro le mankarary e! fa njy ihany kosa no mahita izay fitiavany any kosa fa toa sarotra ho ahy aloha ny hilaza ny fitiavany na tsia kah!
3. landisoa ( 12/09/2006 12:03)
bjr nareo rehetra, tiako ho fantatra fotsiny vao haingana angaha ianareo no nivady? raha tsy zany manan-janaka ve nareo?
4. xxx ( 12/09/2006 12:08)
vaO 1ANS MBOLA TSY MISY ZAZA KA
5. landisoa ( 12/09/2006 12:26)
:D:D:D:D de normal tsara be zany ny fitiavanao ny vadinao, de misy fiovana kely ny priorite refa tonga ny papoose e!
6. Fiffi ( 12/09/2006 12:48)
xxx:
tsy haiko reto nareo ve manao ohatr'ahy za tena miraikim-po be @vadiko ka raha vao tsy hitako izy de mila marary mihintsy za nefa tsy de tokony hatao ve sa ahoana?SA ve izy tsy de tena tia ahy
tsy hitako zay hidiran'ny hoe marary mihintsy enao ry xxx raha tsy mahita ny vadinao ka hoe tsy tena tia anao ve izy no mahatonga an'izany ?


7. xxx ( 12/09/2006 12:59)
koa eh! raha tena ty ny ray nyray tsy tia koa sa ve mbola le sipa no antony
8. rasoul ( 12/09/2006 14:02)
hafa njay zay le!!
9. Fiffi ( 12/09/2006 17:04)
vady no resahana koh! fa tsy sipa .
10. mamzelkely ( 13/09/2006 06:43)
normal zany réaction anao zany ry xxx satri enao tena tia azy fa kosa aza atao diso tafahôtra le izy fa sô de tofoka njay izy aveo :D
11. ninih ( 13/09/2006 09:01)
tsara le fitiavana le izy mankarary izany toa hitako fa tafahoatra lotra de lasa manimba aloha e!!!!!!
12. soanja ( 13/09/2006 10:00)
Ny zavatra iray fantatro momba ny fanambadiana dia ny hoe rehefa manambady dia tokony ho TONY amin'izay izay zavatra tena manahirana rehetra satria ampy ifampizarana tsara ny fitiavana ary misy ny fifampitokisana. Aza manahy raha tsapanao fa tia anao izy.
13. ninih ( 14/09/2006 09:52)
izao ko ry reto a! nisy niteny tamiko hoe: ny tokatrano hono fandeferana. ka tokony ho jerena ihany io satria anie ny fihetsika retra mety hankarary e! @ izay mba otran' ny fitiavana garadrelina hono e, miketrona va mamy. ;-)
14. xxx ( 15/09/2006 08:13)
zanyve
15. Fiffi ( 17/09/2006 20:37)
hoy ity hira ity hoe :

Inona ary no mibaiko ô ry lahy
Moa tsy aina, sombinaina sy fanahy
Ny vady tiana, fifaliana
Akaiky fo, andanivoa, ka tsy ho lo

Moa ny vady tsy fiady fa ho tady
Fikambanana ho namana
Tsy fambosy na fanosy
Fa niray mandrakizay
Sy fitia doria doria
16. pisopiso ( 22/09/2006 18:37)
efaho avy ny zaza @ volana mars e!!
17. emiliennh ( 02/10/2006 11:48)
tsara izany ry xxx raha ny zaza ny hoavy fahasoavana lehibe izany @ mars
18. booboo ( 05/10/2006 11:07)
bonne grossesse ara e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1704