pazzapa endrika 1 itarafana ny tontolon'ny concours eto mada

1. mimich ( 11/09/2006 12:42)
Fifaninana ny pazzapa ary marina fa hoe kilalao sy hoe resaka varotra no atao raha ho an'ny RTA manokana , fa na izany aza dia araka ny hevitro dia efa azo itarafana sahady io fa toy izao avokoa ny endriky ny fifaninana misy eo amintsika( concours magistrature , enam, sns) , izay manambola no afaka , na izay tian'ny mpikarakara. io aza kilalao dia azo lazaina hoe kilalao dia efa misy manao toy izao , ka maika moa fa ny tontolo mandrafitra ny ho avy toy ireny????
ahoana ny hevitrareo
novalian'i rasoul ny 12/09/2006 13:25
2. jentilisa ( 11/09/2006 15:26)
Ka manana Ar4.000.000 isaky ny Sabotsy kosa ary ny mpanohana ny sasany sady ao anatin'ny ara-dalàna ka inona no mampalahelo anao amin'izany. Ny Concours indray moa dia teo aloha no tena misy io fananam-bola io e.
3. Fiffi ( 11/09/2006 16:16)
ohatran'ny télé hiany io kah! zay manambola be indrindra no afaka mandefa en direct ohatra ny match de gaga hiany ny sasany hoe fa maninona ?
Ohatra canal+ no manana ny droit rehetra handefasana ny lalao baolina rehetra ka izy ny nividy sy nahatakatra ny vidiny de lasa fananany le izy.
4. ravatorano ( 12/09/2006 05:18)
no comment !
:wink::wink::wink:
5. mimich ( 12/09/2006 06:18)
jentilisa:

Ka manana Ar4.000.000 isaky ny Sabotsy kosa ary ny mpanohana ny sasany sady ao anatin'ny ara-dalàna ka inona no mampalahelo anao amin'izany. Ny Concours indray moa dia teo aloha no tena misy io fananam-bola io e.



aza avadika ny resaka , tsy resaka mampalahelo sy tsy mampalahelo no resahina eto , fa fampitahana no natao.
6. rasoul ( 12/09/2006 13:25)
tsisy ambara:-$
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2403