Ohatry ny efa lasa kely mihitsy

1. rabaradaka ( 09/09/2006 08:18)
Niverina nanao tapody fohy aho satria hitako fa misy mpanao politika efa manomboka mihalasa adala sa hoe efa manomboka mitapy. Ohatra (tsy hanonona anarana aho), misy Jeneraly izay ka saika isan'andro hita amin'ny télé na miseho gazety. Dia izao omaly izy manakiana ny fitondrana anio izy momba ny fitondrana. Misy koa olon-dehibe iray efa tsy hainy intsony ny hasiany ny tenany fa sady milaza ho mpanohatra nefa miaramivory amin'ny mpomba ny fitondrana. Ho be aloha ny ho eny Anjanamasina raha izao e
novalian'i fijo ny 27/09/2006 22:21
2. Fiffi ( 09/09/2006 08:34)
ka raha ho lasa any Anjanamasina daholo zany ho be zany de ho aiza ny ho avin'ny Madagasikara ?
3. cristal ( 09/09/2006 10:23)
(l)(l)(l)Zay ange lay lazaiko foana hoe tsy mahay politika ny malagasy fa miresaka politika satria zay no hany mba hainy e!Tsy misy manana saina hampandroso fa hanakorotana;tsy misy manana hazon-damosina fa refa tsy mahazo tom-botsoa dia manohitra fa misy koa ny manohana be fahatany satria te hisolelaka,mirary soa hoazy reo e,ny Malagasy ihany no mba aza miady fa tsy misy tombony hoantsika izany e!(l)(l)(l)
4. Fiffi ( 09/09/2006 11:05)
fa mi-exagera kosa i rabaradaka eh! sa izy no hampianatra an'ireo mpanao politika hoe zao no hatao hoe politika ?
5. velosoa ( 09/09/2006 13:20)
Mety hanao politika be kosa angamba izy kou:roll:
6. rabaradaka ( 11/09/2006 09:46)
fiffi a, ekeko hoe mi exagéré rabaradaka fa mba araho ihany ange ny zava-misy @ gazety sy télé e, milaza azy ho gaigilahy politika daholo nefa ny lazain'ny vava hafa ny ataon'ny tànana hafa ny jeren'ny maso hafa. Rabaradaka kosa ange na dia manao politika aza tsy toy ny an'ny sasany e, maka milamina fotsiny dia mifidy rehefa tonga ny fifidianana de zay
7. Fiffi ( 11/09/2006 13:44)
maka milamina ahoana zany ?
8. rabaradaka ( 12/09/2006 05:50)
Zao le maka milamina r'ise a, alaina daholo ny vato rehetra fa izay tiana ihany no arotsaka. Dia rehefa tonga ny propagandy dia alaina daholo izay vola atolotry ny mpanao politika fa izay vato tiana ihany no arotsaka. D zao koa, mahaiza mandamina ihany ny toedraharaha. Zay re fa za ange aty ambanivohitra tsy mba afaka mandefa mailaka raha tsy indray mande isan-taona e
9. fijo ( 12/09/2006 22:23)
de aza mibaradaka ary fa efa miha betsaka izany nareo no hoany anjaramasina ko
10. rabaradaka ( 13/09/2006 08:12)
Ekeko ilay anjaramasina fa ho anao kosa ny anjanamasina, sa kay moa nareo tokoa tsy mpanao politika fa kely fofon'aina, azafady dadatoa a !
11. prime ( 13/09/2006 11:10)
:-D:-D
Hoy ingahy ravony izay fony ra8 vao nahazo fitondràna : "...tsy mpanao politika le zalahy io fa izaho miteny aminareo, omeko enim-bolana fotsiny izy dia vereziny daholo ireo gaigilahy @ politika ireo..." :wink:
12. fijo ( 15/09/2006 22:05)
io ny valiny ry baradaka.ka mahareta e
13. rabaradaka ( 19/09/2006 05:57)
Tena marina izany ry prime a, azonao ny isa 10 amin'ny 10. Fa mba tsy mahalala menatra koa ve ry Désirhomme (lahiniriko hono io)milaza ho kristiana sy mpiandry nefa dia ratsy loha. Menatra aho fa mba mpino koa.
14. prime ( 20/09/2006 13:39)
ratsy loha?... tsy mazava fa itaro kely ny adihevitra azfd...:lol:
15. fijo ( 21/09/2006 22:56)
ratsy loha ahoan atokoa ary.mba mitady ny azy koa anie izy e
16. prime ( 22/09/2006 12:30)
dia mba hazavao ilay hevitra raha mety...
17. mandrindra ( 22/09/2006 12:41)
mety nisy olana tamin'ny nanefena azy dia misy mibilaka, izay angamba ilay ratsy loha
18. fijo ( 22/09/2006 22:06)
le ratsy loha io aloha ,samy ratsy loha e.i ravalo ratsy loha amin'ny mpanohitra ny mpanohitra ratsy loha amin'ny ekipan dravalo.ka io mila fanazavana bebe kokoa
19. prime ( 26/09/2006 11:52)
:wink:
20. fijo ( 27/09/2006 22:21)
hevitra ry zareo alefa an,izay no ilaina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.241