Hitondra inona amin'ny toekaren'ny isan-tokatrany ny solika

1. rabaradaka ( 09/09/2006 08:12)
Na dia mbola tsy ofisialy aza ny vokatra dia efa manakaiky ny hivoahan'ny vokatry ny fanadihadiana. Fa mba hitondra inona amin'ny tokantrano Malagasy ny fisian'ny solika ao Bemolanga, Maintirano Antsalova ... ?
novalian'i prime ny 20/09/2006 09:07
2. Fiffi ( 09/09/2006 08:47)
rabaradaka:
Fa mba hitondra inona amin'ny tokantrano Malagasy ny fisian'ny solika ao Bemolanga, Maintirano Antsalova ... ?
arakin'ny fiheritreretanao azy ! hitondra inona ?


3. caprio ( 09/09/2006 15:15)
rabaradaka:tena efa mibaradaka marina anie nareo zany e,taloha tsy nisy vokany ny fitsandrahana tao bemolanga mimenomenona hianareo,zao ndray hetsehana ilay izy mbola mahita holazaina hiany hianareo,ary ny we hitondra inona eo @tokan-trano ndray dia tsy mbola fantantra fa raha ny hevitrao zany de avela @izao izy io sa enao koa te anaraka ny panao politika eny andramasina
4. cutie ( 09/09/2006 22:45)
:-D:-D:-D:-D:-D
hampitombo sy hahamora ny solika koa :-D:-D:-D
5. Fiffi ( 10/09/2006 06:31)
ka tsy hainy zany koh! :-D
6. cutie ( 10/09/2006 20:20)
:-D
7. toovs ( 11/09/2006 14:04)
raha ny fahazoako ny tenin'i namana rabaradaka izao dia manontany tena izy hoe ny vola ho azo amin'io fitrandrahana solika io ve mba ho tonga any amin'ny fanatsarana ny fiainambahoaka sy hampandroso ny économie n'ny malagasy. (na micro na macro). Sa de ho lasa any ampaosin'ny olona vitsivitsy ny taxe sy ny tombony amin'ireny. hiverina eto dago ve ny devise.......
mba manana ry mpanakiana isany esprit critique fa de aza faly manapepo ny namana baradaka fotsiny ah
8. rabaradaka ( 13/09/2006 08:28)
Zany toovs zany ny tena tary misaina mihitsy, zay voalazanao zay no tiako hambara, sa aza adino koa fa ady ange no atrehin'ireo firenena afrikana manana solika e !
9. prime ( 13/09/2006 15:28)
hummm...:-w:-w izany no tsy mampandroso ny firenena hatr@izay... ny vokatra sy ny fomba fiasa tsy fantatra akory d efa be fanahiana... rabefanahiana no atao anaranareo @ sisa...
Raha te hanao analizy ianareo d alefao lalindalina kokoa hoe raha izao ny production d zao no recettes d izao no impacts d izao no dispositions tokony hatao sy tandremana fa tsy be resaka tsy mitondra fampandrosoana...
10. rabaradaka ( 19/09/2006 06:16)
Ka zahay tsy mpanao analyse ry anona a, ny anay dia tsotra mahavoky sa tsy mahavoky, io analyse-nareo io ihany no nampidoboka an'i deba sa tianareo hidoboka koa Ravalo ? Ny an'ny vahoaka dia tsotra misy sakafo hohaniny, mitafy ny zanany, mianatra tsara ny ankizy, misy ny fanafody, sy ny sisa.
11. prime ( 20/09/2006 09:07)
Ra8 olona mpandinika ary manan-tsaina lavitra ny @ izany fa sao diso hevitra ianareo... ary izany no mbola iarahany miasa @ vahiny, ho mpanolon-tsaina azy, satria lany andro @ eo antendron'orona fa tsy mijery lavitra ny sasany amintsika Malagasy... mila analizy ny zavatra rehetra raha tiana handroso...

I Toovs izao efa mampisy fampidirana ny hoe hitondra inona @ macro na micro-économie ohatra izany... dia mila tohizana... fa tsy ny vary sy fitafiana sy fianarana sy fanafody akory ny fiainana... Lavitra mihitsy anie izy izany e...
rabaradaka:
Fa mba hitondra inona amin'ny tokantrano Malagasy ny fisian'ny solika ao Bemolanga, Maintirano Antsalova ... ?
tonga d négatif na d le fanontaniana aza...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1452