Radama II

1. soanja ( 08/09/2006 02:29)
Hono hoy aho ho an'izay tena naharaka tsara ny tantara na ny fahaizanareo azy. Tena maty tanteraka tokoa ve Radama faha2 nony nokendaina sa ve mody nikendana dia nisy nanampy azy nitsoaka nony nandeha nalevina izy? Tsy izany mantsy fa betsaka ny boky hitako nilaza fa mbola afaka nitsoaka izy taty afaran'ilay nanakendana azy dia nanangana fiaraha monina hafa mihitsy tany Avaratra. Dia mbola misy fasany sy ny taranany hono any hoy ny boky fa tsy ilay niheverana nandevenana azy.
Sao mba misy mahalala ny tena izy fa be ny mpanoratra ary mifangaro ny tantara. Misaotra.
novalian'i soanja ny 30/09/2006 00:11
2. naritsimba ( 08/09/2006 05:53)
soanja> tena maty izy ka, io dia tahaka ny tsaho rehetra ihany rehefa misy zava-dehibe mitranga eo @ firenena iray, ary misy ny miezaka mamorona indrindra ireo olona akaiky azy izay matahotra ny ho very fihinanana. Tsy maintsy misy kosa ireo izay taranany ka manangana tsangambato ho fahatsiarovana ho azy.
3. fijo ( 08/09/2006 19:45)
soanja,za koa namaky io boky hitanao io,ary tena nahaliana ahy,satria administratera civily no nanoratra azy,ary nanao fanadihadiana hatranyantoerana mihintsy izy.tsy tany avaratra izy no namorona fonenana fa tany andrefana.tao kandreo.
ny taranany dia mbola hita any,ary dia misy sary tokoa any.
ny zokiko koa nanao SN tany amin'io tanana io.kandreo,ary dia mbola malaza sy hain'ny vahoaka any hoe iza tokoa i "tsifolakasy"satria novany an'io ny anarany,nony tonga tany izy.ary rehefa notsidiana ny fasany,dia mbola hita tao"tamin'ny 1958"ny taolany sy ny zanany vavy"hetaheta"satria moa izy mianaka dia niara nilevola.
zavatra mahaliana tokoa io fanadihadiana io,ka tokony hanao fitiliana ADN ny fanjakana hanamarianana izany.sao tokony hovana ny tantara ofisialy.
tena nadresy lahatra ahy io fanadihadiana io,satria narahana profo be dia be.
ary ananako le boky.
4. soanja ( 08/09/2006 19:58)
Dia ahoan izany ry Naritsimba sy Fijo? Inona no tokony ataontsika na ny historianina hijery akaiky an'io resaka io? Toa hitako misy antony daholo ny fomba fanazavana an'ireo sady toa mitombina daholo. Samy nananako tokoa mankony boky.
Sa ve ho any isika sy Fijo de handray antanana akaiky an'io? Tsy sangisangy ity an!
5. naritsimba ( 11/09/2006 12:23)
soanja> ny filazana aloha fa misy taranany any dia sarotra lavina satria fomban'ny mpanjaka malagasy t@ izany ny maka vady @ fanjakana kely manodidina mba ahafahana mampanaiky azy ny fanjakana lehibe ka tsy misy ady. Raha atao ny fanadihadiana aloha dia azo atao fa dia miankina aminao io ry soanja? Afaka manampy anareo mantsy aho @ resaka tahirin-kevitra hafa mikasika an'i RADAMA II @ izay kely ananako.
6. soanja ( 12/09/2006 04:04)
Misaotra indrindra ry Naritsimba fa vonona ny hihaino anao izahay. Sa ve mila tonga nay mihitsy koaaho vao mahita an'ilay izy? tsy maninona fa mazoto be mihitsy aho kah. Misaotra mialoha.
7. little ( 29/09/2006 12:33)
MAhaliana izany ka! de mba tantero eto ny valin'ny fanadihadiana e!
8. fijo ( 29/09/2006 19:52)
ny ahy ny zavatra mahagaga ahy,dia tsy mbola nisy fitondrana malagasy ,mba liana momba an'ity mpanjaka ity.nefa dia izy no mpanjaka nisy aloka hindrindra teto madagasikara.io mpikaroka malagasy iray io ihany no mba hany nanao fikarohana momba azy.
marihina aloha fa ny tarananay dia maro,satria teto tana izy dia niteraka tamina sipa maro.ary ny vadiny tany kandreo koa dia ireo niterahany an'i "rainisoa "sy "hetaheta "ireo.
9. soanja ( 30/09/2006 00:11)
Aza miandry ny hafa ry Fijo fa ndao tairina ny efa masaka eto e. Zah vonona hanao "The Untold Truth of King Radama II" expedition.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0874