GABON / CAN 2008 : LES PANTHÈRES DU GABON PULVÉRISENT MADAGA

21. ronaldo09 ( 12/10/2006 08:01)
Ka ny olana ange dia eto amintsika toa idirana politika avokoa ny zavatra tokony tsy hidirana politika e! Voalohany saika mpilalao ao amin'ny faritanin'Antananarivo avokoa no milalao ao amin'ny Barea ;marina aloha fa avy any amin'ny faritany ry zalahy no miakatra milalao.Ny tiako ho tenenina dia aleeo mihitsy midina makany ambanivohitra ny Mpanazatra mijery ifotony any fa be ny mahay baolina any .Ary asa na namaky ny tantaram-piainan'ireny Foot-balleurs brezilianina ireny ianareo fa tambanivohitra vokoa ny ankabeazany .
Manaraka izay fa maninona kay no tsy misy mpilalao gasy mihitsy milalao amireny ekipa sangany aty Eropa ireny ? Zany hoe oviana vao hisy gasy hilalao ao amin'ny Fc Barcelone na Mantchester na Real Madrid ? Ny antony dia mbola resaka politika ihany tadidiko tsara fa mbola tany Dago aho dia naheno fa halain'ny Arsenal i Jean Jaques ary i Menakely halain'ny Lens nefa nosomparan'ny tao amin'ny federasiona ,dia mbola resaka politika ihany io.
Ankoatry izay dia le resaka mpilalao ,aty ivelany ange ka volabe no omena an'ireny ekipa voaantso ao amin'ny ekipam-pirenena ireny e!Ny antsika anefa dia vary iray vilia sy rano mangatsiaka no omena ny mpilalao dia ampy,aiza isika no tsy ho resy lava koa ny motivation tsy misy ko!
Tsy ho lazaina intsony moa ny ady eo amina mpilalao sy ny federasina toy ny t@ andron'i Rinah Rasolosoa izay tsy nekena hilalao ao amin'ny ekipam-pirenena mihitsy.
Farany dia ny mpanazatra,io anisan'ny lesoka lehibe iray :ny mpanazatra gasy dia tsy mahay fa aleo avantana ny resaka (ankoatra an'i tompokolahy Ravelomanantsoa Claude)nefa tsy hitako ny antony iantsoana mpanazatra gasy ,fa inona ny olana ra antsoina hanazatra ny Barea ry Aimee Jaquet ,Alex Ferguson,ry Henri Michel sy Bruno Metsu e !!! Ny vola ve no tsy misy?Raha tiana handroso ny baolina gasy dia ireo antsoina ary na hoatrinona ny karama tadiaviny omeo fa izay no tena fandrosoana fa tsy fetsifetsy mitsitsy vola eo ,fa hoatrinona moa no vola lanina Minisitra iray isam-bolana ankoatry ny karamany?
Izay no hevitra avy aty amiko fa dia samia mamisavisa
22. Razouzou ( 12/10/2006 18:20)
hoy i ronaldo09: mbola tany Dago aho dia naheno fa halain'ny Arsenal i Jean Jaques ary i Menakely halain'ny Lens :-D:-D:-D .Tsika mihintsy lesy no tena tsy mahay.Marina fa eo ny resaka politika fa eo koa ny resaka teknika .Mba mijery ihany aho am reny championat aty ivelany ,tena tsisy gasy milalao na iray aza.Eo koa ny resaka entraineur izay tena tsy ampy teknika koa ka de ho hita eo ny tohiny .Jereo ny namelezany cote d'ivoire any gabon 5-0 ary ra isika izany no mandona any cote d'ivoire mety tena record ^^
23. ronaldo09 ( 13/10/2006 09:31)
Fa maninona moa raha tonga dia miala an- daharana sao dia manala-baraka eo e!
24. Achia ( 19/10/2006 08:28)
ny tena marina koa de isika mitsy koa no tsy ampy hery e ! tsy ampy fanabeazana donc le fototra mintsy no tsy ampy e !
25. lesabs ( 08/12/2006 00:14)
ny problema zatra milalao baolina "sacé" sy voasary makirana ry zalah dia sahirana rehefa manoloana baolina "cuir" eh! mampihome sady mampalaelo :lol::(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3504