findramam bola any ivelany.

1. fijo ( 01/09/2006 22:55)
mino aho fa isika liana rehetra momba ity resaka politika ity,dia nahita le fihaonana nataon'ny mpikambana "manampahaizana gasy" raha tsy diso ny tadidiko ,fa hafakomaly no nahitako le izy.
ny tena resakatao,dia ny fanamelohana ny findramam bolan'ny gasy aty ampita sy ny fanaratsiana ny mpampindram bola ny firenena.
tsoriko aloha fa ny tenako dia tsy mahay io resaka ekonomika io mihintsy.fa mba resaka sy fampitahana ny ahy.
raha enoina fotsiny izao le resaka,dia tena mamporisika sy misarika be.ary hisy tsara noho izany hoe tsy manana trosa izany ve mo.
saingy ilay fanohanana ilay hevitra no tsy mandresy lahatra ahy.
voalaza tao fa:
-tsy misy hilana io findramam bola io.
-niteny koa ry zalahy fa efa 4 miliara dolara no nindramina izao.

dia hoy aho hoe.amin'izao ve tena hafaka mahita vola avy aiza isika?
dia mba tsaroako koa ,fa tamin'ny herintaona,dia 1000 miliara € ny trosan'ny frantsay."ekeko fa tsy dia tsara ity maka ohatra ny frantsay lava ity"
ny US koa dia mbola mihoatra lavitra noho io an'nyfrantsay io ny trosany.
fa ny tena tiako lazaina dia ty.sao dia tsy ampy kosa ary io 4 miliara nindramina io?satria kely io ka tsy nahavitana zavatra loatra.maninona isika raha mba sahy manao toa ny israel ;rehefa mindrana avydia 20miliara.ohatra.satria arakaraky ny hindramina ,no ahafahan amanao zavatra betsaka,dia hampandroso haingana,ary hampisy fahatokisana ny mpamatsivola."matoa sahy mihindrana dia olona vonona izay,ka ny mpamatsyvola mila olona sahy sy vonona."

asa fa mba havitra ny ahy iny.
novalian'i fijo ny 27/09/2006 22:24
2. kitjo ( 02/09/2006 12:44)
mitovy hevitra isika sy fijo amin'inyfa saingy za ts nanaraka an'iny resaka iny tsara fa tsy dia mazava ny t@ gazety!

ny marina manko dia betsaka ny zavatra irina atao ao Dago kanefa tsy misy ny systeme ahafahana mi supporter ilay plan satria tsisy sosy

raha tsy hiresaka afatsy kolikoly ohatra,
maro ny expert no antsoina tonga any Dago, karamaina ....euros/jour. Tsara izany kanefa irey olona ireny tsy mahalala akory izay tena zava-misy ao Dago - olona avy aty @ tany mandroso be sy tena tsy misy kolikoly mihitsy ka taoko fa tsy dia fantany pratiquement tsara akory aza ilay izy -
Ny tiako iaviana dia ny hoe manona raha manisy systeme ahafahana manatanteraka? ohatra amzany ny "Q-number", tsy haiko milaza azy teny gasy fa ilay tableau electronique mampiseho laharana iny.
Mazava ho azy fa na ny olona handray anao aza tsy fantatrao mialoha hoe iza fa araka2 izay numero miseho ao.
Faly aloha za tany Dago nahita fa ny Air Mad dia vao nanomboka nahita an'io ka mety hanome hevitra ny sasany

Amiko dia systeme toy izany, no tokony ampiasaina, io anefa ilay tsy fahafoizandrFanja vola no tsy ahavitana an'iznay
Ny vola ve no tsy misy marina sa ho betsak ano ho very tombotsoa?

Hiverenana ilay resaka trosa, araka io voalaza io hoe samy manana dol na firenena milaza matanjaka be aza.
Cercle vicieux anefa le izy fa raha tsy vola hoenti-mihetsika tsy afaka hanao inona mihitsy e,
araka2 ny investissement ataonao ihany no hamerenana azy koa, raha tsy izany dia lasa filamatra fts ilay hoe "manan-karena i M/kara"
rehefa tsisy vla hoetnina mikarakara azy dia alain olonatsikely2 ao fts ze manam-bola zany ko!
3. tywa68 ( 03/09/2006 07:56)
fijo > Hindrana ngôda nefa tsy misy takalony azo aroso ? iza koa no hanome anao, ohatrany any @ banque ihany io = "Ny manana ihany no ampindramina".

Olona tena patriotes be (sy efa feno ny paosiny)no tsara manampy tsy karamaina an'i Mcar fa tsy izay experts rehetra izao raisina sns ... dia avy maka ny harena koa avy eo !

Ny hitako aloha dia efa mba misy fivoarana kely kosa na dia zany aza ê fa mahari-pery ny gasy ê :lol:
4. kitjo ( 03/09/2006 17:25)
raha ny fiovana kosa aloha no misy tsy mahita d efa mitovy @ ilay raikalahy taloha ny masony :roll:

"mahari-pery ny gasy" tsara ilay izy kanefa mandreraka ny mihaino an' io inddray!
manjary lasa fomba ifteny ilay izy ka mamolavola ny fomba fisaianana.

Inddray ny Gasy na tokony hahavita zavatra tsara aza dia tsy miezaka fa satria hoe "zatra miafy/mahari-pery/ mafy toto/ mahay mionona..."

lasa slogan ny farany dia tsy te -hivoatra tsony fa mi se contenter foana @zava-misy....na iznay na tsy izany tsara anefa hoy aho ilay izy @lafiny iray nohon'ny zava-misy!
5. Herimiafina ( 03/09/2006 17:45)
Marina mihintsy ny zavatra voalazan'i fijo etsy ambony.
Ny hevitro:
-Tsy ny findramambola amin'ny mpamatsy izany no ratsy fa ny "relation de dependance" misy na raha adika teny gasy dia ny fiankinana tanteraka amin'ny findramana.
-Manaraka dia ny findramana vola dia arahina fempetra na "conditionnalités" izay apetraky ny mpamatsy na tiana na tsy tiana. tsy ny conditionnalité no ratsy fa ny "conditionalité" be loatra izay mahatonga tsy fahafahan'ny mpindrana handrindra ny fandaniana araka izay tiany intsony.

Milaza foana ny mpamatsy vola fa tsy miditra amin'ny politika anatin'ny tany vatsiany izy kanefa raha tena atao ny analizy ekonomika sy politika dia toa mpanantanteraka ihany fotsiny sisa ireo tany mpindrana fa ry zareo no manao ny lalànan'ny fandaniambola(FMI>Balance de paiement, sns; WB>CAS, FASR, sns).

-Ka na hindrana 20miliara aza isika kanefa ny conditionnalité mipetraka izay fototra voalohany io findramana ataonao io dia mifanohitra tanteraka amin'ny zavatra heritreretinao handaniana vola; dia hipetraka foana ny olana amin'ny trosa tsy voaloha, sns.

-Ny zavatra tsara trandrahana dia ny resaka Capacité d'autofinancement na ny fahaleovantena ara-bolan'ny fanjakana sy ireo acteurs ekonomika (entreprise, famille, Etat, sns) izay mboloa tena mabany dia ambany tokoa any Madagasikara amin'ny ankapobeny.

Taratra iray amin'ny fomba fianana fotsiny ohatra ny entreprise individuelle iray mahazo marché pobilika iray ary nahazo benefice tsaratsara tonga dai laniana amin'ny rendrarendra izay tsy mampidi-bola toy ny fiara tsara tarehy nefa migoka solika, ny haingitraingitra, hany ka rehefa misy offre manaraka dai lasa voatery hindrambola handoavana ny caution de soumission satria lany ritra ny saosy azo fa tsy naodina intsony.

Torak'izany koa ny fanjakana, raha mbola betsaka ny projet sy asa izay tsy ahitana performance sociale na fiantraikany mazava ka hahafahany mamerimbola dia tavela ao anatin'io crise de l'endettement natombok"i Ratsiraka et Cie tamin'ny resaka investissement à outrance, io isika. :oops::-w
6. papala ( 04/09/2006 11:20)
Za koa aloha dia tena manohana ny hevitry fijo e! Ohatra ny fianankaviana iray raha te hanangana asa fivelomana dia tsara raha misambotra vola ! Dia tsy maintsy miasa mafy tokoa aloha e! Ary tena ampiasaina ilay vola !
7. prime ( 05/09/2006 11:00)
Tena mitombina ary mitovy hevitra tanteraka @ fijo sy HM tanteraka ny tenanay...
Fa ny zava-misy no manalasala ihany, satria ny fahitàko azy indray dia, ny fitondràm-panjakàna, rehefa tsy mahafehy koa ny zavatra ilainy dia mazava ho azy fa ny mpampindrana no mametraka ny fepetra feno... Ny zavatra ilain\'ny mpampindrana dia miainga foana matetika @ fotoana hamerenana ny vola sy ny zana-bola ara-potoana isankarazany tsy maintsy aloa ao anatin\'ny fepetra sy ny fotoana mety indrindra, ka mifototra indrindra2 @ fidiram-bolan\'ny fanjakàna, na @ alalan\'ny hetra, na @ alalan\'ny harena tovozina vokatry ny famokarana (investissements publics), na @ fampanjana-bola sy fampindramam-bola ho an\'ny mpamokatra...
8. ferrari ( 05/09/2006 16:09)
Ataoko en frantsay donc si j'ai bien lu le sujet c est celui de l'emprunt pour pouvoir financer un projet avecl'aide des acteurs économiques.
Est ce que l'emprunt concerne les petits créateurs d'entreprises ??

Si c'est bien cela, j'ai vu une emission concernant une banque en Inde qui prête à des petits createurs d'entreprises familiales mais qui imposent des conditions intéressantes pour ma part tels qu'une assistance juridique , financière , économique en fait un accompagnement de projet durant tout le temps du pret. Cela ressemble à un genre de tontine et beaucooup de familles ont réussi à améliorer leurs quotidiens. Il est normal qu il y ait des conditions sinon l'argent risque d'être mal investi .
9. fijo ( 05/09/2006 21:52)
ferrari an,non,emprunt de l'Etat no resahina.fa tsy emprunt perso.

tsy voazavako tsara ny hevitro fa io namafisin'i herimiafina io.efa nolazaiko ihany moa tatsy ambadika tsatsy,io isika tsy sahy miresaka sy mametraka ny tena ilaina io.

izao efa mazava fa misy ny solika any.mino aho,fa raha manao fihaonana amin'nympamatsy vola,dia miova ny fomba fijeriny ny fanjakana,ka asa izay hitranga.
10. prime ( 07/09/2006 13:03)
Fa raha ny hevitro ry fijo aloha dia mbola rediredy ny fieritreretana ho an'ny tanintsika ao anatin'ny 10 taona eo ho eo hoe tsy hindram-bola izany a... na ny DCPE, na ny DSRP, izao moa MAP, fa fampihenana fahantràna ao anatin'ny 15 taona anie no votoatin'ny programa ao e... fa tsy afaka hampihena an'io isika raha tsy manana fomba fijery farafaharatsiny toa io lazain'i HM io...
11. fijo ( 07/09/2006 22:04)
le hoe tsy ihindram bola aloha,na folo taona nan firy tsy hisy mihintsy e.mila vola faona isika ary tsy hoampy foana io.fa le fahaizana miady eo ampindramana sy ny fahaizana mampiasa azy no mila atao tsara.
12. prime ( 08/09/2006 11:25)
Ka anisan'ny fahaiza-mitantana ny fahaizana mampiasa vola sy ny findramam-bola na dia efa manana capacité d'autofinancement aza... izay no tena tiako lazaina...
13. fijo ( 08/09/2006 21:16)
izay indrindra.nefa eo dia miankina amin'ny finiavan'izay mitondra eo.io no tena olana
14. Fiffi ( 09/09/2006 08:44)
olana tena goavana be !
15. prime ( 13/09/2006 10:43)
Dia ndao handinika tsara vao mifidy izay mpitondra ho eo ary e...
16. fijo ( 15/09/2006 22:10)
izay koa letsy mbola tena olana grave be koa an.
mbola eo ny resaka foko.
finoana tsimaintsy arovana.
tombotsoa madinika andrasana.sns e
17. prime ( 19/09/2006 15:35)
Fa tena ilaina ny findramam-bola... na d ny tany manan-karena aza mbola mindram-bola fa tsy toy ny antsika ny rafitra syny fepetra ilaina...
18. fijo ( 21/09/2006 22:54)
ka raha mipoka io resaka solika io letsy hiova ny resaka an.hafaka ametraka ny ilaintsika koa isika amin'izay
19. prime ( 22/09/2006 12:12)
Marina izany fa izany hoe mandrapaha-tsy voahefa ny trosa d mbola mila fotoana ihany... ny fialàna tsikelikely tsy ho eo ambany vahoan'ny mpamatsy vola...
20. fijo ( 22/09/2006 22:11)
tsika aloha tsy hoafaka eo amindry zalahy e.izay dia aza heverina,fa ny tanjona,dia ny ahafahana miady hevitra sy miezaka mametraka koa ny ilaina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1149