FALIFALY

21. diamondra27 ( 03/09/2006 13:39)
fiffi: humm, poetic lover 'ty marina =D=D=D=D^:^^:^

:-*:-*

toa mahafaly tokoa izy izany marina
22. hery ( 03/09/2006 13:47)
Izaho koa faly,


Izaho koa faly, raha misy manome,
Fa mahita anareo, zavatra ho anao.
Koa inona no hataoko, kingà miteny hoe.
Fisaorana no atao e, misaotra tompoko ô.

23. Fiffi ( 03/09/2006 14:28)

Na ny Sefo aza faly
Ka nahoana no tsy hamaly ?
Tsapa zao fa izay tao am-po
Dia navoaka avokoa

Ianao koa ry Rafotsy
Raiso ny taratasy fotsy
Dia manomboha ary manoratra
Ny hiagam-panahy hatolotra

Io ry Jentilisa
Dia mivoaka ho azy
Tsy misy voatanisa
Hoe zao no hanaovana azy

Io Simplex fa manao bravo
Fa tena mahafinaritra o ?
Dia handramo koa ange e !
Ny fanoratana hataovy style be !

I DS koa tena faly
Na dia teny kely fotsiny ary
No nolazainy teo
Mba hitanareo ?

I Vale koa mankasitraka
Ireto voninkazo mahafaly
Hitako izy miramiratra
Sady feno tsiky am-panahy
24. lanto ( 03/09/2006 14:47)
Inona ary izany, 'zay mahay mamaly
Aretina mifindra kanefa tsy maharary
Efa miparitaka amin'ny virtoaly
Maromaro izao no tratra hatram'omaly

Aretina hafa kely fa tsy mba toy ny tazo
Nafafin'i Fiffi nampiany voninkazo
Izay tratrany avy teo tsy mba nalazolazo
Bizz, tsikitsiky ary poezia no azo

Inona ry izany ? aleo izaho no hamaly :
Aretina mifindra ilay hoe "Falifaly"

:)


25. Fiffi ( 03/09/2006 15:32)

Hoy Lanto hoe haretina mifindra Ilay "Falifaly"
Soa hiany fa haretina voajanahary
Tsy misy hatahorana
Ka samia mamorona

Tena mahafaly tokoa anie
Ny fahitana ny haingam-po
Ka andao daholo re
Mba hamoaka izay ao am-po

Haretina mifindra hono namparitak'i Fiffi
Ity "falifaly" ho antsika rehetra
Fa izaho aloha dia tena mankafia
Satria haretina tsy misy fetra.
26. pissoa ( 03/09/2006 20:51)
lanto:
Inona ry izany ? aleo izaho no hamaly :
Aretina mifindra ilay hoe "Falifaly"

Lanto kosa wa nigafy :( (Hihihi)
Zah mba saika hamaly!
Na ny marina hanamafy
Fa mifindra ilay hoe "Faly" :)

Tsy nijanona ao Paris
Fa tonga aty Afrika!
Asa ny any Etazonia
Sy 'reo lasa Aziatika ... :roll:

:-D:-D:-D
27. tafita ( 03/09/2006 20:55)
t'isy fisaorana reto ny amin'iny
ary koa ts'isy tsiny
fa isika rehetra dia samy mpinamana
toy ny mifandray tanana
ka dia Andriamanitra anie homba sy hitahy
noho ny asan'ny Fanahy

Dia hoy aho manao veloma vetivety
fa sao de tsy mety
ny manoratra lava sy miresaka ela
ato anaty serasera
Bisou dahol

28. Fiffi ( 03/09/2006 21:36)
hummmm !! manja kosa an! :):-*:-* ho tohizako rahampitso fa aleo aloha mandinika ny nolazainareo .
29. Fiffi ( 04/09/2006 09:55)
tafita: fa ahoana kosa no tsy hety ny firesahana ela ato anaty serasera ?
hataovy tsy hilana ny miera
rehefa tianao fotsiny ny hiresaka
de tadidio fa
30. lapino ( 04/09/2006 10:08)

[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/0001.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/0002.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/0006.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/0011.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/X_RAIN%7E1.GIF[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/etoile5.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/etoiles-02.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/fleur18.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/fleur_couleur.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/flower.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/minirose.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/miniarcenciel.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/nnngifs-etoile.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Nature/rose8.gif[/IMG]
31. Fiffi ( 04/09/2006 10:21)
hummm ! hita koh zany fa tena faly i lapino an! :)
32. lapino ( 04/09/2006 10:27)
33. lanto ( 04/09/2006 14:37)
=D=D pissoa
34. Fiffi ( 04/09/2006 14:44)
Lanto: hummm tena misy mahay ato an! :)
35. mamzelkely ( 04/09/2006 15:26)
za ko falifaly
fa zat smahay poem
de eo zao no tena blem
nefa za falifaly :roll::-D:-D

mahay poem be dôly ny akizy de mampatsiaro ana an'i Akamatiana :cry: :-*:-*
36. Fiffi ( 04/09/2006 16:40)
nga akia i Akamatiana nanao poème koa ?
Efa tena tsara ange akia io nataondry io eh! :):-*:-*
37. Fiffi ( 04/09/2006 18:10)
Inona indray re no ho lazaiko
Hitako ianao ary tena aiko
Fa tena falifaly avokoa
Raha namoaka izay tao am-po

Sa tsy izany ry Tafita ?
Fa nankaiza ianao no tsy hita ?
Sa ve dia nandalo fotsiny ?
Nametraka hafatra an-tokony !

Na izany aza aloha tena tsara
Ny nataonao hizara
Ny hafalianao hita maso
Hitoetra fa tsy hoe handraso
38. ninih ( 05/09/2006 12:52)
nahavariana ny nijery
ireto rafitry ny teny
nampiasain' ny mpiteny
sy namana ombieny

ihihihihi!!!!! na de kely aza, mino za fa nirima teo ihany e!
39. Fiffi ( 05/09/2006 14:41)
tena tsara ry Ninih
ireo nolazainao
ka tohizo hatrany aky
de lazao zay ao am-ponao .:)
40. ninih ( 06/09/2006 13:23)
toa mamporisika ahy hiteny
sy hamoka ny ato am-poko
ny fisaoranao Fiffi
ary koa nanala ny toloko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.168