basket: manasaka famaranana gresy USA

1. jentilisa ( 01/09/2006 08:14)
Noho iska aty ampiasana daholo angamba amin'ny fotoana andehanan'ny baolina basikety dia lasa tsy maharaka na inona na inoa mihitsy isika.
Andeha aho mba hitantara manakaiky ny mivantana ity lalao ity e!

Amin'izao fotoana izao aloha dia manjaka sy haingana be ny amerikana ka efa mandresy 33 - 23 ao anatin'ny tapa-potoana voalohany!
novalian'i Fomena ny 07/09/2006 14:44
2. jentilisa ( 01/09/2006 08:18)
Mioitra mafy ny grika ary dia mbola 33 sy 30 indray. Ny amerikana no mandresy aloha
3. jentilisa ( 01/09/2006 08:21)
Efa hita ho feno ny fijerem-baolina amin'izao fotoana izao 36 noho ny 33 ny lalao amin'izao fotoana izao
4. jentilisa ( 01/09/2006 08:23)
Somary mivaha ve ny fiarovana amerikana? efa 38 sy 35 sahady indray ny lalao. tena miady indray izy izany an!
5. jentilisa ( 01/09/2006 08:26)
Voan'ny grika 43 sy 38 sahady indray ny amerikana amin'izao fotoana izao
6. jentilisa ( 01/09/2006 08:32)
Efa ho tapitra sahady ny ampahaefa-potoana voalohany ka mitarika tampoka teo ny grika! mampangitakitaka tokoa ny fanafihana mifamalivaly. Hita ho somary natoritory ny amerikana teo matoa elaela tsy nahatafiditra baolina.

45 noho 41 izany no niafaran'ity fahefafa-potoana voalohany ity. Efa be dia be sahadyny baolina tafiditra raha oharina amin'ny lalao hafa mba hitako. Izaho ihany koa moa tsy dia nahita firy!
7. hery ( 01/09/2006 08:38)
Zah maka grika..
Misaotra an'i Jentilisa fa manja.
Iza no tena mpamono baolina be indrindra ao kle.
8. jentilisa ( 01/09/2006 08:49)
le teleko tsisy feo nefa aho tsy maharaka mijery maharitra amin'ny ecran! tahaka ny toa Lazaros no toa tena hitako matetika.

Gre 52 ary Usa 46
9. jentilisa ( 01/09/2006 08:52)
Tsy nahatafiditra dunk fa mofo ny amerikana =)) Gre 56 Usa 56. 7:12 avy amin'ny farany
10. jentilisa ( 01/09/2006 08:58)
Gre 67 Usa 53 . nanapaka fotoana kely ny mpanazatra. mamely mafy amin'ny isa telo ny grika amin'izao fotna izao. Dimy miniotra alohan'ny famaranana ny fizaram-potoana faharoa isika izao
11. jentilisa ( 01/09/2006 09:01)
Mba nisy mofo teo ampatsakana ihany koa ny grika. Miala tsiny fa milona be ny connex aty.

Gre 71 ary Usa 61. 3 mn sisa ny 2°
12. jentilisa ( 01/09/2006 09:10)
diso ny mpitantara! hay efa ny 3° quart-temps sahady no tapitra...izay no mahavoa ilay sady mias no mangalatra mijery!

gre 77 ary Usa 67, efamiditra ny fizaram-potoana farany sahadyindray isika izao..
13. jentilisa ( 01/09/2006 09:19)
Efa 5 minitra sahady sisa ny lalao... gre 88 ary USa 79. Ilay laharana 7 amin'ny grika no tena madity hitako eto...
14. jentilisa ( 01/09/2006 09:22)
Mihamanatona tsimoramora ny amerikana amin'izao faramparanay izao 88 sy 81 ny lalao
15. jentilisa ( 01/09/2006 09:24)
Lasa misaritaka ny grika, 89 sy 83 telo mitra sisa
16. jentilisa ( 01/09/2006 09:26)
91 sy 86, filan-kevitra vetivety (temps mort)
17. dolby ( 01/09/2006 09:31)
Ilay USA zany toa efa tsy izy ntsony koa. Aiza ny dream -team taloha !!!
18. Ralay ( 01/09/2006 09:34)
Vita matavy ny USA rah azao no fandehany
19. jentilisa ( 01/09/2006 09:36)
Miady dia miady ny lalao 15 segondra sisa, gre 99 ary Usa 95. mitaintaina ny rehetra, ahoana no ho fandehany? lancez franc ho 'ny grika 100 sy 95 ary dia 101 sy 95.

RESY NY AMERIKANA RY ZAREO ! RAVA NY LALAO!

101 sy 95 no niafaran'ny lalao ry zareo. Dia tapitra hatreo ny fitantarana mivantana!

hehe
20. sangojy ( 01/09/2006 09:47)
misaotra less jentilisa nampahatsiaro, nahita ny titre lah zah zay vao kopy tokoa,hitako daholo ny quarter roa farany: tsy mahagaga fa tsy jeux americain loatra no nataon ndry zalahy! Niady ihany ny 4thQ fa tsy ao loatra le US eh!
Miarahaba ny grika kalouny de am match iray hafa indray hahitana ny adv n'ny grika!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2289