Mangataka fiaraha-miasa hitory ny Filazantsara

1. rabeflorian ( 31/08/2006 10:27)
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'I Jesoa Kristy.
Manana asa lehibe ho fitoriana ny filazantsara izahay ary hatomboka amin'ny fitoriana ho an'ny mpiara mivavaka sy ny iray tanàna izany ary manomboka amin'ity volana septambra ity no haovanaizany raha sitrapon'Andriamanitra. Maniry ny mba hanao zavatra maro izahay amin'izany: fitsihana isan-tokantrano, famelabelaran-kevitra, gala évangélique fanomezana baiboly , fandefasana sarimihetsika ary zavatra hafa koa izay mety hampandroso ny finoana. Tsy dia manana toe-bola matanjaka izahay koa raha misy tehandray anjara amin'ny fanohanana ianareo aty ampitandranomasina na ny eto antoerana dia mandray izay foinareo antanadroa izahay: AFF FJKM Faravohitra Avaratra Antananarivo Avaradrano.Misaotra mialoha indrindra amin'ny fitondrana amim-bavaka izany asa izany.
novalian'i prime ny 07/09/2006 11:15
2. Fiffi ( 31/08/2006 11:02)
Dia haraham-bavaka hatrany mba ho tojo soamantsara ny tanjona na ireo zavatra tianareo sy nandrasan'ny Tompo anareo hatao ireo .
3. prime ( 31/08/2006 11:19)
rabe> Hono ho'aho, fanontaniana raha tsy mahadiso, Faritra Faravohitra, Antananarivo atsinanana sa Antananarivo 70 trano moa no manomana an'ilay hoe Antananarivo ho an'i Kristy, sa samy hafa tsy misy ifandraisany aminareo? tsy hoe tsy misy ifandraisany fa samy asan'ny Tompo ihany fa hoe tsy miara-miasa aminareo? Sa fivondronana fiangonana vitsy2 ilay izy, dia hafa ve io ataonareo io?
Mahereza! Ny Tompo anie homba anareo...
4. kitjo ( 31/08/2006 17:26)
Mahafinaritra ilay hetsika ary mankahery anareo.
Mitondra ambavaka fa hita eo ny azo atao
5. naritsimba ( 01/09/2006 10:20)
rabeflorian> asa raha nahatadidy ianao fa izahay efa nanao asa fitoriana ara-pilazantsara tao @ fiangonana FJKM Faravohitra Avaratra io.
Vako-drazana sy hira gasy ara-pilazantsara no nataonay t@ izany.
prime> Faravohitra any akaikin'ny Sabotsy Namehana io fa tsy Faravohitra araka ny eritreretin'ise akory.

Misy ilay hetsika hoe Madagasikara ho an'i Kristy ary Kristy ho an'ny Madagasikara. Roa taona no faharetan'io hetsika io ary efa manomboka, izahay dia tafiditra ao anatin'ny fanaovana an'io hetsika io.

Mampahery antsika rehetra e!
6. prime ( 01/09/2006 10:48)
Nari> misaotra fa tena mivilana tanteraka mihitsy ny eritreretin'ny tenanay izany...
Tsy efa hiditra @ Antananarivo ho an'i Kristy ve izao ireo fiangonana sy fikambanana ireo?:lol:
7. naritsimba ( 01/09/2006 12:39)
Efa novaina an'io hoe Madagasikara ho an'i Kristy ary Kristy ho an'ny Madagasikara ila hetsika izay natao ho an'Antananarivo teo aloha ry prime.
8. fens ( 03/09/2006 19:17)
De manohana anareo ambavaka ko izahay e!
9. prime ( 04/09/2006 11:20)
Hay ve e... nefa zà vao nahaino t@ herinandro teo hoe vao hivory ary ny komity @ ilay hoe Antananarivo ho an'i Kristy... (tsy haiko na fanombohana na fanitarana asa...)
10. rabeflorian ( 05/09/2006 13:20)
Misaotra anareo mampahery sy mivonona hitondra amimbavaka fa tena zava-dehibe tokoa izany ary fantatra fa ny vavaka manova zavatra koa inoana fa ho be ny vokatra ho azo ho an'ny tompo.
Ny hetsika Antananarivo ho an'I Kristy dia fiaraha miasa nataon'ny fiangonana avy @ antokom-pinoana maro teto Antananarivo fa ilay hoe Jeso Kristy ho an'i Madagasikara kosa dia fitoriana hiarahan'ny FJKM manerana an'i Mscar atomboka amin'ity taona ity ary maharitra 3 taona.
Vao haingana aho no nivavaka tao Faravohitra avaratra ka mety tamin'ny fotoana tsy mbola naha teo ahy ny nanaovanareo izany fitoriana izany; ahoana raha averina indray eh.
11. naritsimba ( 07/09/2006 10:17)
rabeflorian> ny famerenana tsy olana fa izahay aloha hatreto dia mbola manomana ny fetin'ny fiangonanay izay fanao isan-taona.
tsy maintsy manana zava-baovao izahay atao @ io ka eo am-panomanana azy ny sept-oct.
12. prime ( 07/09/2006 11:15)
rabeflorian> tena marina ny voalazanao, fa noheveriko ilay ataon'ny antokom-pinoana... fa mikasika an'ilay M/kara ho an'i Kristy ataon'ny FJKM dia izao aho vao manomboka miditra tsikelikely ka mino aho fa rehefa hanomboka io @ 2007 raha tsy diso aho dia hihaona ihany isika... fa aoka samy hifampitondra amim-bavaka tokoa satria asa lehibe no miandry @ izany...
naritsimba> dia mazotoa e... mba ilazao vao2 ihany fa aza adino ny namana eto... misaotra indrindra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9322