Teraka Alakaosy

1. tafita ( 31/08/2006 10:22)
Fiteny henoko matetika raha te-hilaza ny olona ratsy vintana io fiteny hoe Teraka Alakaosy io
Inona no antony sy dikany fa tena tsy mazava amiko e
Raha mba misy afaka manome hevitra kely momba io fiteny io.
Merci mialoha
novalian'i booboo ny 07/09/2006 14:24
2. Fiffi ( 31/08/2006 10:30)
Teraka i Rakotofiringa dia natao hoe Firinga satria zanaka tsy mpino ka nolazaina ho TERAKA ALAKAOSY izy. Izany hoe " MANANA VITAN-DRATSY " hono.

Nefa raha tena jerena ny zavatra marina de tsy nisy vitan-dratsy zany mihintsy ka jereo ary izy zao ? Lasa mpihira malaza !!! Tsara vintana ?
3. booboo ( 31/08/2006 10:37)
Mahery vintana ny terak'Alakaosy, hono, na vintan- tsara io na vintan-dratsy.
4. Rafotsy ( 31/08/2006 12:38)
Zah lazain'ny dadabeko hoe teraka Alakaosy koa fa tsy fantako marina izay dikany : ny vintako dia tsy ratsy no tsy tsara fa sahala ny rehetra !
5. soasoafy ( 31/08/2006 12:57)
ka le alakaosy ange ohatra ny volana (mois) t@ calendrier-n'ny ntaolo e (oh: adalo; alakaosy; admizana....),fa tsy tadidiko ny mois mifanaraka amny.Tsy ho voatery ho ratsy vintana zany ny teraka alakaosy alou amiko e, mety oa fomba fiteny t@ andron'ny ntaolo fotsiny io de narahina finoanoampoana
6. miangola ( 31/08/2006 19:57)
ny alakaosy raha ny fahafantarako azy dia fanisan'andro taloha(calendrier)ka zay zaza teraka alakaosy dia hanaovana fombafomba satria mehery vintana hono, ka raha vao teraka ilay zaza dia apetraka eo @ valan'omby ka raha sanatria totoin'ny omby na koa hoe voahitsaky ny omby dia vitan'alakaosy zay fa raha tafita soa amantsara kosa dia afak'izay ilay vintana
Zay raha araky ny fitantaran'ny Ntaolo fa ity misy fanzavana azy tsotsotra:http://alimanakarabesata.free.fr/vintana.htm
7. miangola ( 31/08/2006 19:58)
8. miangola ( 31/08/2006 20:01)
9. miangola ( 31/08/2006 20:03)
10. soanja ( 01/09/2006 03:53)
tafita:

Fiteny henoko matetika raha te-hilaza ny olona ratsy vintana io fiteny hoe Teraka Alakaosy io
Inona no antony sy dikany fa tena tsy mazava amiko e
Raha mba misy afaka manome hevitra kely momba io fiteny io.
Merci mialoha


Izaho dia anisan'ireo teraka alakaosy raha ny filazan'ny mpijery andro indray mandeha izay. Hatramin'io dia mahaliana ahy ilay izy. Ny hany fantatro anefa dia tsy hoe ratsy vintana fa hoe Mahery vintana ka mety hanoso-bohotanana ray aman-dreny na olon-dehibe na hanova zavatra be na rafitra tian'ny fiarahamonina, izay mety tsy eken'ny fiarahamonina. Ny tena natahoran'ny feramonina tamin'izany dia ny hoe "Hanoa ray aman-dreny" moa? zany hoe hitsipaka ka mety hamono mahafaty azy ireo.
Tsy dia noraharahiako anefa io satria tsy matoky ny vintana aho fa ny anjara kosa inoako.
Mino aho fa misy anjara tsara ho ahy foana raha mbola miaina aho.


11. Ralay ( 01/09/2006 03:58)
Tena hitako hatraty aloha fa mbola ho avy eo ny anjaranjy fa aza manary toky.Tsy ny vitana no alakaosy fa ianao no tsy ampy saosy :-D
12. soanja ( 01/09/2006 04:45)
Zany an!
13. mihoby ( 01/09/2006 09:12)
miangola:

ny alakaosy raha ny fahafantarako azy dia fanisan'andro taloha(calendrier)ka zay zaza teraka alakaosy dia hanaovana fombafomba satria mehery vintana hono, ka raha vao teraka ilay zaza dia apetraka eo @ valan'omby ka raha sanatria totoin'ny omby na koa hoe voahitsaky ny omby dia vitan'alakaosy zay fa raha tafita soa amantsara kosa dia afak'izay ilay vintana
Zay raha araky ny fitantaran'ny Ntaolo fa ity misy fanzavana azy tsotsotra:http://alimanakarabesata.free.fr/vintana.htm

manaiky aho hoe fanisan' andro taloha izy ity , kanefa nampiany taolo finoanoampoana ,
amiko tsy misy izany vitana izany fa ny fanambinana no hinoko fa avy @ n' Atra ,
tena manaonao foana mintsy ny taolo raha @ io hoe apetraka eo @ valan' ombyio ny zaza , ka raha sanatria mo ka voahitsaka ny omby eo iny zaza iny ve tsy ho faty ? tsy efa mamono olona ve izany ?,tsy malahelo @ izany ve Atra

14. tafita ( 01/09/2006 09:19)
Misaotra anareo namaly ny resaka ary mbola miandry izay te-hanome ny heviny sy hanampy izay efa voalaza e, mahafinaritra fa maro mahay zavatra ny mpiserasera
15. booboo ( 01/09/2006 09:20)
hum...
16. HESHA ( 04/09/2006 15:51)
ny efa henoko ndray de hoe tsara vintana ny alakaosy fa raha teneniny olona izani de be mpaneso izy ka lasa manaonao foana mba ho ratsy eo imason'olona.
De izai no ilazana fa ratsy vintana izy.
17. Fiffi ( 04/09/2006 16:27)
zah ry zareo de tsy mino an'zany mihintsy an! Ny vintana koa ve misy ? hankiniko an'Andriamanitra fotsiny ny fiainako de zay .
18. papala ( 07/09/2006 07:48)
Ny Alakaosy dia anisan'ny volana fanisan'ny Malagasy . Ka ny olona Teraka Alakaosy dia ol maranintsaina sady be herim-po, fetsy anefa ireo mpanandro dia lazainy hoe mahery vintana e manoto ray aman-dreny e ! Zay aloha no hitako t@ bokin'ny ntaolo izay!
19. vahatra22 ( 07/09/2006 09:48)
marina ny an'i papala! tsara vintana ny olona teraka alakaosy! sady tsara toetra ko! io ne le antsoin' ny vahiny hoe: sagittaire e!
20. booboo ( 07/09/2006 14:24)
vahatra22 > hihihi terak'Alakaosy angaha enao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0962