Fitafiana nentin-drazana!

1. kitjo ( 30/08/2006 07:14)
salama aby!

zao e!
Mba inona sy manakory no tena akanjo sy fitafiana nentin-drazana?
Ny an' ny lehilahy aloha iny mba hita hoe malabary fa ny an'ny vehivavy tena tsy hitako hoe ahoana.

Mitafy lamba kanefa ny ho atao anatiny toa tsy hay hoe vazaha sa sinoa sa karana. Inona ny tena fomba fitafy nentin-drazana ho an'ny vehivavy?

efa ho 4 taona aho izay taty isaky ny misy fety dia hoe manao fitafiana nentin-drazana daholo. Ny ahy irery no akanjo tsotra fa saromana lamba landy fts.

Mijery ilay sary "Idole de Madagascar" aho, manao akanjo nentin-drazana ry zareo, ny an' ny faritra hafa ivelan' Antananarivo tena hita mazava daholo fa ny avy ao Analamanga toa lobaka asiana sous pull d lambaoany...dia tena izay marina ve no izy e?

Misaotra e!
novalian'i fijo ny 26/09/2006 21:20
2. cutie ( 30/08/2006 11:48)
tsy lamba landy ve le izy, ho an'ny vhv??
3. soanja ( 30/08/2006 19:54)
Lamba landy no akanjo ary landy koa ny lamaba atafy eo amin'ny sandry. Matetika dia mena ny akanjo ary fotsy ilay lamba atafy.Izay no fanatro raha ny avy any anaty Rova.
4. cutie ( 30/08/2006 19:56)
soanja, hitady an'zany mena zany za refa tonga any Dago :lol:
5. soanja ( 30/08/2006 20:00)
Taloha elabe zany fa tsy ahita an'izany tsony indry raha izao satria ny fotsy tsindrian'ny mena no betsaka.
6. cutie ( 30/08/2006 20:02)
zany ve?
De mba tsra ihany ve?
7. Fiffi ( 30/08/2006 20:09)
ary efa namaly teto zah de nanjavona :roll::roll:
8. cutie ( 30/08/2006 20:11)
ary @kolontsaina iny ry fiffi:lol:
9. fijo ( 30/08/2006 20:40)
kitjo an,bedy ndry.
raha te hanao tafy gasy ampovoan tany ndry dia izao.
ny volo =tanamivoho.
ny akanjo,dia akanjo mahintsy,izany hoe mitambatra ny ambony sy ambany ary iny no tafiana lamba.
10. kitjo ( 31/08/2006 17:03)
ka ilay akanjo mihitsy no tsy hay oe aona nge ry fijo e, tena mahamenatra mihitsy izay no mahatonga ahy manontany eto
tena efa ela mihitsy aho no vaky loha t@zay hoe fa ahoana marina tokoa moa izany

ny hafa na ny karazana lamba sy ny sary aminy aza misy dikany aby sady tena hoe unique ary tena traditionnel tokoa,

isaky y oe manao akanjo traditionnel dia manao robe fts aho dia lamba kanefa ilay robe ny lambany asiatika, ny didiny vazaha, ny sariny afrikana...hahaha...vazivazy nefa misy fahamarinany!

io lazain' i soanja io angamba no mety ho akaiky indrindra ny tena nentindrazana!
11. andry08 ( 31/08/2006 19:29)
Ny loko tsy dia voatery fa ny lamba dia izay tiana fa ny landy rehefa misy asaramanitra. Ny volo tana ivoho ary ny vehivavy mbola tsy nanam-bady dia tsy nikiraro fa rehefa hanao fiancer dia manomboka mikiraro. I neny no nilaza ireo fony izy mbola velona
12. fijo ( 01/09/2006 20:32)
an an landy kosa fa aiza no ho lamba aziatika le
13. cutie ( 01/09/2006 20:40)
ny ahy alou de lamba landy e :P
14. fijo ( 01/09/2006 23:03)
izay mantsy wa
15. cutie ( 01/09/2006 23:06)
sady le lamba landy anie hafa mitsy e, tonga de kopy daholo ze mahita we, avy any Mada zany ( avy any @ taniny ) :lol::lol::lol:
16. malalatinasoa ( 01/09/2006 23:30)
Tsy dia mahafantatra ny nenti-drazana loatra.

Ny ahy kalou dia raisiko tsimoramora. Rehefa misy fety somary mihaja dia akanjo landy (misy kirimborimbony ireny) misy motif gasy, sy lamba fitafy landy, motif aloalo. Miaraka @ ravaka tena malagasy sy tanavo fa hum hum :D. Rehefa manontany ny olona hoe inona ny dikany dia tsoponiko tsirairay ny hoe:
- Ity ny Rova ny Manjakamiadana, dia mody mitantara eo aho.
- Ity no atao hoe Ravinala, aiza no ahitana azy
- Ity no ataoa hoe aloalo, eny @ faritra atsimo
- Ity no atao hoe baobab (iny tsy mila azavaina intsony fa ny azy Madagasikara + baobab + gidro)
- Ity no ....

Rehefa fetifety fampisehoana ny maha-malagasy eny indray dia manao ohatry ankanjo antaimoro ireny (sikina dia misy fatotra eo @ valahana) dia atsitokotoko ny volo. Fa tonga dia effet garanti ohatry ny eny @ cirque :-D:-D.
17. kitjo ( 02/09/2006 11:09)
Miala tsiny aloha fa h@ zao mbola tsy hitako mazava ilay valiny.

Ilay lamba landy efa mazava iny kanefa tsy afaka ilazana fa iny fts sy taovolo ny fitafiana nentin-drazana, raha tsy hoe tsy manana mihitsy angamba

fa lazaiko anareo fa rehefa tafaraka firenena bdb tena oe evenement culturel fa tsy hoe fivoriana dia tsy hita izany ny hoe aha Malagasy raha lamba landy fts,

jereo Lalao Ravalomanana, dia jereo ny akanjony kanefa mitafy lamba foana izy, dia raha afangaro olona bdb ve izy dia hiavaka marina hoe io ny fitafiana malagasy nentin-drazana?

jereo io lazain'i malalatinasoa io oe "akanjo antemoro", io mihitsy ilay lazaiko satria raha mijery an ireny fts na bara na betsileo na foko hafa dia tena hita mazava.

fa ny merina izany dia lamba landy sy tana voho fts?
18. andry08 ( 02/09/2006 12:12)
Ka misy 19 karazana anie e! 19 ethnies any ka anao ny safidy
19. dailynews ( 20/09/2006 17:35)
19?
20. andry08 ( 20/09/2006 17:40)
IĆ© isao tsara!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3451