Tongotra notapahina .
1. Fiffi
(
28/08/2006 08:41)
Napongatry ny alika ny tongotra notapahina.
Nisavoritaka ny tao Toamasina ny alarobia faha-23 aogositra lasa teo fa nisy fatin'olona indray tao ambanin'ny tetezana mihazo ny hôpitaly be. Tonga teny an-toerana ny pôlisy sy ny mpamonjy voina. Tongotra roa no hita nipoitra avy ao anaty tany. Nofongarina ity noheverina fa fatin'olona. Tsy nisy afa-tsy ny tongotra ihany anefa no tao. Ny mpitsabo ao amin'ny hôpitaly be Toamasina no nanamarika avy hatrany fa tongotr'olona notapahina tao izy io. Araka ny fantatra dia tongotra zazalahy 27 taona izy io. Mpanapaka hazo amin'iny faritra Brickaville iny no anton'asany. Nianjera avy teny ambony hazo anefa izy ny herinandro lasa teo. Nalefa ho tsaboina tao amin'io hôpitaly voalaza io. Rehefa natao ny fizahana dia potika tanteraka ny taolana rehetra manomboka eo amin'ny lohaliny midina ary izy roa mihitsy. Voatery notapahina araka izany ireo sampan'ny tongotra ireo. Nangatahin'ny fianakaviany hoentina mody ireo rantsana ireo. Nony raikitra tokoa anefa ny fitondrana dia velon-tahotra izy ireo sao hisy fisavana sy fanontaniana mikasika ireto tongotra roa tsy misy vatana ireto. Ny tompony rahateo mbola tsaboina. Hany herin'izy ireo dia naleviny tao ambanin'ny tetezana andalovan'ny lakandranon'ny Ampangalana ireo tapaka tongotra roa. Tsy tsara levenana izany, ny tahotra koa manejika etsy andaniny. Nahatsapa tena ho nanaonao foana mantsy, na tamin'ny fitondrana ilay tongotra na tamin'ny fandevenana azy ity fianakaviana ity. Napongatry ny alika izany ary dia velona ny antsoantson'ny sendra nahita fa misy fatin'olona ao amin'ilay toerana. Tany aloha dia toerana famonoana tena sy famonoan'ny mpanao ratsy olona tokoa ny manakaiky io vinany amin'ny ranon'ny Ampangalana io. Na zaza nalana, na zaza rano dia hita eny amin'io toerana io avokoa. Tsy latsak'izany ireo diso fanantenana eo amin'ny fiainana sy ny fitiavana. Soa ihany fa efa tsy ahitana firy io voalaza farany io intsony ity toerana tian'ny ankizy hilomanosana ity.
Moari Tohdy La Gazette de la Grande Ile
novalian'i prime ny 17/10/2006 12:46
2. boubounezy
(
28/08/2006 09:35)
enjana zany kia fiffi an! naninn enfa ry zareo tsy mba naka taratasy fanamarinana t@ dr mba afahany mitondra lé tongotra aradalana? magaga an!:o
3. Fiffi
(
28/08/2006 11:07)
eny tokoa hoa ry boubounezy an! de le Dr koh ve de tsy mahafantatra an'zany hoe tsy azo hentinkentina tahak'zao fotsiny ireny tongotra ireny ?
5. Fiffi
(
28/08/2006 15:59)
de tsy fantatra aloha satria io no nolzain'ny gazety an ! fa mbola velona kosa angamba satria y tongony fotsiny no nentin'ry zareo nody koh!
10. vale
(
09/09/2006 13:36)
:-Dhamidy koa, ohatry ny pièce détachée:-D,Francis Turbo no miteny an'io le hoe kelikely koa dia hisy tapana tongotra hamidy...:-D sa tsy zay ny tian'i xxx tenenina alou?:idea::-D:-D
14. prime
(
17/10/2006 12:46)
fiffi> mananihany anao ireo fa dorany fotsiny d izay satria izany no fomba karàna...
Fa ilay fianakaviana koa tena tsssssssss...:-D:-D
Fa ilay fianakaviana koa tena tsssssssss...:-D:-D
