Hay ve ny nosy Sainte Marie

1. lapino ( 27/08/2006 12:55)
Nahita reportage t@ france ô zay ah teo, niresaka Sainte Marie. Ny fomba firesak'ilay mpanao gazety dia ohatra ny hoe an'i Lafrantsa izany ny nosy Sainte Marie. Misy tsy azoko ny tantara, hoe inona no tena zavatra manokana nifandraisan'i Ste Marie tamin'i LaFrantsa ka nampiavaka azy tamin'ny Nosy lehibe.

Fa ny nahagaga ahy dia hoe, ny Saint Marien hono gasy rehefa any fa frantsay raha aty. Nisy fifanarahana tamin'i Tsiranana sy De Gaulle izany hono, ka ny Saint Marien mipetraka enim-bolana any Frantsa dia mahazo pasipaoro frantsay. Nofoanana tamin'ny 1993 io procedure io.

Notadiavin'ny frantsay halaina angamba i Ste Marie, fa tsy azony?!... :roll:
novalian'i prime ny 18/09/2006 14:51
2. tafita ( 27/08/2006 14:21)
Marina e,
Fa Nosy kely mampalaza an'i M/ car i Saite Marie , fa ny reportage iny dia efa 5 taona lasa no nahitako azy mbola naverin-dry zareo iny e. Ny tena nifandraisany tamin'ny La France Renik'Soa ( Reny malala ) dia ny tantaran'i Jean Labord izay misy milaza fa ao ny fasan'io olo-malaza Français io , ary irao piraty tamin'ny andron'ny fanjanahana ....
Ry zareo St Marien tokoa dia tsy tena miteny gasy mazava fa teny mifangaro , izay no maha St Mariens azy , tsy azo-dry zareo ny teny raha tsy somary misy mot à mot kely mifangaro izay , indraindray aza dia teny Italien + Français ( verbe tsy mi-conjugué ) miaraka amin'ny teny malagasy kely izay fa milay be ny mihaino azy ....
Ho ela velona anie isika
3. Herimiafina ( 27/08/2006 15:55)
Betsaka mihintsy ny Nosy nokendren'i LaFrantsa rehefa tsy azony i Madagasikara glady be io tamin'ny referendum 1959.
Ny Nosy Barren izao anisany, ary efa misy Nosy Frantsay mihintsy aza au large ny cote Ouest iny raha tsy diso zah donjona kely ity klé. :^):-w
4. patrick2002 ( 28/08/2006 01:44)
Nosy europa no anaran'io nosy io azonao tazanina ao @ google earth.
Misy fomba fiteny ny st-marien izay manao hoe IZAY VAZA FA LA PEAU NAY FONA GASY.
5. eprom ( 28/08/2006 06:08)
Ara-tantara de :
- Natolotry ny printsesy Bety ho an'i Lafrantsa ny Nosy ste-Maria izay zara-taniny avy t@ fandovana. Nanambady frantsay moa ity printsesy ity. Izany hoe taloha elan'ny fanjanahan-tany de efa frantsay io nosy io.
- Maro de maro koa ireo jiolahin-tsambo (pirate) no nonina sy nandalo tao. Vokatr'izay de maro be ny taranak'izy ireo ( zana-malata no fiantsoana azy). Hatramin'izao aza de mbola be vahiny mandalo sy monina any. Maro amin-dry zareo ary ny vazaha endrika, Jacques Sylla, Botozaza Pierrot ( DG Port Toamasina ),...
6. kitjo ( 28/08/2006 07:44)
eishyyy

mitady ho fetsy!
7. Fiffi ( 28/08/2006 09:02)
nijery ny tantaran'i Ste Marie io zah ! kay t@ 28 janvier 1896 izy vai hoe rattachée t@ M/car an!
Fa na izany aza sao de manofy kosa aza ireto frantsay ? hanao inona ? hanao hafetsana ve ?
8. lapino ( 28/08/2006 09:34)
eprom:
- Natolotry ny printsesy Bety ho an'i Lafrantsa ny Nosy ste-Maria izay zara-taniny avy t@ fandovana. Nanambady frantsay moa ity printsesy ity. Izany hoe taloha elan'ny fanjanahan-tany de efa frantsay io nosy io.

Raha izay dia misy fahamarinana ihany raha hotakian-dry zalahy ilay nosy. Manahirana koa ilay vehivavy kle!! :{:{
Kanefa raha izay, dia efa tokony ho tamin'izany no nataony izay hitazomana azy raha tiany. Fa toa tian-dry zalahy ho azo ihany ilay izy kanefa tsy tiany hiadidiana. Raha ny malagasy no niadidy an'i Ste Marie hatramin'izay dia tokony ho malagasy koa izy izany.
9. Badobado ( 28/08/2006 12:13)
I la Frantsa anie ry reto efa mikorosy fahana e! mody manao fiarona leboka fotsiny izy momba ana zavatra ohatra ireny.Azy hono nefa tsy ananana fahefana akory. I la Réunion ary tsy omeko 30 taona dia lasa gasy ty aho eto moa! Ndehana angeha jereo ny momba io nosy io e! 700000 pop, fa ny 35% dia gasy... ka ahoana moa no hoe i ste Marie no anavaona oarioara, an'i malagasy io!
10. Achia ( 28/08/2006 18:51)
ye otran'ny hevitra mety zeny ry vendrambendrana ny tena razamben' ny kiringa mantsy gasy , ka maninona moa ra mbo nde hangatahana ho antsika e fomba fiadin'ny frantsay mantsy zany
11. pissoa ( 28/08/2006 19:08)
Marina io tenin'i eprom io.

lapino ... tian'lah tsy hanaraka ny tenin'le lehilahy indray zany le vehivavy? :twisted::-D:-D:-D
12. lapino ( 28/08/2006 19:41)
fa iza anefa no niteny an'azy hoe omeo an'ilay vazaha ny anjara lovanao e? :evil:
13. pissoa ( 28/08/2006 19:51)
(Mety) Ilay lehilahy hoa, tssss :twisted::-D:-D:-D
14. Fiffi ( 28/08/2006 20:17)
hummmm ! jereo kely ange ny tantaran'Ile Ste Marie eh! http://www.madagascar-guide.com/fr/Pages/decouverte/est/stemarie/histoire.html
15. ravatorano ( 29/08/2006 07:19)
fiffi
16. lanto ( 29/08/2006 08:01)
Ny olona avy ao tokoa refa miresaka d hoe tsy gasy fa St Mariens, misy tsy mety miteny gasy mihitsy !!! Misy resaka koa hoe ny olona ao teraka talohan'ny asa taona firy ? dia manana na afaka mangataka nationalité frantsay ?
17. prime ( 18/09/2006 14:51)
Misaotra anareo fa manamafy ny fahalalàna izao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1044