Ny vola no maha rangahy
![](https://avatar.serasera.org/5ced19b207476c79cb1566a58990ce64.jpg)
1. Rice
(
27/08/2006 02:15)
Inona re no tian'ny Ntaolo resahina momba an'io "Ny vola no maharangahy", nefa toa milaza koa izy fa "Ny fanahy no mahaolona".
novalian'i reve ny 28/03/2012 19:45
![](https://avatar.serasera.org/5159a781c99b7080cc87b24fab78612b.jpg)
2. kally
(
27/08/2006 07:11)
Ny hoe "rangahy" na "Ingahy "dia mariky ny fanajana , ny olon-dehibe ao an-tanàna na ny olo-manan-kaja no nasiana Ingahy avy amin'ny hoe rangahy teo anoloan'ny anarany:oh: Ingahy Rajaona na Ingahy Ratrema,ary tsy ny olon-drehetra no nantsoina tamin'io fa izay manam-bola ihany ka io no nahatonga ny hoe "ny vola no maha-rangahy".
![](https://avatar.serasera.org/3ad83b57f657c3bc2263f4b7a5859d41.jpg)
3. fasaly
(
27/08/2006 09:03)
tsy izany tsony zao no izy fa ny vola no maha olona amzao fotoana izao.....raha tsisy ny vola de zava poana ny fiainana fa me miakatra foana ny vidimpiainana....taloha ny nitombina io fiteny io satria ny vehivavy no ravaka sy mpikarara ny tokatrano, tsy mila miasa akory.....aminizao ny ny vehivavy ny ankabeazany moa izany te ho "indépendante" dool ka tsy mety raha tsy miasa....sady hafa ihany ny fidirambola roa ao antokatrano noho ny iray:°):wink:
![](https://avatar.serasera.org/0d387426f578f524f21c1bff75f78213.jpg)
4. simplex
(
27/08/2006 10:49)
Rice:
Inona re no tian'ny Ntaolo resahina momba an'io "Ny vola no maharangahy", nefa toa milaza koa izy fa "Ny fanahy no mahaolona".
araka ilay tenin'i kally hoe marim-panajana na hoe voninahitra ny antsoina hoe Ingahy. Ka taloha moa ny lehilahy no mpitady vola sy mamelona vady aman-janaka, ka izay no mahatonga hoe ny vola no maharangahy.
Mazava be koa fa ny olona dia nofo aman-dra, tsy maintsy mihinana. Ny lazain'ilay hoe "ny fanahy no mahaolona", de ilazana hoe ra ny hihinana sy hanome fahafaham-po ny nofo aman-dra fotsiny no ataonao de toy ny biby enao. Fa ny fanahinao no mahasamihafa anao @ ireo. Izany hoe mitsinjo ny hafa ohatra na hoe tsy misompatra na ... tsy haiko e,refa zavatra ataonao kanefa tsy manaratsy ny hafa, mety hoe manao soa azy ary...
Tsy mifanohitra velively @ ilay hoe "Ny fanahy no mahaolona" izany ilay hoe "ny vola no maharangahy" fa manampy azy ary. Ny dikan'ny hoe rangahy akory tsy hoe ratsy toetra an. Ny fitadiavam-bola, na ny fanana vola dia tokony tsy atao ambonin'ny fanana fanahy, sinon toy ny biby. Ataovy toy ny fikatsahana ny tsara hoan'ny vatana ny fikatsahana ny tsara hoan'ny fanahy.
De tsy hoe ny lelahy ihany an, fa araka ny tenin'i fasaly teo hoe ny vevavy koa olona dikan'izany manam-panahy ary ny vevavy koa mikandra. Tandremo ary sao lasa biby ao ;-):°):-D
Ho fehiny zany an, rehefa akambana izy roa reo de lasa hoe: katsao ny vola fa ataovyc "amim-panahy" @zay sady misy voninahitra enao no manam-panahy koa. Anjaranao no miheritreritra :°):D:D
:-*:-*
![](https://avatar.serasera.org/4800fb0a26f22c1c030250ada861b84e.jpg)
6. naritsimba
(
28/08/2006 04:36)
Dia ahoana izany ilay voalaza hoe: NY VOLA NO FOTOTRY NY RATSY REHETRA?
![](https://avatar.serasera.org/d8da52776f670b8d0cbddf66be58e123.jpg)
7. Fiffi
(
28/08/2006 09:08)
Hoy E.Ratsimbazafy zay hoe:
Vola o
Hatraiza moa no fetran'ny herinao ?
Vola o
ny olona rehetra manaiky anao,
manompo anao.
Vola o
Hay va re misy fetra
ny herinao !
Vola o
ny olona rehetra
manompo anao
andevonao.
Vola o
Hatraiza moa no fetran'ny herinao ?
Vola o
ny olona rehetra manaiky anao,
manompo anao.
Vola o
Hay va re misy fetra
ny herinao !
Vola o
ny olona rehetra
manompo anao
andevonao.
![](https://avatar.serasera.org/4d119b2385ef725f2c8225ca0ed30c7d.jpg)
16. soanja
(
30/08/2006 19:45)
Ary sao misy resaka koa hoe: "Inona no mahavehivavy?" fa mba liana aho?
![](https://avatar.serasera.org/0afae44a9b563ff8a1ef95d232c8a1b0.jpg)
17. tywa68
(
31/08/2006 17:36)
mora ho an'lé rangah manambola ny mahazo ny iriany e, fa tsy ho voatery hahasambatra azy alo ê :wink:
![](https://avatar.serasera.org/c22e2466d23945f7b5824a6faadd0741.jpg)
18. reve
(
28/03/2012 19:45)
Rice:
Inona re no tian'ny Ntaolo resahina momba an'io "Ny vola no maharangahy", nefa toa milaza koa izy fa "Ny fanahy no mahaolona".
ny vola no maha rangahy :ny fototr'io teny hoe rangahy io mihitsy aloha no mila fantarina ,io fomba fanoratana io koa no atao hoe paralelisma synonimika ,efa any amin'ny hai-teny sy hai-soratra avo lenta no ahitana ireo raha mahaliana an'ny mpandinika ,ny teny hoe rangahy dia vahiny no dikany olona hafa firenena,tsy mahavita na inona na inona ireo sokajin'olona ireo raha tsy ny vola sy ny saina no miasa sy mandeha mialoha;
ny mikasika nyhoe /ny fanahy no maha olona ny manakaiky kokoa aza dia ny hoe maha olombelona ;voalaza amin'ny fomba malagasy fa ny faty lena no antsoina hoe olona eny am-pandevenana eny ,samy manana ny handikany azy moa ny mpikaroka ka mandray arakany mety ho takany koa ny mpandinika dia manao fampitahana izay vao misintona lesona hoe iza no akaiky kokoa .
ny fanahy dia tena nanana lanja lehibe tamin'ny fiaraha-monina malagasy satria mino ny fisian'ny hery tsy hita maso ny ntaolo,rafitra napetra tao anatin'ny kolon-tsain'ny vahoaka iray ny fitsipi-pitondran-tena izay lasa fomba raikitra ka io fanahy nibaiko ny fitsipi-pitondrantena io no ninon'ny razantsika fa mibaiko sy mampatsiahy ny toetra tokony hananana manatsara ny fifampifehazan'ny mpiara-belona amin'ny toerana iray;feno fahendrena ny olona tarihin'ny fanahy satria voatazaona ny sainy tsy handika ny sori-dalàn'ny
fiaraha_monina