compteur de vitesse en panne

1. miantra ( 21/08/2006 15:10)
Miarahaba ny rehetra!

Saika mba hanontany aho ry reto hoe: dangereux ve ny compteur de vitesse en panne? (ankoatran'ny riSQUE RADAR)

Mbola azo tarihina mandram-pody any antrano(800 km eo ho eo) ve ilay fiara sa ???

ary farany, sao dia mba misy mahay mamboatra eto?
Azonareo andefasana hafatra manokana aho fa valiako raha mety.

Misaotra mialoha daholo.

2. Fiffi ( 21/08/2006 16:08)
tena dangereux be io koh ! de @ fomba ahoana kay ny hamindrana vitesy raha en panne io ?
3. ds ( 21/08/2006 20:56)
Ny olana fotsiny dia tsy fantatrao ny hafainganam-pandehanao. Mandreraka be rehefa miditra tanàna. Ankoatra izay tsy misy atahorana. Zah efa tratran'io in-droa.
Soloina fotsiny ilay kabla tapaka matetika dia vita. Tsy haiko ny manolo azy an :).
Fiffi : tsy misy fifandraisana ireo kah.
4. mandrindra ( 21/08/2006 21:03)
jereo ny compte tour mba ahafahana maminavina ny hafangainampandeha
5. miantra ( 21/08/2006 21:19)
Misaotra @ valinteninareo e! efa mba mi-rassuré kely ihany ilay hoe tonga any an-trano ihany izany.

Fa mbola miandry ny torohevitra hafa raha mbola misy.

misaotra mialoha!!!
6. hery ( 22/08/2006 09:54)
Vao tamin'ny asabotsy teo nandeha taxi zah nankeny @ aéroport dia misy boaty kely izay tao @-ilay taxi, toa mi-controler ny hafainganam-pandeha. Izy no mi-regler azy dia rehefa mihoatra kely dia maneno.

Raha misy an'ireny dia azo vidina vonjimaika mba tsy hisy olana, indrindra rehefa misy limite de vitesse.

Fa ny resaka mekanika aloha tsy dia mampaninona azy na simba aza io compteur io.
7. miantra ( 28/08/2006 05:15)
Miarahaba daholo indray,

Misaotra izay namaly rehetra fa efa tonga soa aty an-trano izahay ary tsy tratran'ny radar.

Sady en plus n'izay nony nandeha kely tokony ho nahavita 250 km teo ho eo dia hoy ilay zanako hoe ohatran'ny mandeha ilay fanjaitra tsy mihestika ry neny.
hay tena nadeha tokoa ilay izy!!!

8. Achia ( 28/08/2006 18:58)
Fiffi:

tena dangereux be io koh ! de @ fomba ahoana kay ny hamindrana vitesy raha en panne io ?


aza mampihome ol ry fifi a :-D :-D
9. lapino ( 28/08/2006 19:44)
Fiffi:
tena dangereux be io koh ! de @ fomba ahoana kay ny hamindrana vitesy raha en panne io ?
Hitsahina aloo ny ambraiazy :wink:
10. pissoa ( 28/08/2006 19:57)
:-D:-D:-D:-D:-D
11. Achia ( 01/09/2006 20:11)
tsy mba tsara namana mitsy ry lapino ka marina moa :-D
12. Kamoufle ( 01/10/2006 18:20)
Tairo dia omeo dia akselereo eee ,rehefa tsy misy permis ve tsy ho hita eo ihany eee..
13. fiderana ( 02/10/2006 10:30)
efa vita izany ilay fiara, no efa tonga soamatsara ry zareo ka inona indray moa izany, fa dia misaotra an'andriamanitra isika, manjary miova indray ny size, sa ahoana..., ndao hanao size vaovao hifampianarana momba ny fiara, sa ahoana....Fiffi?:oops:8)
14. andrianjaka ( 10/10/2006 12:49)
Manakory lie, raha mechanical (ohatra: volkswagen taloha, toyota taloha, ....) ilay izy dia ny speedo-cable miala any amin'ny Gearbox na ny Differential housing no soloina, raha electronic ( BMW E30 no miakatra, AUDI, Landrover taty aoriana,...)dia ilay Hall effect sensor na ilay Optical sensor mipetaka amin'ny Gearbox no mila diovina na amboarina kely ny fipetrahany fa iny no mahatonga ny Speedometer tsy mandeha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2689