Kandidà faha 16 .
1. Fiffi
(
21/08/2006 05:27)
Hirotsaka ho fidiana ny Pasitera Randrianjoary Jules.
Ny Pasitera Randrianjoary Jules, mpitondra Fiangonana “évangélique” Tsimiankina no kandidà faha 16 amin’ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena ny 3 desambra 2006.
Efa tafatsangana ny KPMJ na Komity Mpanohana an’i Pasitera Jules Randrianjoary. Hiatrika ny mpanao gazety io Komity io ny talata 22 aogositra 2006, amin’ny 10 ora ao amin’ny Solimotel Anosy.
Araka ny re, eo amin’ny sehatry ny finoana, dia toa efa tafantsangana izany Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana Tsimiankina eto Madagasikara izany. Raha tsotsorina ny dikany, dia toy ny fiombonan’ny Fiangonan-dehibe ara-drafitra ao anaty FFKM, no mba iombonan’ny Fiangonana Tsimiakina amin’izany. Voalaza koa fa mitotaly 3000 ny Kongregasiona avy amin’ireo Fiangonana Tsimiankina ireo. Karazana Fitandremana na Paroasy izany, ka ireo no ivondronana ho Fiombonam-piangonana iray.
Araka ny feo mandeha koa, dia Atoa Randrianjoary Jules Mpitandrina no Filohan’io Fiombonam-piangonana io, raha tsy diso ny tsiliantsofina renay. Fiangonana vitsivitsy ihany no tsy mikambana ao araka ny voalaza. Tsy tafiditra ao ohatra ny Apokalipsy sy ny FPVM Taninandrano.. Ity farany rahateo moa dia mikatona ka naman’ny mbola mihantona. Hisedra tena araka ny demokrasian’ny tany noho izany ny Tsimiakina, ka dia ho hita eo izay tena heriny.
Raha marim-pototra tokoa izany resaka Fiombonan’ny Tsimiankina izany, dia mahavariana ihany fa nampiray ny mpivavaka ny raharaha politika. Resaka raharaham-pirenena sy politika no laharam-pahamehana eo amin’ny raharaha no hatrehana. Vita izany, vao mety hiditra amin’ny lafiny fampianarana sy ny zava-panahy (doctrine sy dogme), ilay Fiombonana. Manahirana ihany ny manavaka ny fihevitr’Andriamanitra sy ny fihevitr’olombelona, raha toa izany tsy mifanindran-dalana.
Razaka O. Madagascar Tribune
novalian'i Fiffi ny 25/08/2006 14:50
3. Fiffi
(
21/08/2006 06:32)
ary naritsimba nga tsy hilatsaka ? hihihihi
Fa na izany kosa aza aloha de tena bdb ireo olona milatsaka an! ka io no mba nametrahako fanontaniana hoe ahoana kay ny fandehany ? satria ohatra hoe ny aty ivelany zao de tsy afaka milatsaka raha tsy mahazo sonia mihisa 500 avy @ maire sy depioté ! de zay no mahatonga tsy ho bdb ny milatsaka!
Fa na izany kosa aza aloha de tena bdb ireo olona milatsaka an! ka io no mba nametrahako fanontaniana hoe ahoana kay ny fandehany ? satria ohatra hoe ny aty ivelany zao de tsy afaka milatsaka raha tsy mahazo sonia mihisa 500 avy @ maire sy depioté ! de zay no mahatonga tsy ho bdb ny milatsaka!
5. Fiffi
(
21/08/2006 10:18)
de asa izay fihafarany fa de aleo aloha hiandry ny manaraka indray eh! ohtran'ny tsy mbola tapitra akory izy zany raha zao no fandehany an!
6. florenciah
(
21/08/2006 12:20)
Tena mahafinaritra mihitsy izao filatsahan'ny olona be dia be izao satria samy tia hampandroso any Gasikara daholo ireo olona marobe ireo ka!
7. mandrindra
(
21/08/2006 14:45)
samy mba manao pub kely ho an'ny tenany daholo aloha nefa tsy ny antsak'ireo akory no tena hifaninana eo
9. Fiffi
(
21/08/2006 21:01)
ravatorano: andao rangaha tohanantsika rehetra eto zany ny filatsahan'i naritsimba zany fa sur zah fa izy no handresy avy hatrany an! hihihihi
