Epiphytes.

1. Herimiafina ( 17/08/2006 18:29)
Ny zava-maniry epiphyte dia maniry ambonina zava-maniry hafa araka ny anarany.
Epi=ambony, sur, miraikitra.
Phyte=zava-maniry.

Ny Orchidae dia anisany.

Tsy ilaina ny tany fa ny hamandoan'ilay zava-maniry iray no mampaniry azy.

Sao ianareo mahalala karazana zava-maniry hafa azo hatao an'io satria mahafinaritra tokoa ny mahita azy ireny raha ohatra ka feno azo eo antokontany. Ireny hazo ireny fotsiny no atao support-ny dia fatorana tariby dia vita! :wink:
novalian'i gety ny 28/12/2011 08:10
2. pissoa ( 17/08/2006 18:40)
Zah retsy tsy mahay fa orchidea ihany no haiko an. :oops:

Fa hono hoa - ilay tsy hita fototra ireny koa ve "epiphytes"?
3. Herimiafina ( 17/08/2006 18:46)
Tsy hita fototra manakory moa izy izany retsy? 8O
4. pissoa ( 17/08/2006 18:53)
Tsy hainjy angaha izany :oops: Tsy haiko zany ny anarany raha tsy io. :oops::oops::oops:

Description: Mavomavo ny lokony an, dia izy ohatran'ny liane kely dia kely hafahafa misavoritaka izay - tsy misy raviny. Dia rehefa ririnina any Dago dia feno azy ny dingadingana. :-D
5. Herimiafina ( 17/08/2006 18:59)
pissoa:

dia izy ohatran'ny liane kely dia kely hafahafa misavoritaka izay


Ny lianes (tsy rambona hazo na tahony mitsoriaka midina) dia zava-maniry iray mitokana mihintsy fanaovana tarzan-tarzan, dia anisan'ny epiphyte. :wink:


6. kally ( 17/08/2006 19:08)
Sao dia rambiazina aza izany resahin'i Pissoa izany? Manimanitra kely izy? Dia matetika izy ataon'ny olona eo ambony gonin-tsaribao?
7. pissoa ( 17/08/2006 19:09)
Ie - haiko le fanaovana tarzan-tarzan. :-D
8. Herimiafina ( 17/08/2006 19:27)
Fa ny ahy ny tena tiako amin'ny epiphyte ry zareo dai ny orchidées, miatady ilay orchidée noire avy any dago reny aho izao fa reveko be klé.

Tonga dia fatorana tariby dia asiana support kely vodina apanga dai lasa izao! =D
9. Fiffi ( 17/08/2006 19:35)
http://www.institutduliege.com/infoliege10/plante.php
10. Fiffi ( 17/08/2006 19:39)
fa le zazakely kosa aloha tsy maniry eo an! http://www.cjbn.uhp-nancy.fr/aquat.html
11. Herimiafina ( 17/08/2006 20:22)
Misaotra retsy ry Fiffi nitondra fanampimpahalalana! :wink:
12. Ratoa ( 04/11/2010 00:39)
ny langue chat, any Dago koa misy azy, fougère tsy tadidiko ny anarany fa tahaka ny tandroky ny cerf ny raviny, ny vanille
13. gety ( 28/12/2011 08:10)
Platycerium na Ranalahy ilay apanga epiphyte. Mazava hoazy fa matetika ny épiphyte tia maloka.

Ilay tsy hita fototra indray dia Cassytha noa anarany. Espèce envahissante be izy io, Fanafody vavony fa tandremo fa tsy tsara ho an'ny lehilahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0867