Fampaherezana ho antsika rehetra

1. Zina ( 17/08/2006 13:38)
ndeha hangataka an’i Jesosy isika mba hanao batisa antsika amin’ny Fanahy Masina satria ny vokatry ny Fanahy dia Fitiavana, Fifaliana,, fiadanana, fahalemem-panahy (Ga 5 :22).
Ny fahatezerana sy ny fifandirana, ary ny adilahy dia asan’ny nofo. Ny Fanahy Masina dia manampy mba handà ny tena sy hifehy ny izaho. “ Ny hoe mandà tena dia mifehy ny saina rehefa mitady hifehy ny firehetan’ny fironana lalina. Ny mandà ny izaho dia fanoherana ny fakam-panahy hitsikera na hiteny fanakianana be fahatany; ny fananana faharetana eo anoloan’ny zaza iray mafy loha sy maditra ary mandreraka …, ny fifehezan-tena dia ny fahanginana ary mamela ny hafa haneho fankasitrahana ny tena sady fanaovana soa amin’ny hafa ihany koa.” Tsy hanaiky ho fehezin’ny fandehan-javatra, ny fahatezerana, ny adi-lahy isika fa … hifehy azy ireny noho ny fanampian’ny Fanahy Masina.
novalian'i prime ny 25/08/2006 09:18
2. diamondra27 ( 17/08/2006 13:42)
Marina izany ho an'izay mbola tsy nahazo,

mazotoa ry rahavavy sy ranadahy isany.


somary ahitsiko kely fotsiny hafa ny hoe: tarihin'ny Fanahy Masina sy vita batisan'ny Fanahy Masina
3. Fiffi ( 17/08/2006 14:32)
De mba hangataka koh mba tsy ho voasarikin'ny fankampanahy satria io dia mitoetra eo anilantsika lalandava ka tsy handresy antsika fa ny fivavahana ny hampitombohina hatrany!
4. LazaDaddy ( 17/08/2006 15:02)
ho tanteraka tokoa anie izany!
5. Zina ( 17/08/2006 17:20)
ho tanteraka tokoa anie izany!

Ny finoana sy ny fivavahana no la klén'io e
6. Fiffi ( 17/08/2006 19:44)
marina akia zany ry Zina an! ka ny mba hahatanteraka azy de ny fangatahana sy nyfivavahana tsy misasatra an'Andriamanitra !
7. Achia ( 17/08/2006 22:19)
diamondra27:

Marina izany ho an'izay mbola tsy nahazo,

mazotoa ry rahavavy sy ranadahy isany.


somary ahitsiko kely fotsiny hafa ny hoe: tarihin'ny Fanahy Masina sy vita batisan'ny Fanahy Masina


Mbo azavao kely hoe zany ry diam ny tsy mampitovy azy azafady ra tsy handreraka anao a ?
8. mbelotavao ( 18/08/2006 03:04)
Marina izany .
Aoka hanaiky ho tarihin'ny fahahin'Atra Isika ;dia mazotoa mivavaka e!
9. LazaDaddy ( 18/08/2006 03:30)
"Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy." Joba 1:6
10. diamondra27 ( 18/08/2006 10:37)
achia: tarihin'ny Fanahy Masina = izay itondran'ny Fanahy Masina anao, ohatra: ny FM de mampianatra, mananatra sns araka ny tenin'Atra

vita batisan'ny Fanahy Masina indray = ilay miteny @ fiteny tsy fantatra

de ny vita batisa @ anaran'ny Fanahy Masina ihany koa de hafa= iny le lazaina rehefa manao batisa hoe: izaho manao batisa anao @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
11. prime ( 21/08/2006 12:59)
Misaotra an'i Zina e...:)
12. Zina ( 21/08/2006 22:25)
Tsisy fisaorana Prime a
13. miranto ( 25/08/2006 08:41)
Misaotra mampianatra e,mitombo fahalalana ihany izahay manana anareo manoro ny lalana makany @ fiainana mandrakizay e,
14. prime ( 25/08/2006 09:18)
Fa hono ho'aho, ary raha mbola tsy nandray an'i Jesosy mihitsy dia ahoana ry Zina?:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1497