Betsaka no marary noho ny fako miandrona be

1. rabaradaka ( 17/08/2006 10:31)
Tena tsy lasa intsony ny fako eto amin'ny tanàna e, tena tsy lasa, dia lazao hoe angaha ny commune no manao an'izany ! Aleo rangahy hitadiavana hevitra ny handaminana ny tanàna fa tena afabaraka mihitsy e !
novalian'i prime ny 22/08/2006 11:51
2. diamondra27 ( 17/08/2006 11:06)
zay mihitsy no mety , tondé action

de bon courazy
zahay tsy any @ tanàna fa je suis avec vous


aty andafy koa refa grève de otran'io ihany ka! eny e mahamenatra fa le fahasalamana no tsy lasa vokatry ny loto
3. Fiffi ( 17/08/2006 12:42)
rabaradaka:
Aleo rangahy hitadiavana hevitra ny handaminana ny tanàna fa tena afabaraka mihitsy e !
ka tena tsotra de tsotra nge ny hevitra fa tsy mila tadiavina etsy sy eroa eh! dihovina fotsiny de zay koh!


4. Herimiafina ( 19/08/2006 02:00)
Izany izao no tokony ilavana ilay hoe "fokonolona" novoizina fahiny irney ary tokony mbola velomina isaky ny fokontany!
Nahoana ny atsy Morondava no miray hina hanadio ny tanàna taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza Elita/Gafilo?
Nahoana kosa anefa ny etsy amin'itsy fokontany iray no sarotsarotra ny famoriana ny olona? Misy antony ao, mila trandrahana, cohésion sociale tsy ampy sa inona? :wink:
5. soanja ( 19/08/2006 02:17)
rabaradaka:

Tena tsy lasa intsony ny fako eto amin'ny tanàna e, tena tsy lasa, dia lazao hoe angaha ny commune no manao an'izany ! Aleo rangahy hitadiavana hevitra ny handaminana ny tanàna fa tena afabaraka mihitsy e !

Inona no hevitra ry rabaradaka? Hanoratra taratasy any amin'ny ben'ny tanana ve isika sa hanangombola hanakarama olona handio sa inona?
Efa misy ve any ilay atao hoe "Land adoption"? Zany hoe ny faritra fokontany na trano vitsivitsy na fianakaviana iray na organisation na olona iray dia milaza hoe "Ity toerana ity dia hodioviko foana sy hatsaraiko ataoko asa antsitrapo" dia iny foana no dioviny dia ny hafa mi-adopt ny toerana hafa sady manisy voninkazo sns.. Mety tsara manko io aty ka sao mba azo ampiharina any?

6. Fiffi ( 21/08/2006 20:53)
soanja:
Inona no hevitra ry rabaradaka?
de tsy hay hoe inona no mba heviny sa mbola lasa nitady hevitra ?


7. prime ( 22/08/2006 11:51)
:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.314