diesel koa ve mety asiana menaka vejetaly

1. dd ( 17/08/2006 08:13)
hanohy ny hevitr'i fijo teo @ lay ray teo aho dia nataoko vaovao, adikako eto ambany lay izy :


ny ahy ny fanontaniako dia tsy ny famanana fiara diesel fa nahare t@ radio (france inter) aho indray andro izay hoe misy olona manisy menaka vejetaly ataony mifangaro 40% @ lasantsy dia mandeha tsara, saingy tsy reko hoe ho an'ny diesel ve io sa ho an'ny lasantsy super?
raha mba misy mahalala ianareo fa any afrika sy amerika atsimo any hono efa be no manao an'io, indrindra ho an'ny fiara efa antitrantitra ... (10-15 taona any ho any)
ka sao mba hoavin'ny firenena sasany koa.
Lay ranamana nitantara an'io dia mavatra mihitsy mitety restaurant maro maka ny menaka ariandry zareo efa avy nampiasanina, dia tantavaniny dia ataony ao anaty fiarany rehefa manao plein iny izy ...

sao mahasoa fa mba lazao zay manana hevitra ...
2. Fanja1 ( 17/08/2006 10:30)
interessant:)
3. andry08 ( 17/08/2006 10:32)
Betsaka ny manao @ huile de colza fa mbola interdit io, aza mba tratra !:)
4. dd ( 17/08/2006 16:00)
andry08: fa maninona no interdit ? sao ve mahatoraka na mahasolo ny lasantsy? sa ve mety manimba ny tontolo iainana...?
sao dia mba tsy mety kosa? sa ny fanjakana mihitsy no manakana? ...

fanotaniana daholo no apetrako fa reko niresaka an'io koa lay ranamana t@ radio reko mantsy, hoe 'interdit' ny huile de colza, nefa izy aza efa nanandrana koa saingy tsy misy anio loatra @ toerana ipetrahany dia naleony maka ireo menaka any @ restaurant !!

sao misy hevitra hafa any amin'ny sasany any?
5. fijo ( 17/08/2006 20:47)
dd ny maha interdit azy,dia misy lalana milaza fa ny solika dia tsimaintsy handoavana haba."taxe petroliere "io,ka raha mampiasa io menaka io enao,dia tsy miditra io taxe io,ka izay no maha voasazy azy.izany hoe tsy sazy penaly loatra le izy fa sazy fiscaly.fa io rah atratra an.raha tsy tratra klo dia mandeha io e
6. Herimiafina ( 17/08/2006 20:49)
ASzo asiana soa amantsara ny diesel kah, ary mety foana io, fa saingy tsara tadidina ny loton'ny maotera avy eo, misy revers foana io na tiana na tsy tiana! :wink:
7. Achia ( 19/08/2006 16:56)
ary ra menaboanjo ve tsy mety e ? :°)
8. dd ( 01/09/2006 09:46)
raha azoko tsara : matoa interdit d noho ny lobbie ny kaompania petroliera ...?
ka efa hita anie izao fa tokony ahena ny fampiasana ny solika erantany e! raha mbola io foana ny angovo ampiasana @ fiara dia hitombo hatrany ny loton'ny rivotra iainana. Asa raha misy maharaka an'io isika eto fa any @ 2060 any ho any dia tena ho tena ratsy tanteraka hono ny rivotra iainana raha tsy dia eny izao isika no mitady vaha olana maharitra ...

d mbola hitohy moa izany ny resaka! ho an'ny zanaka amampara moa izany d ahoana? ...
9. Achia ( 01/09/2006 20:09)
@ zay be ny ol no maty indrindra ny mahantra de ny mpanana sisa velona de migalabona @ zay ry zalah :-D
10. andrianjaka ( 10/10/2006 12:53)
Mety tsara tokoa raha Biodiesel efa voadio tsara, fa raha tsy izany ireny milina TDI (golf IV, Audi, VW Touareg Tdi, ...) ireny no tsy dia mahatanty firy ny biodiesel tsy dia voadio loatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2609