Izaho no zanaky ny jeneraly Ramananarivo Claude.

1. Fiffi ( 16/08/2006 14:04)

Lozam-pifamoivoizana tany Mahajanga:Nizahozaho ho zanaka jeneraly ilay mpamily diso


" Izaho no zanaky ny jeneraly Ramananarivo Claude, kômandin'ny zandarmaria eran'i Madagasikara. Ataovy izay ataonareo fa hifankahita isika any Mahajanga ".

Izay no vava navoakan'ity mpamily ny fiara R. 9 mitondra ny laharana 7305 TV tamin'ireo mpandeha tamin'ny " taxi-brousse Kofmad " mitondra ny laharana 8930 TV. Teo imason'ny kômandin'ny zandarmarian'Ambalanjanakomby mihitsy io tovolahy io no namoaka izany vava be izany rehefa avy nandona ity fiara fitateram-bahoaka ity, alohan'ny hiditra ny tetezan'Ikalamilotra, 125 km avy any amin'ny tanànan'i Mahajanga. Raha nifanena ireo fiara roa ireo dia nodonin'ity fiara R. 9 ity ilay fiara mpitatitra ka simba ny vatany, ary niala mihitsy ny " pare choc " afarany. Noho ny hamafin'ny fifandonana dia efa tokony hivadibadika mihitsy ilay " taxi-brousse " izay nitondra mpandeha maro, niaraka tamin'ny zaza menavava tao anatiny. Soa ihany fa noho ny fahaizan'ny mpamily nanarina ny fiara dia tsy nisy ny loza be nahatsiravina izay efa nahian'ny maro tao anaty fiara. Rehefa tafajanona anefa ilay niharan-doza, dia nahita fa lasa nandositra ilay nandona azy. Nanenjika ireo voadona ka folo minitra taty aoriana dia tratra ihany ilay fiara nandositra, izay somary niafinafina tamin'ny lalan-tany tany an-tsisin-dalana.Raikitra indray ny fifamaliana ka nony tsapan'ny mpamily an'ilay fiara voadona fa mamo ilay nandona azy, dia nanapa-kevitra izy namonjy tobin-jandary tany Ambalanjanakomby. Nanaraka tany ihany koa moa ilay nandona ka dia noraisin'ireo
zandary tao ny filazan'izy ireo avy. Na dia nanolo-kevitra aza moa ny tompon'andraikitry ny zandarmaria tao an-toerana ny amin'ny ahafahan'izy ireo manao raharaham-pihavanana dia tsy nanaiky ilay mamo nandona satria zanak'olona ambony. Raha ny lalàn'ny atontan-taratasy moa dia tokony ho tonga any amin'ny fampanoavana any Mahajanga ity raharaha ity, ka dia miandry ny tohiny izany izao.
Alain Michel La Gazette de la Grande Ile


novalian'i prime ny 03/10/2006 13:05
2. diamondra27 ( 16/08/2006 18:37)
kay kay kay,

tena tsy mety kosa izany e!
de ahoana no mety ho tohin'io zao?
3. Fiffi ( 16/08/2006 19:27)
de miandry ny tohiny zao akia an! fa tena tsy mety kosa aloha an!
4. mirana5 ( 16/08/2006 22:09)
Andraso eo foana ary Paoly!!!!:-D:-D:-D
5. Badobado ( 17/08/2006 05:00)
Dadanla no Gal fa tsy ela ka sao dia hahita kintana lesy! Ekena re fa katraka ianareo ka sahy mirehareha a!!;-)
6. ravatorano ( 17/08/2006 06:20)
zao zany ilay we midingindrambo hihihih
zalah zao no manao ny ataony dia ilay ray amandreny no voahosopotaka na dia tsy nieritreritra akory zany fahavoazana izany aza zao ilay jenberaly, na dia tsy nisaina akory ny hidingindrambo aza ilay jenaka dia nedala zaza kely ary indray no hamporisika ny rainy hidingina ntsssssssssssssssssss ary aza mba azon i GDI ihany koa aloha fa d article mafana miitsy e !
d miandry zé tohiny marina aloha raha hanaraka izany ra Alain Michel é !
:wink::wink::wink:
7. LazaDaddy ( 17/08/2006 06:28)
Izaho no zanaky ny jeneraly Ramananarivo Claude
Ka naninona no nitari-dositra ohatry ny akoholahy fataka? :lol:
8. Fiffi ( 17/08/2006 07:35)
ary lery ange sady nitsaoka no kay mamo be eh ! tssss !! de rehefa hoe zanakin'ny jeneraly de de tokony hay vava tahak'zany koh ?
9. majesty ( 17/08/2006 08:32)
ôtran'ny milay kosa zany stylen'lery zany fa saingy tsy lasa lavitra,manimba ny imagen'ny rainy nedala,tsy aleo ôtranah mba mipiripirina na de zanaka kaporaly aza hi hi hi :D
10. gaba ( 17/08/2006 09:51)
No comment!
11. mamybe ( 17/08/2006 10:28)
Dia mino anefa ve ianareo fa tena zanak'i Jeneraly tokoa izy sa fomba ho entina manindry fotsiny ny azy?
12. Fiffi ( 17/08/2006 13:00)
de aleo ho hita zay lazain'ny gazety ho tohiny zao !
13. ravatorano ( 18/08/2006 10:01)
toa tsisy tohiny kouh
tena simba tokoa ilay image an ilay jeneraly sady vao ovina no nomena ilay fahefana nitondra ny zandary d bandikely mamo ary no miseho mlay b hoe za no zà hihihihihi
:evil:
14. fijo ( 18/08/2006 19:49)
raha tena mihetsika ny gazety any amin'ny raharaha toa izao,dia tsy hosahy hanao toa izany ny zaza.
15. Fiffi ( 19/08/2006 08:07)
asa te fa raha tena marina ny voalaza rehetra de mety ho possible koh hoe tsy hisy suite-ny io aféra io satria zanak'olona ambony ?
16. prime ( 25/08/2006 12:36)
:-w:-w:-w
17. Fiffi ( 25/08/2006 14:52)
efa nahita an'izany manko zah an! de rava fotsiny le aféra!tsy nisy tohiny !!!
18. prime ( 03/10/2006 13:05)
la loi du plus fort...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0872