CV (Resumee) mandehandeha!

1. Herimiafina ( 09/08/2006 19:52)
Inona no tokony hatao amin'ireny CV-nao entin'nysasany hangalana marché etsy sy eroa ireny?

Hazavaiko ny hevitro:
-Maro fahiny ny ONG, Association, EURL mandefa antso hoe mitady olona hiasa ao aminy.
-Tonga ny tenanay hanatitra ny CV sy ny taratsy rehetra ilaina, attestationd e bonne fin sns...

Tsy nisy fiantsoana hiasa akory nefa avy eo, ny mahagaga dia misy fahavoazana foana ireny NGO ireny aty aoriana, resa-bola sns....

Ary rehefa adihadiana dia miasa ao ny CV-nao ary manana poste ao ianao ohatra Commissaire aux comptes interne nefa ianao tsy nantsoina akory, sns.

Figurant no iantsoan-dry zareo azy.

Ka hono hoa, misy fiantraikany amin'ny carrière ve ny zavatra toy izany raha manao gafy ireo NGO ireo? :wink:
novalian'i fijo ny 12/09/2006 21:02
2. fijo ( 09/08/2006 20:07)
azo arahana mihintsy izy raha izany.satria mampiasa ny anaranao,tsy niera.
ny vokadratsiny,dia toa hoe nanao fikafika nareo ,ka ise dia mandray karama tsy miasa.ary io hoan'ise dia ratsy.
3. Herimiafina ( 09/08/2006 20:11)
Somary lasa mantsy ny saiko mikasika an'io satria reko ireo fitiliana ny entreprise sy NGO fantome ao Dago ao amin'izao fotoana izao, ary maro amin'izy ireny no efa nampanantena asa tamiko taloha kanefa!
Manan alibi ihany ve aho amin,ny maha-aty ivelany ahy sa manakory? :roll:
4. fijo ( 09/08/2006 20:19)
ie,ny pasipaoro ohatra dia manamarika tsara ny nialana sy nidirana taty ivelany,ary mitomboka io isaky ny miverina any.eo koa ny factura"jiro sns"fa ataovy tsara tahiry ireny.
5. Herimiafina ( 09/08/2006 20:32)
Ilaina koa ve ny fanaovana toy ny karazana dementi hoe "je n'ai jamais été membre d'une association ou ONG qlconque...."?
6. diamondra27 ( 10/08/2006 06:00)
ilaina daholo izany e!
porofoy fa madio tsara ianao

ahoana no, avelanao hisoloky anao fotsiny zano le olona
7. Herimiafina ( 10/08/2006 14:27)
Ka aiza moa retsy no hahafantarana fa fisolokiana ireny!
Matetika voan'io avokoa ny mpianatra vao mivoaka ny fianarana ataony!
Misy filazana mitady olona hiara-miasa ohatra: sociologue, gestionaire, economiste, agronome, etc.

Avy eo anefa toa lasa collecte de CV ilay izy hamenoana ny isan'ny olona miasa officiellement fa kanefa olona roa ihany dai ireo signataire any amin,ny banky no tena personne physique ao anatin'ilay NGO. Ny anaran'ny ankizy anefa mandehandeha any ambadika rehetra any. :wink:
8. fijo ( 10/08/2006 19:39)
heri,tsaratsara raha manao io fanazavana io koa.raha fantatr'ise ny sampana manao controle dia handefaso fampandrenesana.
9. Herimiafina ( 11/08/2006 19:24)
Okay, misaotra fijo an! :wink:
10. fijo ( 11/08/2006 20:50)
tsy misy koi e
11. prime ( 25/08/2006 12:23)
Mampihoron-koditra ihany izany lazain'i HM izany an... Izaho mantsy anisan'ny tena nahafatrapo mihitsy t@ fandefàna cv rehefa hitady asa izay...
12. fijo ( 12/09/2006 21:02)
tena mampahatahotra tokoa izany .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.156