SOSO-KEVITRA

1. naritsimba ( 09/08/2006 05:00)
Faly miarahaba antsika namana rehetra!

Ity mba misy soso-kevitra arosoko momba ny fanomanana fety sy fihaonana ary fitsangatsanganana.
Mba ahafahan\'ny rehetra miomana tahaka io fandehanana any Toamasina io dia tsara raha dieny izao dia avoaka ny fandaharam-potoana mandritra ny taona 2007, @ izay dia efa miomana ny rehetra na ny fotoana na ny fandaniana rehetra ilaina.

Afaka ihany koa ireo izay avy lavitra manomana ny fandaharam-potoana satria matetika dia efa misy ny fifandaminana any @ toeram-piasana rehefa mangataka fialan-tsasatra (congé).

Izay fa dia manantena fa dia ho karakarain\'ny Biraon\'ny Serasera Dago io \"Calendrier\" 2007 io.

Dia mirary soa ho antsika rehetra.

NARITSIMBA
novalian'i fijo ny 23/08/2006 21:34
2. ravatorano ( 09/08/2006 05:58)
dia ho hita eo izay atao momba ny 2007 ranary ah
ho avy eo ihany io kah
3. Fiffi ( 09/08/2006 05:58)
ka tena hilaina kosa aloha io fanomanana io an! fa tsy hatao hoe 3 na 5 volana aloha fotsiny zay vao "concretizena" le izy ! fa plus hoe hatao mialoha be , plus siora zah fa hahazo namana bdb no ho afaka !:)
4. Samoana ( 09/08/2006 11:12)
naritsimba/ milay koa ilay fihaonana surprise tsindraindray kah !:D
5. naritsimba ( 09/08/2006 12:01)
samoana> tena ilaina zany ka, nanao ahoana le sary le?
hihhihihi
6. MCZ ( 09/08/2006 12:35)
fihaonana sirprizy fihaonana programé samy mety daoly angambany éé héhéhé milay ka :lol:
7. naritsimba ( 10/08/2006 08:06)
MCZ> fa le programe letsy tsara ho fantatra mialoha fa le surprise efa hoe surprise ko!
8. sarobidy ( 10/08/2006 09:50)
slt naritsimba,

Misaotra tam le soso-kevitra fa mafinaritra e , hihiih am sisa zany raha arak'io teneninao io de atao programé ko refa misy fihaonana ôtry ny le tao am zazou fa tsy sirprizzzzz , fa milay nge le mahita sirprizy ee, tahakle olona hitako i ny hihihi,
bizz
9. naritsimba ( 10/08/2006 11:15)
sarobidy> ianao ko ange sirprizy tamiko le oll niaraka taminao eh! 1 sy 1 zany bôl
10. fijo ( 10/08/2006 17:02)
tena marina sy tsara io voalzan'i naritsimba io.mba ahafahan'ny rehetra miomana tsara io
11. mimich ( 11/08/2006 06:33)
naritsimba:

Faly miarahaba antsika namana rehetra!

Ity mba misy soso-kevitra arosoko momba ny fanomanana fety sy fihaonana ary fitsangatsanganana.
Mba ahafahan\'ny rehetra miomana tahaka io fandehanana any Toamasina io dia tsara raha dieny izao dia avoaka ny fandaharam-potoana mandritra ny taona 2007, @ izay dia efa miomana ny rehetra na ny fotoana na ny fandaniana rehetra ilaina.

Afaka ihany koa ireo izay avy lavitra manomana ny fandaharam-potoana satria matetika dia efa misy ny fifandaminana any @ toeram-piasana rehefa mangataka fialan-tsasatra (congé).

Izay fa dia manantena fa dia ho karakarain\'ny Biraon\'ny Serasera Dago io \"Calendrier\" 2007 io.

Dia mirary soa ho antsika rehetra.

NARITSIMBA


Tena tsara ilay sosn-kevitr' i Naritsimba saingy izao: ataoko angamba fa ianao anisan'ny nandray anjara hatrany hatrany tamin'ny fikarakarana ny hetsika nataon'ny sera2 dago ka nahita hoe na firy na firy volana mialoha no atao ny fanomanana sy ny fampahafantarana atao eto amin'ny dinika dia toa mitovy hatrany ny vokany , izany hoe izay te handeha ihany no mandeha sy miezaka ny handamina ny fotoanany mba hahafahany fa ny tsy te handeha de mandoto rano amin'ny fampanantenana poak'aty eto hatrany!. Ary ny zava-misy aza indray2 dia arakaraky ny ipetrahan'ny fanentanana ela eto amin'ny dinika no mampisy ireo mpananihany marobe ka mandiso ny vinavina atao eo amin'ny fikarakarana (sakafo , fitanterana , sns)
Tsy ifanomezan-tsiny anefa izany satria safidy io,
1- misy ny misafidy hijanona ao anatin'ny tontolo virtoaly ,
2- misy ny misafidy tsy hihaona afa tsy amin'ireo namana nosafidiany hifandraisana ihany ,
3- ary misy ny manam-paniriana te hihaona mivantana amin'ny mpisera2 tsy ankanavaka ato anatin'ny tranokala.

Ny tiako ho antitranterina fotsiny dia izao: raha manana ilay safidy 1 sy 2 ianao, dia aoka mba tsy hisy ny fananihaniana be loatra amin'ireny fampandrenesana atao mialoha eto ireny (izany hoe milaza ny handeha nefa efa fantatra tsotra izao fa tsy handeha). Ekena fa malalaka ny fandraisana anjara fitenenana , nefa kosa ataoko fa raha resaka matotra no atao dia mba tokony hasiana fetrany ihany angamba hoy aho ny rsaka vazivazy.
Antony iray io nahatonga ny namana dago nametraka ilay fepetra hoe , tonga dia mandoa vola mialoha izay handeha satria raha ny hevitra omen'ny namana eto amin'ny forum tsy azo ianteherana.
Ny zavatra hita aza matetika dia ilay somary tampoka no mahavory olona maro kokoa noho ilay omanina mialoha be. hihi , tena zavatra efa nisy io , oh iray omeko : ilay fifampiarahabana tatry ny taona nataon'i Ftma niaraka tamin'ny namana dago tamin'ny 07/001/06, tampoka fa nahavory olona marobe ary nahitana endrka vaovao aza.
Efa lava be ny resako fa hamaranako azy dia izao: ilay resaka "calendrier annuel" raisina ny soson-kevitra ary ezahina ny hanaovana izany raha vita , saingy eo amin'ny fahafahana manatanteraka izay voalaza ao anatiny dia miankina amin'ny fahamatoran'ny mpandray anjara sy ny mpiserasera.



12. naritsimba ( 11/08/2006 07:42)
Zà kosa aloha mimich mbola tsy nananihany izany fa zà refa andeha de mandeha, io resaka toamasina io dia e
fa nilaza zà fa tsy afaka raha tsy any @ faran'ny taona any.
Ny tiako ho lazaina @ le hoe calendrier dia ilay dia mandeha lavitra toy io saika atao io satria tsy maintsy misy ny fanomanana ara-bola, ataon'ny tsirairay, fa ny hoe fihaonana tampoka ange dia vitan'ny frais taxi-be ka tsy dia manano sarotra ny famonjena azy eh!

sa ahoana hoy mimich?

Ny fantatra aloha dia hoe, ny mpandeha ihany no mandeha e, izay no nahatonga ahy nilaza hoe tokony nandeha ihany na vitsy aza @ izay mba miampy izay efa any toamasina dia lasa misy ireo olom-baovao, ny mpananinhany dia hananihany foana, fa tsy ho matotra mihitsy.

misaotra mimich ah!
13. ravatorano ( 11/08/2006 10:35)
naritsimba< raha ny fahazahoako ilay resak i mimich dia tsy i naritsimba miitsy no tiany lazaina hoe mananihany fa ireo namana milaza mialoha ny handeha na ho tonga ka manimba ny kaonty sy ny paika ady reetra entina manatanteraka ilay fihaoana izany.

Ilay hoe aleo aloha handeha izay vory eo d tsy dia mety intsony satria nisy tkoa anie ny namana maro nilaza tamin ny finday ny hanemorana an ilay hetsika mba hahafahan izy ireo ka ho fanajana a izay no nanemorana anzzy fa rah ny hoe handeha tsisy olan iny fa vonona ny vitsy ny handeha tokoa .

raha sanatria moa amin ny manaraka ka mbola ny te hihaoana ihany no tonga d mazava ho azy fa d lasa amizay zany satria efa tsisy tsotry ny andrasana

Aleo angaha ny ketrika manaraka no asiana ezaka amizay eh !

:D d ampy e
14. fijo ( 11/08/2006 19:20)
mazava daholo izay,fa dia dinio ary izay manaraka,fa izay izao no andrasana e
15. mbaliana ( 12/08/2006 05:07)
mianjy vao2 koa za e
16. fasaly ( 12/08/2006 05:16)
hummmm! marina lmitsy io ry naritsimba a!
omany meloha be mitsy fa de hifakahita any njay zany ny 2007 e! mba misy hiomanana am congé nay kou sy ny vôkasy ho any dago e! mba tena te hiaraka aminareo namana dago kou nge zahay aty lavitsa e!:wink::-*
17. Fiffi ( 14/08/2006 05:43)
fasaly: ka ny olana @ io akia de zao an: ny vakansy aty juillet sy aout nefa any dago ve de hanao fihoanana nefa mbola mangatsika hono any @ ireo volana ireo koh!
18. mimich ( 16/08/2006 06:33)
fiffi> afaka atao tsara mihitsy ka, zahay anie mpanisy fihaonana isaky volana juillet na aout oh zao ee. fa hodiniina ee, de ezahina omena eo tsy ho ela ny valiny.
19. naritsimba ( 16/08/2006 08:40)
mimich> misaotra aky zandry ah!
20. fijo ( 16/08/2006 21:41)
dia izay izany fa miandry ny daty izahay e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.111