Ny fimenomenomana!

21. mandrindra ( 16/08/2006 08:54)
ilay fiovana mitarika fimenomenomana mitondra zavatsoa?
22. prime ( 16/08/2006 14:11)
ilay zavatsoa manita-tsaina ho amin'ny fiovana...:°)
23. fijo ( 16/08/2006 22:03)
fanina ny akama le
24. prime ( 17/08/2006 08:31)
:°):-D:-D:-D
25. mandrindra ( 21/08/2006 15:12)
tena nisy teny kely latsaka fa izao no saika ho anotaniako : "ilay fiovana mitarika fimenomenona VE mitondra zavatsoa?"
26. prime ( 22/08/2006 10:34)
Ny fahitako azy aloha ry HM dia izao e, ny fimenomenomana mety marina tokoa hoe tsy fahazarana @ zavatra vao2, fa mety koa izany fahafantarana mialoha ny voka-dratsin'ilay fiovana ka fampitandremana sahady ny tsy fahombiazana mety hiseho raha iziriziriana ka mba vao manomboka dia azo ahitsy toy izay efa lasa lavitra vao sarotra avily...:lol:
27. mandrindra ( 22/08/2006 14:40)
prime, dia izay no mahatonga an'io fanontaniana io napetrako
28. fijo ( 22/08/2006 21:36)
raha tsy mbola hita aloha ny vokany"na tsara io na ratsy"tsy mbola tokony hikredy aloha.
samy nykredy izao tamin'ilay resaka omby vavy be ronono,nefa izao ny mpiompy mitaky ny hanafarana hafa indray.ka toa izany koa ny lalana,"ny lalana tsy mahavoky e sns,nefa izao samy mba te hanana lalana tsara daholo ny faritra rehetra;
29. prime ( 24/08/2006 09:17)
fijo> fa nimenomenona ny olona t@ détaxations fa tsy nohainoana, vokany nitotongana be ny toekarena... nimenomenona ny olona t@ jirama fa tsy nohainoana, vokany mbola mihavotrosa noho ny teo ny fitantanana ny jirama ankehitriny, nimenomenona ny olona t@ tataon-ketra fa tsy nohainoana, vokany nidina be ny fidiram-bolam-panjakàna...:°)
30. xxx ( 24/08/2006 14:21)
Nu fijeriko azy dia mitovy @ resaka publicité ilay izy : tratra ny tanjona raha toa ka misy réaction ilay population cible , izany hoe voarainy ilay message ary mi se senti concerné izy.

Toy izay koa izany, raha mimenomenona ny olona @ fanovàna dia tratra ny partie n'ny tanjona satria voarainy ilay message, dia ni réagir izy

Avy eo indray tena resaka hafa mihintsy ny hoe mitondra soa sa tsia. Mivadika indray mantsy ny sary hoe voarain'ny fitondrana ary ve ilay "menomenona" sa tsia
31. prime ( 25/08/2006 09:49)
xxx> =D
32. fijo ( 29/08/2006 22:19)
le jirama aloha izao efa mitady hevitra ny fitondrana hialana amin'ilay olana,satria tena nahatsiaro tena ry zareo fa tsy rariny ilay izy.ny sasany tsy arako izay fandehany
33. prime ( 30/08/2006 09:21)
Efa nisy fanarenana goavana natao tokoa ny jirama fa mbola lavitra ny afo ny kitay... Dia izay no nidirana @ trosa be io indray ho fanohizana an'ilay fanarenana... Fa etsy ankilany koa tsy maintsy manao an'io ny fitondràna satria hoavy ny fifidianana, ka raha vao misalasala eo @ resaka jirama dia vita ny aminy... Izay no mahatonga an'io "investissements" be io @ groupes isam-paritany... Avy eo ho hita eo indray hoy mpitantana... (pilotage à vue foana e...)
34. fijo ( 30/08/2006 21:46)
raha mbola hiantehatra amin'ny petrole aloha dia tena tsy hiova io e.
35. prime ( 31/08/2006 12:06)
Ka izay anie io ataon'ny fitondràna izao io e...
Nivoaka omaly indray izao ny rapport fa mbola trosa miavosa indray no miandry ny fanjakàna ao @ jirama... fa efa mailo ry zalahy dia niditra nitrosa indray aloha ny Ministeran'ny angovo anenjehana fifidianana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0641