Liban

1. yonikafopl ( 05/08/2006 05:10)
Tsy misy tokony hahataitra sy hampikoropaka ny zava-misy aty Liban. Ity misy vavolombelona iray.
http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=354
novalian'i Fiffi ny 09/08/2006 07:28
2. Fiffi ( 05/08/2006 05:54)
tena tsy hitako le izy ! ny zavatra hitako e hoe 13 fotsiny no mba nisoratra anarana ao @ ambasady ?
3. Fiffi ( 05/08/2006 05:58)

Krizy ao Proche Orient: Ahiana ny hihitarany!

Ho antsika eto Madagasikara izao dia fantatra fa hisy malagasy, izay mipetraka any Liban, ho afaka ny hody amin’ny faran’ny herinandro. Apetraka ao Damas aloha izy ireo, mialohan’ny hakany ny zotram-piaramanidina marokana, hitondra azy ireo aty an-tanindrazana. Tsy fantatra aloha hatreto ny hoe ahoana ny fandraisana azy ireo sy ny fikarakarana tokony hataon’ny fanjakana.
Henjana ihany ny fandidiana eo amin’ity krizy maneran-tany ity ary tsy fandeferana kely fotsiny sy tsy fahaizana mampitony ny hambom-po dia ahitan-doza ho an’ny mponin’ny planeta maneran-tany.

Samy mivaky loha amin’io toe-draharaha mitranga eo anivon’i Proche Orient io avokoa ny firenena maneran-tany, indrindra fa ireo tany matanjaka.

Mbola tsy hita taratra izay fanantenana mety hitsaharan’ny disadisa eo amin-dry zareo ao Liban sy ny israelianina. Manomboka very hevitra ary kivy ny eo anivon’ny firenena mikambana satria miha sarotra hatrany ny fandehan-javatra noho ny fahafatesana sivily tsy manan-tsiny marobe.
Ny Papa Ray masina, Benoît XVI moa, omaly, dia tsy nisalasala naneho ny alahelony eo anatrehan’ny zava-misy. Nanao antso avo araka izany ny tenany mba hisian’ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra hahatongavana amin’ny fampitsaharana ny fanafihana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nitondra am-bavaka manokana an’ireo maty sy naratra, izay lasibatry ny zera baomba isan-karazany ny tenany, ary nampanantena fa napetrany amin’ny mpanjakavavy Masina Maria izao olana izao.
Mifaningotra be ihany ny fandehan-javatra satria ny iraniana ohatra dia voatondro ho mamatsy fitaovam-piadiana an-dry zareo libanais. Ity firenena ity anefa dia manana olana amin’ireo firenena manan-katao indrindra noho ny famokarana angovo nokleary, izay mbola nohamafisin’ny filohany fa tsy hihemorany velively na ho lasa lavitra aza.
Vao omaly no nirefotra indray ny daroka baomba izay nalefan’ny Tsahal tao Palestina ka niteraka faty olona. Mbola mangotraka ny ady ao Irak. Ny tena atahorana indrindra dia ny fivoriana izay niraisan’ireo tany silamo rehetra ao Proche Orient, ary namoahan’izy fehin-kevitra somary hafahafa ihany. Nambaran’izy ireo mantsy fa miray tsikombakomba amin’ny israelianina ny firenem-baventy ary manome vahana an’ity farany. Notsoriny mazava fa ho tezitra ny silamo ary mety hiditra an-tsehatra raha mitohy izao vonoan’olona izao.
Raha ho tonga amin’ny fidiran’ireo firenena ireo an-tsehatra ny raharaha dia ho sarotra satria tsy ho afaka ny hijery fotsiny ny amerikanina sy ny namany. Ahiana, mazava loatra, ny hahatongavan’ny ady goavana kokoa noho izao efa misy izao. Aoka tsy hohadinoina fa
ankoatra izay dia nipoitra vao tsy ela akory ilay raindahin’ny fampihorohoroana, ingahy Ben Laden, ary nanao fampitandremana mafy an’ireto firenena manan-karena ireto. Hanao tohivakana ary ve ny ady?
Na tiana na tsy tiana dia misy fiantraikany amin’ny tontolo ara-toekarena maneran-tany izao gidragidra izao. porofon’izany dia tsy mety miverina amin’ny vidiny teo aloha intsony ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny tany mpamokatra solika avokoa mantsy no iharan’izao fahavoazana ankehitriny izao.
Raha hiverenana kely ny tantara, satria maro no tsy tena mahafantatra tsara ny fandehany, dia toy izao: nihalalina sy nanahirana ny disadisa teo amin’ny Liban sy Israel, nanomboka tamin’ny 12 jolay lasa teo satria nisy miaramila israelianina anankiroa nosamborin’ny milisy Hezbollah, ary valo hafa maty nandritry ny fifandonana nisy teo amin’izy ireo sy ny andian-tafika israelianina. Nitaky ny hamotsorana an’ireo namany izay nosamborin’ny israelianina ireto Hezbollah ireto, izay vao avoakany ireo miaramila israelianina anankiroa azo babo.
Avy hatrany dia fandarohana baomba ny toby misy ny Hezbollah no nataon’ny
israelianina ary lasibatra ka potika noho izany ny fotodrafitrasa isankarazany: seranam-piaramanidina, foibe mitondra herinaratra, fitaovana fampitam-peo sy sary (émetteurs). Efa ho an’arivony no maty ary maro ireo maratra (zaza amam-behivavy, tanora sns). Mamaly bontana ary tsy manaiky resy koa ny Hezbollah amin’ny alalan’ny tifitra misila ao amin’ny tapany avaratr’Israel ao. Ny 1 jolay lasa teo dia nanomboka niditra tamin’ny fanafihana an-tanety ny israelianina, izay manana tanjona farafahakeliny anankiroa dia ny fanafahana an’ireo namany anankiroa izay voasambotra sy hanosehana an’ireo Hezbollah ao amin’ny tapany atsimon’i Liban. Etsy ankilany anefa dia mbola manohy ny fanafihana koa ao amin’ny sisin-tanin’i Gaza izy ireo. Misy amin’ireto farany anefa no minisitra na olom-baventy ara-pôlitika ao an-toerana ary lasa raharaham-panjakana ny olana mitranga ankehitriny. Ny vahoaka libanais rahateo manameloka avy hatrany ny fanafihana izay atao aminy ary maneho firaisan-kina tanteraka amin’ny mpiray tanindrazana aminy. Samy miezaka ny mitondra vahaolana avokoa ny goavana rehetra saingy mbola tsy tody hatramin’izao. ho an’ny firenena mikambana dia ny lafiny mahaolona sy ny fiarovana no nidirany ary eo any an-toerana ny miaramila misatro-manga. Ny solon-tenan’ny vondrona eoropeana, Javier Solana, ny ministry ny raharaham-bahiny isany frantsay sy amerikanina, Philippe Douste-Blazy sy Frank-Walter Steinmeir ary ny sekreteram-panjakana amerikana Condoleezza Rice, dia efa samy niditra teo amin’ny fanelanelanana avokoa saingy tsy tafavoaka.

Ismaël R. La Gazette de la Grande Ile
4. yonikafopl ( 05/08/2006 06:10)
5. dadabe ( 05/08/2006 07:26)
:lol:
6. boubounezy ( 05/08/2006 08:06)
aza misy taitaitra ony zany tsika namana @ situation any liban fa mandé tsara ny fianany gasy any e! tsisy tokony ampiasa lou antsika zany!! fa zareo any ary no efa mijoro vavolombelona.tsara ka!:D:D:D:D:D:D
7. vale ( 05/08/2006 10:53)
tsara ky zany yonika! ah:wink:
8. Herimiafina ( 05/08/2006 13:33)
Mahereza retsy ry yonika an! :-*:-*
9. xxx ( 06/08/2006 07:36)
Marina fa misy ny ady any liban ;efa misy ny mijoro vavolombelona marihana ko fa ny presse sy ny media ko nge ka mahay milaza zavatra eh; ny valala misy ny mpilaza mahay; matoa mbola ts maika ny hody ny gasy any liban mazava ho azy fa mbola tsy riska ho an'dry zareo ny fijanonana any tsy adala akory reo ka efa tany miady ka mbola hijanona dia misaotra an'i yonika nanome vaovao et prend soin de toi et de ta famille
10. xxx ( 06/08/2006 08:22)
200 dollars/mois :cry:
11. yonikafopl ( 06/08/2006 10:15)
xxx farany, inn no mampitomany an'i toi mahita ilay 200$ / mois??????

200$ =429600Ariary.

Iza no mikarama an'izany any M/car kay? de avy eo io karamany io mbola hanalana hofantrano, sakafo , sy ny sisa, de ohatrinona no mijanona avy eo?

ary raha any frantsa toi ohatra, ohatrinona ny karama? betsaka tokoa, fa ohatrinona no mijanona am-paosy? ohatrinona isantaona no voahangona??

ny an'ny ankizy aty nefa 200$/ mois tonga dia ampaosy, tsy ialana nininn .2400$/an, mijanona 3 taona dia 7200$ no entina mody. niala tany Dago tanampolo fa miverina any kosa mitondra mody.
Ka inona no tokony hanamaivanana izany??
ary misehoa xxx fa aza miafina, fa zahay aza tsy miafina satria tsy menatra am zava-misy.

ary araka io voalaza io, misy aza ny mikarama 100$/jour na mihoatra aza ireo izay mianto-tena.

Merci
12. xxx ( 06/08/2006 13:23)
200 dollar antonony tsara kosa io eh any dago nge tsy misy manakarama anao an"nzany eh za efa nanana experience niasa taty ivelany nikarama toa an'io ko ny asa aloha de mazana! nefa ny vola no jerena (refa misy asa toy zao ko ny mpanaratsy de tsy maintsy misy oe mijaly ny ankizy miasa any liban eh; tsivanona la mpampiasa eh sns.. amiko aloha reny de le olona tsy nahazaka asa ary surtout reo le olona zatra nikilavaka io mantsy de tsy afaka mintsy toetra ratsy io te _handray vola nefa tsy te hiasa )
yonkafopl : tiko marihana aminao fa za le xxx namaly anao voalohany io ambany fa tsy le nanakina le 200dollar aleo hazava ny resaka de mazoto eh! mahereza
13. Herimiafina ( 06/08/2006 14:07)
Calma retsy njy ry Yonika an!
Ahoana ihany ny fanapahan-kevitry njy farany, toa mihitatra be ilay ady raha ny fahitakoa zy klé. mahereza e! :-*
14. xxx ( 06/08/2006 22:19)
zaako io nitomany io. tsy manaratsy akory za fa malaelo.
15. Fiffi ( 09/08/2006 07:28)
ndryyyyyyyyyyy !! de aza mitomany ry xxx fa hivavaho ry zareo an! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1782