Fangataham-bavaka

1. LazaDaddy ( 02/08/2006 07:30)
Hoy ny lalana silamo ao Malaisie:
"Sesiapa yang menukar agamanya (murtad), maka hendaklah ianya dibunuh"
Dikateny malalaka:Na iza na iza miova finoana dia voaeloka ho faty

Mangataka vavaka ho an'i Lina Joy.
I Lina Joy dia vehivavy Malay, silamo niova finoana ho kristianina t@ taona 1990, natao batisa t@ 11 Mai 1998. Resy tamin'ny tribonaly izy ary nampiakatra fitsarana ambony.

Raha azonao atao dia ajanony kely roa minitra ny serasera ary mivavaha ho azy.

Misaotra anao eram-po eran-tsaina mitondra azy amim-bavaka.
http://www.graceatwork.org/view.php3?Id=327
novalian'i prime ny 11/08/2006 09:27
2. Fiffi ( 02/08/2006 07:36)
LazaDaddy:

Raha azonao atao dia ajanony kely roa minitra ny serasera ary mivavaha ho azy.
azo hatao tsara ny mivavaka ho azy na tsy hajanona aza ny serasera kah! tsy misy ora , tsy andro , tsy voafetra ny fotoana rehefa hivavaka .


3. prime ( 02/08/2006 10:53)
Mampalahelo izany... Andriamanitra anie hiaro sy hitahy izany mpanompony izany...
4. Zoniaina ( 02/08/2006 14:40)
ary raha Kristianina mivadika silamo dia manao ahoana??
5. Zina ( 02/08/2006 15:38)
ary raha Kristianina mivadika silamo dia manao ahoana??

angaha moa misy olana eeee...Mande ho azy zany :evil:

Za tena mino mihitsy fa ho hampin'Andriamanitra izy na ho ela na ho haingana... Tsy misy hatahorana io...manana finona amin'izany ry reto a..
6. fens ( 02/08/2006 15:59)
Andriamanitra no aoka hitsara azy! de efa mivavaka aho zao!
7. Fiffi ( 02/08/2006 18:25)
sady Andriamanitra mitsindro hatrany ny zanany.
8. Zina ( 03/08/2006 12:10)
Zanak'Andriamanitra tsy mba very mande mihitsy.
9. Fiffi ( 04/08/2006 05:17)
^:^^:^
10. belahasa ( 04/08/2006 09:40)
Zoniaina:
ary raha Kristianina mivadika silamo dia manao ahoana??



dia ajanony telo minitra ny serasera dia mivavaha any amin'Andriamanitra Allah. Tsotra kely
11. diamondra27 ( 06/08/2006 12:23)
Andriamanitra tsy manome zioga tsy ho zakan'ny zanany; koa ny anjarantsika de mivavaka ho azy, fa ny sisa de Atra sy io olona io ihany no mahalala ny ho aviny.

Tsy voatery hajanona ny serasera fa afaka mivavaka mangina ho azy isika na @fotoana hafa aza.

Misaotra nampita ny vaovao.

Ho fampaherezana antsika: ny zanak'Atra dia tsy maintsy enjehina ary misedra épreuve, izany anefa tsy atao hahakivy fa famporisihana anao handroso @ firaisana @ Kristy. Fantaro fa Mpandresy lalandava ianao @ alalan'i Kristy.
12. belahasa ( 08/08/2006 06:23)
ndao ajanona efatra minitra ny serasera hiarahan-tsika mivavaka ho an'ny hezbollah.
13. LazaDaddy ( 08/08/2006 06:52)
belahasa> tena ilaina tokoa ny mivavaka ho an'ny hezbollah mba hialany amin'ny toe-tsaina feno fankahalana, toy ny vavaka ho an'ny Israelianina mba ahaizany "mandresy ny ratsy amin'ny tsara" fa tsy @ valifaty :)
14. belahasa ( 08/08/2006 12:34)
ndao aza isika hiara ivavaka ho 'nany hezbollah

mijanona efatra minitra ny serasera lol
15. prime ( 08/08/2006 13:43)
Mahereza mivavaka ary e...:)
16. belahasa ( 09/08/2006 08:30)

misaotra miara miombom-bavaka e
17. prime ( 11/08/2006 09:27)
Ho tahian'Andriamanitra sy harovany anie Lina Joy @ ady mafy atrehiny...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2125