Mba vakio dia ahoana ny hevitrao

1. rabaradaka ( 01/08/2006 11:17)
http://www.monde-diplomatique.fr/2006/03/PIGEAUD/13258
novalian'i prime ny 12/09/2006 15:17
2. Fiffi ( 01/08/2006 12:12)
de mba ahoana hono no mba hevitr'i rabaradaka @ io ?
3. Herimiafina ( 01/08/2006 14:48)
izaho tena tsy mba tia an'io MSF io mihintsy e, ny MSF Suisse no mba nankasitrahako fa ny MSF Frantsay tena mijapy train fotsiny.

Niara-niasa tamindry zareo ireo izahay fony tao amin'ny CRS sy UNICEF fahiny fa dai gaga daholo amin'ny fomba fitondrandry zareo baolina, be sitrampo be satria tsy mahay dai lazainy foana fa ny fanjakana no tsy misy engagement sns, tsssss:twisted:
4. fijo ( 01/08/2006 20:24)
laza sy vola koa no ilainy ka,
5. prime ( 02/08/2006 09:38)
Fa misy kely analyses sy fomba fijery hafa noho ny mahazatra kosa e!!!!:lol:
6. Herimiafina ( 02/08/2006 13:38)
Nametraka olna taminay mpiasan'ny ONG hafa mihintsy io MSF Frantsay io fony mbola tany Dago satria dai faritany be mihintsy ny zone d'intervention-ny kanefa ny lazainy fa anao no hitsakitsahiny.

Marina fa samy ONG fa hitako tsy mety kosa ilay mandefa entana toy ny fanafody any amin,ny magasin ny ONG hafa ary tsy dai mety ilay miteny hoe tsy tokony hdiditra any Belo sur Mer ianareo fa terrain anay any.

Inona anefa no zavatra mitranga any? Ry zareo aloha dia tsy mba misy teratany malagasy mihintsy miasa miaraka aminy fa dai Frantsay anakivalo, ny saofera ihany no mba malagasy.

Tonga ao amin'ny Sous-Prefecture amin'ny alina dia manaitra ny sous-prefet sy ny mpikambana ny ONG rehetra manao didy jadona hafahafa izay manao hoe, manomboka izao dia iry faritra iry anay ary miala tao ianareo fa ny anareo ary ry CRS sy ry UNICEF.

Lasa toy ny mpiasa antrano ny olomanankaja rehetra hirahina handeha ho any amin'ny 400km ary mi-bascule avokoa ny programma rehetra.

Rariny raha somary mandà ny sous prefet sy ny Maire satria mila lasantsy ary mila mandeha taxi-brousse avy eo.

Efa tena fahavoazan'ireo Frantsay ireo mihintsy ilay mijapy traina min'ny fanjakana amin'ny zavatra hataony. aiza ny amerikana?

Ny amerikana mantsy tonga dia directa mandeha beneficiaire fa tsy mandalo fanjakana fa kosa tena collaboration amin'ny fanjakana hanome halalana ho azy no tadiaviny.

ny Frantsay kosa mbola ny fanjakana izay efa malemy no forcer-ny hanao ny asany, dai tezitra izy rehefa mimenomenona tsy mety ny sous-prefet, sanatria tsy andevo ny malagasy fa tena toy izay no hitako handraisandry zareo azy. :roll:
7. prime ( 02/08/2006 13:45)
HM> francophobe mihitsy an!!! vazy2 ny ahy fa izaho koa tsy dia mahazoazo an'ireo, fa ny fahitako azy, tsy voatery ho diso daholo koa ireo lazainy ireo na dia manana endrika fanambaniana aza hoe "l'yaourt et l'église"...
8. fijo ( 02/08/2006 18:47)
za aloha,dia tsotra.na dia hanampy aza ny vahiny,amiko raha vao io maningavinga ny gasy io,dia aleo hijanona.tsy ny fanampianao akory no entinao hanambaniana ny teratany.
9. Herimiafina ( 05/08/2006 12:07)
Prime, izaho tsy francophobe kah. Mba manakiana ny frantsay sasany cooperant any Madagasikara fotsiny amin,ilay fomba fiasa hafahafa e. Misy milay fa misy tsy milay any ry zalahy ireo an!

Io anie no antony somary tsy dai itiavan'ny maizina ny Frantsay intsony ankehitriny e.
Ny amerikana rehefa manampy dai tena tonga dai any amin,ny beneficiaire foana, fa ny frantsay makany amin,ny fanjakana aloha dai voahodikodina any ny ampahany amin'ny saosy dai tsy hitan'ny vahoaka.

Raha jerena amin'ny endrika hafa indrya dia ny amerikana manao publicité be ny tenany (promotion de valeur) raha oharina amin'ny frantsay dai tsy dai hita intsony ny Frantsay amin'ny resaka developpement. :wink:

10. prime ( 07/08/2006 11:54)
Kanefa isika dia tsy ho afaka @ frantsa mihitsy na mbola ho any @ repoblika faha 5 aza...
11. fijo ( 08/08/2006 17:37)
izay aloha ekeko,fa na izany aza,isika dia hafaka mifanazavatsara hoe izao no ilainay,
12. prime ( 10/08/2006 09:58)
Marina ny anao anie ry fijo e! fa hery tsy mitovy... frantsa tsy mamela ny tombotsoany ho antsika mora foana fa misy takalony mbola lafo vidy tsy omeny anao ao ambadika...
13. fijo ( 15/08/2006 21:50)
prime ekeko mihintsy hoe misy takalony foana.izay koa anie no tadiavina e.tsy misy izany gratos izany.fa eo amin'ilay adihevitra isika no mila mijenjana kely.tadidio,fa lafrantsa dia efa manomboka very,mba tsy hilazako hoe very,fahefana aty afrika.izay no mahamaika azy amin'ity francophonie ity.efa tsapany,ny gauche aza efa nilaza an'io,fa ny afrikanina dia efa manalavitra an'ny frantsa,ary tsy voafehin'ny lafarntsa intsony.ka eo ,dia azo apetraka tsara ny resaka."izahay,dia hiaraka aminareo,fa ny fifandraisan tsika kosa dia mila asiana fanamboarana ".de samy mijery ny azy e."ilaina izay.fa tsy hoe "eka patron" foana.
14. prime ( 16/08/2006 13:52)
ka le rapport de force mbola mitanila be tsy misy ohatr'izany... ny toe-karena mbola izy no tompony sy mandidy dia lasa ilay fifandraisana fifampihatsarambelatsihy fotsiny fa ny matanjaka matanjaka ihany...
15. fijo ( 16/08/2006 22:06)
ka io azo atao fifaninanana ka,.toa an'i nigeria,izay mampitamby an'ny frantsa.mody manantona be an'ny USA izy,ahafahany mifamaly tsara amin'ny la frantsa.jereo fa senegaly koa dia manao toa io,ary mahasahy mamaly tsara an'i fransta.i algery moa dia tsy lazaina intsony
16. prime ( 17/08/2006 09:07)
Ka ireny anie raha ny fahafantarako azy toa mba firenena efa miarina ihany na dia mbola sokajiana ho mahantra aza e... ry nigéria sy alzeria aza mambra ny opep mihitsy... fa ity no tsikaritro an, ny "occidentaux" ireo koa mbola tompon'ny sinema an... fa ny amerikàna mody be filaza fa raha mbola tany teo ambany vahoan'ny frantsay fahiny tsy sahy miditra izy raha tsy hoe angaha voatohina mivantana ny tombotsoany, ohatr'ireo tany kely afrikana rehetra manamorona ny gôlfa persika sy ny "canal de suez"...any @ tany teo ambany vahoan'ny anglisy izy no sahy mivatravatra...
17. vetsoko ( 30/08/2006 14:02)
tsy nisy nanisy resaka ry rabaradaka le fivavahana nampiasain'ny mpanao politika a!manelingelina koa le izy e!ovay indray ny sujet
18. fijo ( 30/08/2006 21:52)
prime marina izay zavatra lazain'ialahy izay taloha.momba ny zanatany frantsay taloha,fa efa manomboka miova le tantana.ary ny aty frantsa aza efa matahotra satria ny bekintana ,avy dia miditra be amin'ny koltoran'ireo tany fahiny.
ny frantsay anie dia io koltora io no tena nosimbainy e,ahafahany manjaka,ka raha io no voasariky ny hafa dia vita ny aminy.
19. prime ( 31/08/2006 11:53)
fijo> Marina tokoa fa ny fanapotehana kolon-tsaina no herin'ny frantsa... Fa ny toe-karena mbola izy no tompony, jereo ny orinasa eto dago, azo isaina @ rantsan-tanana 5 ny orinasa malagasy lehibe (tena atao hoe lehibe), ny zones franches moa dia mazava, ny banky, ny assurances, ny grande exploitation agricole, ny grande exploitation minière, ny grande exploitation des ressources maritimes, ny transports (air mad, miezaka mafy fa @ exploitants sy ny compagnies miasa eto dago dia 80% frantsay aby), ny grands centres hôspitaliers rehetra, ny grande société de distribution rehetra... ankoatr'ireo orinasa tantanan'ny vahiny hafa... Dia rapport de force hifandanja ahoana? tena tsy hitan'i fijo tokoa ny zava-misy aty an...
vetsoko> Oops, tsy mivily ilay size fa tari-kevitra mifanjohy ihany e... Avereno ary dia ndao tohizana...
20. ferrari ( 31/08/2006 20:25)
rabaradaka:

http://www.monde-diplomatique.fr/2006/03/PIGEAUD/13258


Nisy president hoe gouvernement nijanona plus de 10 ans au pouvoir nisy zavatra natao tsara dia misy ratsy. Fa haverinao qu en 5 ans izy ve dia havita zavatra be. Marina misy tsy mety fa misy ko mety. Si cela continue l Eglise va finir par gouverner comme avant la revolution francaise (1789). Kanefa tsy mety izany tsy maintsy sarana ny fiangonana sy ny gouvernement. Tsy mety ko ny role ny President na gouverner ny pays na mi diriger ny entreprise. Farany tsy maintsy misy ray mandeha tsara. Si le peuple malgache et avec le soutien tardif des intendances internationales, Ravalomanana a ete elu President. Anazy no mieritreritra na politicien na chef d entreprise. Fa casquettes roa tsy mety. A lui de tenir ses engagements, le peuple l a elu c est qu il croyait en son programme. Et les sauts d humeur d un president va l encontre de l image d un 'chrétien'. Il a ses priorites et ceux de son peuple ne sont pas les memes. Il veut laisser l image d un batisseur malheureusement le peuple survit de facon quotidienne. Dia ny probleme ko dia ny facon de pensee ny gasy, marina fa mafy be ny fianana donc il vive le jour le jour tsy mieritreratra fa mbola misy ny rahampitso. Manantena fa ny prochain gouvernement misy olona de terrain .: il faudrait des technocrates au lieu de burocrates.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2133