YONIKAFOPL na/sy MIMISS

1. tsoupou ( 26/07/2006 16:24)
Mba omeo ny vaovao any Liban zahay gasy eto am tanàna fa tsy naare mitsy oe nanakory sy nanakory aby ry nareo tany.
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m44c7770
répondu par yonikafopl le 07/08/2006 15:23
2. Zina ( 26/07/2006 17:38)
jereo eto http://forum.serasera.org/?rub=dinika/topic&topid=t3f339e958b1cc
3. dadabe ( 27/07/2006 01:48)
http://english.aljazeera.net/NR/exeres/54C8AFC7-8C97-4C4F-B38D-D41E6169C42E.htm

io less a! dia mazotoa e :D
4. majakely ( 27/07/2006 08:19)
de aiza tokoa i yonikafopl sy akamatiana ooo???mandalondalova ihany ooo,,,de bizzz :-*
5. yonikafopl ( 27/07/2006 10:21)
ry tsoupou kounkou de efa manaitra ery, neveriko fa nisy inn no de natao nivandravandra be le ps nay hihihihihihihihihi
efa misy vaovao ao eeeee,
majakely mandalo ihany rehefa mbola misy connex aky aaa
6. tsoupou ( 28/07/2006 06:09)
Misaotra e, ka tsy maintsy natao mivandravandra iany lé izy amzay hitanareo nge e :D.
Mba mitaintaina iany na dé tsy havan'ny tena aza ko, sô dé voadaroka bômba any.
7. prime ( 02/08/2006 12:32)
:lol:
8. tsoupou ( 02/08/2006 13:22)
Mimémé daoly tsika nefa lé rôpilana hitondra lé gasy any aza na im-10 miverna tsy mahazaka ny gasy 300 any akory :cry: :cry: :cry:
9. prime ( 02/08/2006 13:41)
Hoy ny ministeran'ny raharaham-bahiny t@ fahitalavitra, tsy misy atahorana ny ady miseho any ho an'ny gasy satria lavitra ny misy azy ireo ny ady... marina ve izany ry yonikafopl???:lol:
10. yonikafopl ( 03/08/2006 12:55)
prime marina dia marina tokoa
11. tsoupou ( 03/08/2006 13:02)
Sûr ary e, raha misy maninmaninn ny gasy any dé Yonikafopl no tompon'andraikitra 1er eto am serasera an =))
12. dadabe ( 07/08/2006 01:03)
Mpandefa : tsoupou [ Valio ] 03-08-2006 18:02:15
Lohateny : Re : YONIKAFOPL na/sy MIMISS
Sûr ary e, raha misy maninmaninn ny gasy any dé Yonikafopl no tompon'andraikitra 1er eto am serasera an

tsy eto @ seraser4 ihany fa tena reel mihitsy

ambasadera kely anie i yonikafopl any liban ry zandry e
13. yonikafopl ( 07/08/2006 14:19)
tsoupou hihihihihihi
fa nahoana no izaho no ho tompona'andraikitra kay? matoa lasa taty Liban dia olon-dehibe daholo, tsy misy afaka ny hanery ny tsirairay hijanona na handeha hody.Izaho nanao ny adidiko, rehefa nametrahan'ny tao amin'ny ministeran'ny raharahambahiny hoe mba ilazao ny malagasy hody, fa ny aina ambony noho ny vola sns...., sy ny fianakavian'ny sasany, rehefa miantso sy miresaka amin'ireo ankizy aho, dia ny hoe milamina aty amin'ny misy anay, fa izahay tsy hody, tsy misy tsy maty tsy amin'ny androny fa rehefa ho avy ny fahafatesana na aiza na aiza dia maty fona. Ka inona no azoko atao, hanery ve we tsy maintsy mody nareo ee, nefa za izay miteny aza tsy hody akory?
Malagasy 5 fotsiny izao no any amin'ny ambasady Marocain any miandry depart, ka asa na alefanjareo ihany, fa mila olona farafaha keliny 20 hono, nefa tsy ho feno io.
Ka aza atsipy aty amiko ny tsiny ry tsoupou fa samy olondehibe ny aty, tompon'ny safidiny, samy tompon'andraikitra amin'ny tenany.

Za ry dadabe tsy ambasadera fa namana tsotra vonona hanampy izay mila fanampiana raha ananako ny moyen hanampiana.
14. hery ( 07/08/2006 15:03)
Toa efa ho vita ihany ny ady ka raha tena tsy naninona tokoa ny Gasy dia inona moa no hodiana? Yonika aza tsy mody :-)

Sarotra be tokoa mantsy ilay miverina rehefa avy eo
15. yonikafopl ( 07/08/2006 15:23)
hery :)

za kou ry hery miheritreritra hoe mamely faraparany tena mafy be zareo io vao hamarana, fa ngamba tsy ho ela de hifarana, enga anie :)

Ka raha mety ihany nge ny hatao, raha tsara ny plasy sty misy atahorana, nefa mbola tsy manana ny ampy hahavelona akory, le ndeha hiverina hody any, hiverina amin'ny fijaliana izay noheverina hialana, mafy be koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0726