EGALITE DE MOYEN

1. tsoupou ( 26/07/2006 14:01)
Ony oa e, mety ve ary rariny ve izany hoe asiana égalité de moyen (financier et technique) am fifidianana. Na be vola na kely vola zany dia tokony hitovy daholo ny vola sy ny fitaovana ampiasaina.
D'accord ve nareo ??? Inona ny lafi-tsarany sy ny lafi-ratsiny ???
:-w :-w :-w :-w
novalian'i tsoupou ny 03/08/2006 13:03
2. lapino ( 26/07/2006 14:46)
Tsy mety izany satria impossible:
- hanokana firy miliara izany ny fanjakana hamatsiana ara-bola ny kandida tsirairay amin'ny propagandy? rabaradaka anefa atsy ambadika efa mimenomenona fa tsy vita ny lalan-kely
- amin'ny fomba ahoana no hisakanana an'ireo kandida tsy hampiasa ny volany araka izay ilany azy?

Ho lasa loharanon-korontana io raha tadiavina alefalefa izany. Raha zohiana koa ange ilay fitoviana, maninona koa raha propagandy iray ihany no atao itambaran'ny kandida rehetra ary?
3. tsoupou ( 26/07/2006 16:21)
Za lesy mba gaga a, dé nefa izany no dradradradraina angatahin'ireto mpanohitra motraka ireto (zé motraka an). Tokony refa tsisy moyen dé tsy manao fotsn tsotszao fa tsy milamila vaniny @ zavatra impossible zany.
Nga izy ty hanao cotisation-mpianakaviana ka refa oe 25 000 oatra ny anjaran'ny tokantrano tsirairay dé tsy maints zay ???
4. elsami ( 27/07/2006 11:05)
Raha fifidianana no resahina dia mety ho sarotra ihany ny hanatanterahina izany satria tsarovy ihany koa fa fifaninana io ka anjaranao mpifaninana no manao izay afakao sy izay tokony hovita ary eo ihany koa dia efa anisany handrefesan'ny olona izay mety ho vitanao sy ho tratranao.Tsara koa ny manipika ary tsy azo hatao mihintsy ny mampiasa fitaovam-bahoaka satria eo ihany koa mantsy no somary angalan'ny eo am-perin'asa bahana ka somary tsara départ ihany izy.
Iza koa no azo heverina fa hametraka izay Egalité izay satria tsy adidin'ny fanjakana intsony ny hanao izay, eo koa no tena ahitana ny candidat tena vonona satria tokony efa ela izay no hiomana @ izany ka ny materiels sy ny financement ilaina @ izany dia tokony efa ho voaomana mialoha e, satria dia atontona ao avokoa na herim-batana na herin-tsaina eny fa na herim-panahy koa aza satria dia efa critère hitsaran'ny vahoala anao izany. Io koa ange tsy dia izay hoe vory fitaovana sy manam-bola no tsy maintsy ho lany fa ny vahoaka no mifidy ka izay fantany fa hahatafavoak ny fireneny ihany no fidiny ary izay no tokony ho lany raha mangarahara tokoa ny fifidianana misy eo.Mahereza e fa lava loatra.
5. tiphen ( 01/08/2006 11:21)
bof tu sais ein!! olona tsy mahita bala ampoaka d manao izay anakorotanana ny zavatra rehetra hatao ny an'ireo fa tsy hoe ina!!!
sady ny antsika GASY ange lesy rehefa tena jerena sy dinihana d zany mpanohitra zany tsy misy raha ny eto Gasikara eee!! ny MPAMINGANA ihany no misy eto d mody oe manohitra manohitra nefa ina mamingana sy manimba ny zava-drehetra tiana ho hatsangana!!!
6. tsoupou ( 01/08/2006 13:56)
Lapino:
Tsy mety izany satria impossible:
D'accord za
Elsami:
Raha fifidianana no resahina dia mety ho sarotra ihany ny hanatanterahina izany
Encore d'accord avec toi
Tiphen:
bof tu sais ein!! olona tsy mahita bala ampoaka d manao izay anakorotanana ny zavatra rehetra hatao ny an'ireo fa tsy hoe ina!!!

7. prime ( 02/08/2006 12:39)
Ny tena foto-kevitra demokratika dia ny mifanohitra @ izany aza no ijoroany, manome fahalalahana ny tsirairay hampiasa ny "moyens" (tsy @ fandikan-dalàna) eo am-pelatanany mba handresy lahatra ny mpifidy...
8. tsoupou ( 02/08/2006 13:24)
Prime:
Ny tena foto-kevitra demokratika dia ny mifanohitra @ izany aza no ijoroany, manome fahalalahana ny tsirairay hampiasa ny "moyens" (tsy @ fandikan-dalàna) eo am-pelatanany mba handresy lahatra ny mpifidy...
Mbola prime idea indray io ary marina =D =D =D
9. prime ( 02/08/2006 13:49)
Misaotra an'i tsoupou...:)
10. tsoupou ( 03/08/2006 13:03)
=D =D =D oanlà
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.112