vary amin'anana

1. mi ( 26/07/2006 13:19)
mba omeo recettena vary amin'anana le matsiro fa tsy mahay e. misotra mialoha e.
novalian'i rasoul ny 04/08/2006 09:21
2. mi ( 26/07/2006 13:24)
vary amin'anana sy patsa no mba aiko.
Tetehina ny anana mifangaro de endasina @ tomate kely sy oignon de arotsaka ny vary atao sosoa de asiana sakamalao de aroso @zay e. Mazotoa homana e
3. vale ( 26/07/2006 22:14)
mi: io koa ny ahy no mba haiko, fa miandry ny olona hafa hanome ny fanaovany ny azy!!
4. nenipita ( 27/07/2006 05:53)
otran'io ihany koa fa somary asiana kotomila kely rehefa efa tena masaka amin'izay heno tsara ny tsiron'ny kotomila, tsy atao masaka loatra izany ny kotomila. de nenaha koa asiako nofoken'omby tetehina madinika . de izay ; Mazotoa homana ary e,
5. vale ( 27/07/2006 07:21)
Ny pola koa azo atao variamin'ananana, matsiiiiro an!!!:miam:
6. Rafotsy ( 27/07/2006 08:09)
vale:

Ny pola koa azo atao variamin'ananana, matsiiiiro an!!!:miam:


Vale : inona aky izany pola fa tena mba tsy fantako ?
7. diamondra27 ( 27/07/2006 17:57)
tena vao eo mihitsy akia za no nihinana vary @anana a!

mankanesa any @ PICARD , de mividiana épinard surgélé, de manaova sosy vôtaby sy tongolo de asiana sira sy poivre kely ary tongolo gasy ,de arotsaka ny vary asiana rano bebe de arotsaka koa le epinard, de 'zay vita, hummm natsiro.

Mbola manao regime fa tsy nasiana sosisy gasy raha tsy zany ngamba tena hummm, vary mitsangana eny analakely no fetra
8. vale ( 28/07/2006 10:03)
Rafotsy: ravin-tsaonjo nopotipotehina,dia nohamainina,,, tsy potika be ohatry ny ravitoto an, fa tena ngedangeda!:)
9. andry08 ( 29/07/2006 15:36)
Raha eto frantsa dia azonao ampiasaina ny fane de radis+salady+épinard, teteho madinika toy ny anana.
tongolo+tongolo gasy+sakamalao+patsa+voatabia+koto-
mila+bouillon, mahazotoa
10. Herimiafina ( 29/07/2006 15:40)
Asiana cube jumbo izy tena favy be dirandoza mihintsy! :^)
11. pissoa ( 29/07/2006 16:02)
Vale, ie - matsiro be mihitsy io :miam::miam::miam:
12. Herimiafina ( 29/07/2006 16:07)
Fa tanjemo ireny cube jumbo sy ve-tsin reny fa mahavoan'ny homamiadan'ny tsinay kely an! :oops:
13. booboo ( 29/07/2006 19:55)
Tetehina madinika ny karazana anana.
Endasina ny voatabia sy ny tongolo dia afangaro tao ny anana avy teo. Rehefa elaela kely afaran'io vao tapohana rano miaraka @ cub'or :°), tsy atao be rano be loatra.
Tetehina madinika kely ny nofona hena omby dia endasina...afaka soloina lardons reny koa.

Andrahoina mitokana ny vary dia atao sosoa fa tsy atao be rano loatra na izany aza.

Rehefa akaiky ho masaka ny vary dia afangaro tao @ zay ny anana sy ny kitoza efa voahendy.

Afangaro tsara dia vitaaaaa. Rehefa androhoina misaraka ny raha no tsapako ho mivoaka kokoa ny tsiron'ilay motika noho ilay miara-andrahoina am-boalohany :roll:

14. mi ( 30/07/2006 10:27)
o ry boobo a! arakany lazain'i herimiafina hoe:Fa tanjemo ireny cube jumbo sy ve-tsin reny fa mahavoan'ny homamiadan'ny tsinay kely an! de ahoana le cub'or? de firy ny doziny?
15. booboo ( 30/07/2006 12:33)
zay hitanao fa mampety azy ao ....:°)
16. mi ( 31/07/2006 15:06)
Marina zany e:oops:
17. dadin ( 01/08/2006 11:47)
Ary tsy dia misy lehilahy liana amin'ny resaka sakafo firy. Nefa anie ny lehilahy no tena be tenda e. Za zao lasa zatra manketo amin'ity resaka sakafo ity fa ahitana karazany maro eto.
Rehefa misy kitoza miaraka amin'ny variaminanana dia tsara foana, sa ahoana hoy ianareo mahay mahandro?
Zahay mantsy mpihinana fotsiny e.
18. andry08 ( 01/08/2006 11:59)
ka mahagaga ve izany :?:
19. diamondra27 ( 01/08/2006 15:51)
misy lhl tia manao lakozia akia!

de sady matsiro ny sosy ataony an!
20. rasoul ( 04/08/2006 09:21)
eh, za zao tia manao lakozia sady tia mihinana sy manandra-tsira ihihihihihihi.

Mba jereo nge ry reto e ra makany @ Restaurant lehibe eto dago nareo na any ivelany aza de jereo fa lhl ny ankabeazan'ny chef cuisinier ao

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1213