azafadyn esory ny saina tia fiatsarambelatsihy

1. rabaradaka ( 24/07/2006 06:17)
Zao dadatoa, matoa tsy nandroso ity firenena ity dia feno saina miatsaravelatsihy, ohatra efa hita izao ve fa maloto ny rano sotroin'ny vahoaka ao Antsirabe na ratsy ny làlan-kelin'Antananarivo dia lazaina hoe mety io ary deraina foana ny mpitondra. Tsy i rabaradaka no hanao izany, aleo misy tsikera hifampitaizana sy hanatsarana fomba fiasa. Tsy hoe mpitsikera be fahatany i rabaradaka fa mitondra vahaolana foana kosa. Ny hevitra ry zareo terabary a, izay tsy manan-kevitra no mipitrapitra:D
novalian'i prime ny 08/08/2006 10:28
2. fasaly ( 24/07/2006 06:21)
:°):°):°):°)marina izany ak! tsy tsara ny fetsaram-belatsihy:wink:
3. cristal ( 24/07/2006 06:57)
(l)(l)(l)SALAMA DAHOLO ISIKA?Zao no havaliko tsy misy fiantsaram-belatsiha ry zareo a!Ny fiainan'ny Malagasy no efa zatra tsy nisasatra ka ny firenena no tsy dia afaka nandroso satria tsy nohobehazina t@zany isika,ankehitriny maro no efa vita saingy mbola maro koa no tsy vita;tsy mety manaiky isika fa hoe manana anjara @ fampandrosoana ny firenena,nefa mitady fahagagana sy fandrosoana,moa afaka mifandray ve sa mifanohitra ireo hevitra ireo?anao no mamaly;tsy miantsaravelatsihy ny olona na ny mpitondra fa lay hevitra ao an-dohantsika mialoha no tsy afaka hampandroso antsika,oh:ra maloto ve ny rano ao bira de ny Filoha na ny gou/ment no diso isika no mampilaza ny eo an-toerana dia manao ireo satria izy aloha no nofidiana ho tompon'andraikitra any,ny lalakelin'Antana indray dia ireny ilay lazaina hoe mbola ho amboarina fa tsy misy miracle zany eo;zay fa tena lava fa ra tena hitondra fanankianana dia jereo aloha ny vitan'ny tenantsika teo @ fokotany sy ny firenentsika de aza manararaotra refa mba nahazo fahefana kely fa mba tompon'andraikitra e!Mazto mamaky fa ra tsy valiana mantsy dia hoe mampalahelo,aza tezitra @ halavany sy ny fanazavana a!Samia mitsakotsako de alefaso ny kiana fa za hanazava izay maizina,tsy miady fa mifanakalo hevitra fa ny hevitra tsy azo tsy an'olomelona,ny hitsotokotokoan'ny loha dia ny hevitra samy manana ny azy fa ra ny zavatra azo tsampaintanana dia tsy maintsy hazavaina sa tsy izany?
4. lolabe ( 24/07/2006 07:12)
Marina izany ra-cristal a, fa isika ngaha mieritreritra foana hoe i Ravalo na i Sylla no hampandroso ity tanàna ity? ny toe-tsaina no mila ovaina voalohany indrindra fa tsy hoe misy zava-bita eo de avy eo iny ihany no potehina, jereo eo @ 13 mai eo, betsaka anie ny vola lany nanamboarana io e, jereo eo isakariva, maloto ny tanàna izay ataon'ireo miseho manankarena manana fiara, mandalova ianao maraina eo amin'io kianja io de hitanao ny fofona hiainanao sy ny fahadiovana hitanao, f'angaha raha hoe misy mpamafa lalana eo de lotoina foana, de ny vola raisinao mpandoto ve mitovy @ vola raisin'ilay mpamafa. Amboary mihintsy aloha ny toe-tsaintsika fa tsy hisy firenena mandroso izany raha tsy io no miova, ny toe-trano tsy efan'ny irery hoy ny ntaolo fa mba mandraisa andraikitra ary sahia miteny @ rariny sy ny hitsiny @ tsy mety hitanao, fa aza faly manaratsy foana, ny japonnais ary efa ho 20 ans aty aoriana ny nahasimba azy vao tafarina satria koa ny mponina tao aminy mahay miray hina sy mifanampy ary nanana toe-tsaina tia karokaroka sy mifanakiana @ tsara.
5. lapino ( 24/07/2006 09:20)
Raha ratsy ny lalan-kely ao Antananarivo, dia mety hoe mbola manao lalam-be ry zareo.
Raha maloto ny ranon'ny Jirama ao Antsirabe (asa na fahalotoana ponctuel na maharitra), dia mety ho olana ara-teknika na ara-pitantanana izay.

Fa ireny rehetra ireny dia mahatonga image, na sary, maneho an'ireo tompon'andraikitra (tompon'andraikitry ny fanamboaran-dalana, ny fanadiovan-drano, ny tenin'i rabaradaka, sns ...). Ka raha hitsikera ny sary toy izany, raha jerena "à petite échelle" ao amin'ny tsikeran'ny sary aloha ny fandehany, asa izay raha mety hahazoana manazava ny mahatonga an'ilay ataon'i rabaradaka hoe "fihatsarambelatsihy" :wink::P
6. velosoa ( 25/07/2006 11:55)

Mety marina angamba le hoe tsy voatery manindraina ny mpitondra na dia hita aza fa misy zavatra tsy mety. Misy kosa anefa olona ninia-mikipy amin'ny zavatra tsara vitan'ny mpitondra. @ ankapobeny aloha, tsy maintsy ny ratsy vao no hita misongadina satria betsaka fa ny kely vita tsy misy mpijery


rabaradaka:



Zao dadatoa, matoa tsy nandroso ity firenena ity dia feno saina miatsaravelatsihy, ohatra efa hita izao ve fa maloto ny rano sotroin'ny vahoaka ao Antsirabe na ratsy ny làlan-kelin'Antananarivo dia lazaina hoe mety io ary deraina foana ny mpitondra. Tsy i rabaradaka no hanao izany, aleo misy tsikera hifampitaizana sy hanatsarana fomba fiasa. Tsy hoe mpitsikera be fahatany i rabaradaka fa mitondra vahaolana foana kosa. Ny hevitra ry zareo terabary a, izay tsy manan-kevitra no mipitrapitra:D



7. andry08 ( 25/07/2006 13:03)
eny hoy aho:D
8. Herimiafina ( 25/07/2006 18:48)
Hono hoa ry ireto? tena mangidihidy be ny lamosiko dai lava be ny hohoko, nefa tsy raharahian'ny fanjakana malagasy mihintsy aho! Tokony haongako ve izany i Ravalo sa tsia? :roll::roll:

Otraotran'ny metimety amin'ny saiko mantsy io hevitra io e, dai mitady karazana olana aho hanantanterahako azy, hehehehe=))=))
9. pissoa ( 25/07/2006 18:50)
:{:-D:-D:-D
10. Herimiafina ( 25/07/2006 19:40)
Misy inona retsy ry pissoa! Ka sarotra kosa anie ny mitondra ny tany sy ny fanjakana raha mbola tsy misy engagement social e!

Fomba fialana bala mantsy io manimpy ny olana eny antandroky ny hafa io e! :wink:
11. Aino ( 26/07/2006 06:32)
izaho koa tsy makafy ny fiatsaram-belatsy io. nefa tsy afaka @io hintsony raha toaka efa zatra ahy.
12. tsoupou ( 26/07/2006 12:00)
Ireny lé sady fihatsarambelatsihy no mamono e.
Efa hita zao ohatra fa tay dé mbola oe gateau io ka, tsy vanona mitsy lé manao anreny e.
Ny a reny tonga dé hitsiko mitsy na havako na namako.
Ireny ange lé otran'ny manolo-bato mafana e, vy mamay be zao dé lazaina fôna oe glacé be io ka.
Asa ry leirony raha mba tratran'izany raha mba ahoana ozy izy. :x :x :x :x :x :x :x :x :x :x :x
13. Herimiafina ( 27/07/2006 13:30)
O leity ra-tsoupou an!
Fiatsarambelatsiny ihany koa anie ny manao hoe tsy mety io nefa mety tena mety marina e!

Izay ilay hoe alohan'ny hitsikerana dia tokony maka fitaratra isika rehetra mijery tena vao miteny, ny olana mantsy raha isika no kamo mandro ka misolitika, nefa ny rano misy, dia tsy tokony ny fanjakana mihintsy foana no henjehina e! :wink:
14. prime ( 02/08/2006 12:53)
Raha ny fahitako azy, ny tena gasy tsy mpihatsaravelatsihy fa nentin'ny sivilizasiôna io fomba io mba hoe misokatra sy mahay mifandray @ rehetra, hany ka ny tena votoatin-kevitra tsy voalaza fa variana misary gaigy mihatsaravelatsihy...:°)
15. Fiffi ( 03/08/2006 07:14)
Herimiafina:

Izay ilay hoe alohan'ny hitsikerana dia tokony maka fitaratra isika rehetra mijery tena vao miteny,
^:^^:^


16. prime ( 08/08/2006 10:28)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2299