BOKY TANTARAN'ANDRIANA ???

21. Herimiafina ( 05/08/2006 14:43)
tena tsy mahay retsy zah ry soanja satria tsy mba mikabary klé. Indray andro ihany aho no nangataka fanampiana fa voatery dia iny ihany no haiko! :-*
22. fijo ( 08/08/2006 20:35)
mianara fa tsara io.
23. soanja ( 09/08/2006 03:20)
Herimiafina, Ianao aza anie izany mba misy efa azo samborina ihany dia iny atao diska loaka fa ny ahy tena nihanahana fotsiny rehefa niteny ny mpanjaka hoe anjaran'i Soanja indray izao no mamaly. Izay aho vao tena atao hoe boramena toy ny votabia.
Tokony hasina dinika mihitsy momba ny fombafomba isam-poko. :-*:-*
24. Achia ( 09/08/2006 17:17)
Misy torohevitra kely ty ra te haheno teny taloha na vaovao ( ohabolana ) de manafara k7 na hiragsy ireny fa @ reny feno kabary sady kabary mifamaly , ireny tarika malaza reny hafarana ohatra hoe :Ramilson fenoarivo, Ramilson besigara , Razafindramanga bertine sy ny maro e mety mba ahazo kely ihany ianao @ ze lazainy ao
25. soanja ( 10/08/2006 03:03)
Ka misy amidy aty andafy ve ireo sa ve dia hanafatra any Mada ihany. Ary sao mba efa misy MP3? Zah mantsy efa matoky be an'i Naritsimba de.
Misaotra aky fa hijereko koa io.
26. Herimiafina ( 11/08/2006 19:18)
soanja:

Herimiafina, Ianao aza anie izany mba misy efa azo samborina ihany dia iny atao diska loaka fa ny ahy tena nihanahana fotsiny rehefa niteny ny mpanjaka hoe anjaran'i Soanja indray izao no mamaly. Izay aho vao tena atao hoe boramena toy ny votabia.
Tokony hasina dinika mihitsy momba ny fombafomba isam-poko. :-*:-*

Zah koa retsy fahiny efa mba nanao an'io Mifanotsafa io fony mbola nanao stage tany amin'iny faritry Mannjary iny. Fa nahafinaritra fa nampianarin'ny RAR-be teo antanana mikabary, fa saingy adinodino aby ilay izy rehefa tsy ampiasaina e! :-*

27. Achia ( 12/08/2006 15:49)
Efa hoe manafara , any Dago zany vao misy ny Mp3 ndray no tsy haiko
28. Herimiafina ( 12/08/2006 16:07)
Mba andefaso ry Achia raha misy an! :-*
29. soanja ( 13/08/2006 21:31)
Herimiafina> Hay tena any mihitsy no ilako ilay fahaizana azy ka. Satria any misy ireny Mpanjaka sns ireny dia mila tena fifanajana manaraka fombamihitsy: Ranomafana axe Andrambovato, Ambohimanga du Sud, Ifanadiana, Tsenavolo hatrany Bac ny Namorona ary miafara Nosy Varika. Sao mba misy sopapa azo anampiana ahy any? Ilay Ramilison sy ny tariny aloha mety tsy hety any ny fahitako azy nefa iza no mahalala. Aleo aloha vidiana dia ianarana ihany sao mba hampiasaina ihany ao Tana.
30. Achia ( 14/08/2006 15:55)
Ye le @ hira gasy aloha de ny eo tana no tena teny fampiasa ao e sao de diso fanantenana eo soanja . Za ne sty manana fa le dadako no tena mpakafy azy e de refa any aho de maheno ao @ ny e de lasa nankafy koa fa le izy kaloha tena tsara sady misy mampihome koa Refa mba any mada ry HM mba manararaotra mijery eny @ petite vitesse eny a fa raha nanana aho tena nomeko nareo e
31. soanja ( 14/08/2006 16:03)
Hay dia misaotra an'i Achia izany nizara. :-*:-* Zah tena mpanaraka ireny hiragasy sy hira madinika ireny taloha tany Tana. Mahafinaritra ahy ireny sady ahafantaranay fiainana tokoa. :-*:-*
32. fijo ( 15/08/2006 22:01)
rap koa anie misy e.hi hi i,mba blagy kely iny
33. soanja ( 16/08/2006 01:12)
Efa taty indray aho vao nanaraka ny rap gasy amin'ny mp3 fa dia mahafinaritra koa ka. Nefa tsy misy atakaloko ny hiphop raha samy hitantara fiainana ihany.
34. bmw307 ( 19/08/2006 00:16)
eh! aiza ilay soatoavina malagasy sa efa very izy ireny, ra zohiko ny tantara de toa horatsy ny fihafaran'izy izany koh! de mety ho rap gasy izany no hokalon'ny fahininareo atsihoatsy an!
35. soanja ( 19/08/2006 03:27)
bmw307:

eh! aiza ilay soatoavina malagasy sa efa very izy ireny, ra zohiko ny tantara de toa horatsy ny fihafaran'izy izany koh! de mety ho rap gasy izany no hokalon'ny fahininareo atsihoatsy an!


Bmw a, aza matahotra ny momba ahy fa izaho dia handala foana na ny taloha na ny avaizo momba ny gasy. Tiako be ny kabary Malagasy, vako-drazana, ny jijy sy ny tariny. Saingy zah kosa alo tsy hilaza hoe tsy afaka hivoatra ny zaza gasy raha io no malaza amin'ny generation-ny. Tamin'ny andronay izao tadidiko dia ny watsawatsa sy ny salegy ary Beguina gasy no malaza, dia hanome tsiny ve zah. Fa izany kosa tsy midika hoe tsy hotazomiko ny an'ny razako. Gaga i bmw raha hilazako fa zaho dia isan'ny Mpitantara Angano Gasy aty US. Izany dia midika fa mbola tsy very ato anatiko ny mahagasy ahy ary ho Gasy mandrakizay aho fa aza manahy.


36. prime ( 25/08/2006 12:42)
Dia very tanteraka ilay lohahevitra an... Site na boky tantaran'ny andriana no resahina dia lasa rap gasy sisa...:-D:-D:-D
37. pissoa ( 25/08/2006 15:29)
:^):-D:-D:-D
38. simplex ( 26/08/2006 11:54)

prime: efa tsisy azo anampiana an'azy intsony le tantaran'ny andriana ka. Tohizo ra mbola mahita hanampiana azy elah :D:D

soanja: ny tena mahagaga anefa an, ra hoe 50cents na hoe Sean Paul na otr'izany de tsy manin loatra fa ra vao hoe rap gasy de otran'ny hoe ringard zany le izy... io anefa tsy dia tena hoe fanahiniana fa ny image omen'ny mpanao rap sy hiphop gasy mintsy no otran'ny hoe "tsy tsara arahina" zany e.

Farany, tsy voatery hoe fitantarana angano ihany no fandaliana ny maha malagasy fa rehefa zavatra mety ataonao ka tsy mifanohitra @ izay maha malagasy anao izay indrindra...

;-):-*:-*
39. soanja ( 26/08/2006 23:00)
Simplex> Tsy mifanentana amin'ny gasy mihitsy ilay Rap sy ny hiphop e. Saingy hitako manao ezaka be ry zareo dia mahafinaritra ahy izany.
Aleoko ihany ry The Black Eyed Peas. Efa henonao ilay album "Monkey business" mahafinaritra be.
40. ferrari ( 31/08/2006 19:52)
Izaho ko mitady ny tome ny tantara ny andriana mais en version francaise Edition P. cALLET fa mbola tsy nahita misy 12 tomes. tany madagascar nandeha jery librairies fa tsy misy manana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1264