Fangatahambodiondry sa fivarotana olona ?

1. lemenakely ( 21/07/2006 09:35)
:-DNahavariana ahy indray mandeha tany an-tanindrazana indray asabotsy @ iny làlana mianatsimo iny akaikin'AMBOHIMANDROSO nanatrika fanateram-bodiondry anakiray,mpangataka moa izahay t@ io izany hoe avy aty aminay razazalahy.
Natao ny kabary samihafa toy ny mahazatra sy ny fombafomba hatreo aloha ara-dalàna.Nomena ny vodiondry sy ny tapi-maso ho an'ny anadahy hatreo koa mbola normal.
Tampoka teo dia niteny @ izay re ity mpikabary avy @ razazavavy aiza ny alavolofotsy ho an'ny renibe nitaiza ,aiza ny takokenatry .....

Gaga be daholo izahay hoe inona re ity ?
Soa fa nitondra mpikabary mahay ka novaliany tsotra fotsiny hoe sanatria tompoko izahay tsy mpividy olona ary ianareo tsy mpivarotra olona ,mpivady vao hanorina tokatrano mila fitsitsiana ....

Taty aoriana izahay vao naheno fa dia sahala @ izany hono ny foma ao atsimotsimo ao ka dia :MBA MAMPIOMANA an'ireo mpangata-bady izany e?:°)
novalian'i prime ny 01/08/2006 12:09
2. ravatorano ( 21/07/2006 09:47)
lemenakely
3. dadabe ( 21/07/2006 10:08)
hanotanio naritsimba fa hainy stara io kle
4. prime ( 21/07/2006 10:11)
bobaka b....:-D:-D
5. adidy ( 22/07/2006 06:51)
ny fisoronana an'io dia rehefa manazava ilay vody ondry ny mpikabary dia tenenina hoe ity tompoko dia manolo ny ala volo fotsy, ny tsaka rano, ny saronan-karona ets... tanisaina eo daholo! Dia tonga dia tsentsenana hoe tsy hahaonitra ny fahasahirananareo t@ rakalakely , tsy mendrika anareo tolorana fa ny fo no mameno azy! Rehefa lasa izahay ka hijery ianareo: raha kely dia hiteny ianareo hoe izany ka tovolahy mitsinjo vody andro merika, raha antonony izany ka tovolahy mahalala ny antoniny raha be: izany ka tovolahy manan-katao izao sahady dia efa jereo ny ataony.
6. Herimiafina ( 22/07/2006 12:28)
Ny mahasamihafa ny varotr'olona sy ny vody ondry anie ka ilay extrant avoakany avy eo e. Ny iray mamokatra olona very fahafahana tsy manana safidy fa ny tompony nividy azy no tompon'ny sitrampony rehetra. Tsy safidy.

Ny iray indray dia manana fahalalahana tanteraka, afaka mangataka fisarahana, afaka mividy akanjo, mihinana izay sakafo tiany, sns. Safidy.
7. lapino ( 22/07/2006 12:53)
tamin'ny mbola tsy nisy vola manko, dia takalo no natao. Fa nony nisy vola dia lasa vola no entin'ny ankilany hatakalo.

Ka io dia takalo ihany koa, (asa raha nivoatra ho varotra koa): omena vodiondry ny andaniny hahazoan'ny ankilany ny vodin-janany. Raha vodiondry manko, dia mba azon'ny andaniny hohanina ihany. ;)
8. Herimiafina ( 22/07/2006 12:56)
lapino:

hahazoan'ny ankilany ny vodin-janany.


=))=))
Mila mpanasa lamba sy mpahandro kaly kao izy knou! hehehehe=))

9. pissoa ( 22/07/2006 13:20)
lapino:
omena vodiondry ny andaniny hahazoan'ny ankilany ny vodin-janany

Tena oe vody :oops: fotsiny mitsy ve no hitan'i lapino ao amin'le vady angatahina kle sy le vodiondry atolotra kle :-D:-D:-D
10. Herimiafina ( 22/07/2006 13:22)
ka inona kosa ary moa ry pissoa no ho hita eo raha sy iny klé, mody mba mitady excuse fanampiny fotsiny fa iny daholo no tadiavina, hehehehe=))=))
11. lapino ( 22/07/2006 13:23)
Ka iny afera miaraka am'le sipa ndray ko! :-D:-D:-D
12. lapino ( 22/07/2006 13:25)
lapino:
Ka iny afera miaraka am'le sipa ndray ko! :-D:-D:-D

Le manasa lamba sy mahandro kaly no tiako tenenina eo an ;)

pissoa, fa inn koa ary e? :wink:
13. pissoa ( 22/07/2006 13:28)
Tsy haiko kou :)
Dia inona izany no tokana tokony ho hitan'ny lapinette na HMe am'zany :-D:-D:-D
14. Herimiafina ( 22/07/2006 13:42)
Zah kosa klou tsy manaiky raha tsy omena vodin'ondry ny ray amandreniko e, mba anjarako indray no mitaky! hehehehe:-D
15. pissoa ( 22/07/2006 13:44)
:roll::-D:-D:-D
16. lapino ( 22/07/2006 13:48)
tsssss! Ny ahiako tsy vodiny no omen'ny ankilany kle! :-D:-D:-D
17. pissoa ( 22/07/2006 18:48)
Fa inn ndray kle? :roll::-D:-D:-D
18. naritsimba ( 01/08/2006 11:19)
Trangan-javatra misy mihitsy io voalkaza ery ambony io.
Eto dia omeko anareo ireo toerana sarotra angataham-bady:Arivonimamo sy ny manodidina azy,Ambohitrolomahitsy (zafindravoromanga), faritra Antanifotsy sy ny manodidina,
Io voalazan'dravatorano io no fanao raha toa ka tsy dia havanana @ fitenenana tsara ny mpangata bady, na atao 100 ariary isaky ny valopy aza dia efa mety, fa azo atao tsara ny manambatra ny hala volofotsy, solon-tsakarano, hasim-boasarin-jaza sns ho valopy tokana ka ampiarahina @ vodiondry.
Lemenakely> aza atao mahataitra izany fa samy manana ny fomban-taniny ny tsirairay, tsy voatery ho vola be no aloa akory @ ireo voalaza ireo, dia aza matahotra ny hangata bady izany fa fomban-javatra izany.
19. prime ( 01/08/2006 12:09)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4656