Ny fanandroana

1. rabaradaka ( 13/07/2006 09:49)
Ny fanandroana teo amin'ny Ntaolo malagasy dia siansa toy ny astrologie, saingy taty aoriana dia nampiana ody ratsy sy famosaviana dia lasa niova ny heviny. I rabaradaka dadatoa tsy mahay manandro fa mahay kosa ny andro gasy.
novalian'i prime ny 01/08/2006 12:34
2. Mifenty ( 13/07/2006 14:54)

d'acc za rabaradaka a

fa le izy tsy oe nampiana ody gasy fa mety oe no interpreter na ho ratsy


fa tena marina le oe no détourner na ny utilisation ny
3. soanja ( 13/07/2006 18:39)
Ary maninona moa raha tsy mahadiso azavaina ilay fanandroana dia hita eo na ody gasy (ratsy) ilay izy na tsia. Ary inona no asan'izy io sy ho fiantrakainy tamin'ny olombelona zany hoe tamin'ny Ntaolo? Misaotra mialoha o.
ps:raha mba afaka manome isika hoe nanomboka tamin'ny vanimpotoana oviana no lasa ody ratsy ilay izy.
4. pissoa ( 14/07/2006 08:24)
Ny fahazahoakoa izany hoe manandro izany ry zareo dia avy amin'ny teny hoe "andro" an. Miezaka mamantatra hoe rahoviana ny andro tsara hanaovana zavatra iray.

Ohatra hoe hanamboatra trano.
Ilaina jerena hoe rahoviana no tapahina ny hazo hatao rairain-drihana (izany moa no anaran'ireny e, tsy tadidiko tsara), na ny vovonana (io haiko fa io le mahatonga an'le oe sarom-bovonana :-D:-D:-D ) sns. Ny gasy taloha mety tsy nahafantatra ny fandehan'ny seve angamba, fa efa tsikariny kosa fa raha toy izao ny volana no tapahina ny hazo dia mora simba.
Jerena ohatra koa hoe rahoviana no hadiana ny fototra. Ho afaka ve ny be sy ny maro (zava-dehibe io tamin'ny gasy); rahoviana no mety ho vita ny trano raha amin'izao no hadiana ny fototra; sns. Mazava ho azy fa tsy maintsy kendrena ho vita alohan'ny milatsak'orana ny fahavitan'ny trano. Sao ho rava mantsy ny rindrina raha tsy vita ny tafo nefa ny fahavaratra tonga.

Ohatra koa hoe hanao famadihana. Matetika nokendrena ho ao anatin'ny fenomanana. Amin'iny mantsy sady tsy avy ny orana (rehefa hamory olona tsy tokony atao amin'ny andro mety hilatsahan'ny orana na erika); dia raha misy lalao tiana atao koa na misy zavatra mila vonjena maika dia mba mazava amin'ny alina. sns.

Raha amin'izao dia manampy be dia be amin'ny fanandroana ny meteo sy ny karazan-tsiansa.

Misy ny olona rehefa hanao trano na fasana, sns, dia raradrarahana taoka aloha ny tany. Amiko dia tsisy hidirany amin'ny fanandroana ireny (na ilay hoe "andro" noteneniko tery ambony) fa hevi-diso sy finoanoam-poana fotsiny.

Izaho tsy mahafantatra resaka ody gasy, sy le resaka misy hifandraisany amin'ny razana ireny (tsy inoako akory ary ireny resaka ireny, hihihi) fa ireo ihany no haiko.
5. soanja ( 15/07/2006 04:39)
Mazava fa misaotra. Mety fantatry Pissoa ve hoe nolovaina tamin'ny kolotsaina iza izany fomba izany? Misaotra meloha.
6. lapino ( 17/07/2006 11:20)
soanja, ny anaran'andro amin'ny teny gasy toa misy itovizany betsaka amin'ny teny arabo. Asa raha ohatra an'izay koa ny anaram-bolana (malagasy fa tsy gregoriana an).

Fa hono hoà, inona ilay atao hoe tonon'andro?
Inona koa no ifandraisan'ny vintana amin'ny andro nahaterahana, sns ...
Tafiditra ao anatin'ny fanandroana ve ny "siansa" momba an'izany ? (tsy tena siansa manko io)
7. pissoa ( 17/07/2006 11:45)
Soanja> Tsy haiko :( Hmmm - Ny olona nampianatra ahy an'io fotsiny no tsara marihana fa Kristianina ary ± scientifik :roll:
8. booboo ( 17/07/2006 13:39)
Ilay tonon'andro ve tsy fitanisana ny mety ho fandehan'ny andronao @ fotoana iraika araka ny vintan'ilay olona ?

Ny hifandraisan'ilay vintana @ andro nahaterahana dia satria vao teraka ny olona iraika dia arakaraka ny raha manodidina ( volana, kintana, sy tsy haiko fa reo ihany no tadidiko ) ny mamaritra ny ho fiainan'ilay zazakely, dia arakarak'izay ilay hanaovana fombafomba reny raha manonto na mahery na tsy haiko ny vintan'ilay zaza.
9. dadabe ( 18/07/2006 09:41)
Mpandefa : lapino [ Valio ] 17-07-2006 16:20:34
Lohateny : Re : Ny fanandroana
soanja, ny anaran'andro amin'ny teny gasy toa misy itovizany betsaka amin'ny teny arabo. Asa raha ohatra an'izay koa ny anaram-bolana (malagasy fa tsy gregoriana an).
IRETO NY VOLANA
1-mouharam
2-safar
3-rabi'oul aoual
4-rabi'out tani
5-djoumada-l-oula
6-djoumada-t-tania
7-radjab
8-cha'ban
9-ramadan
10-chaououal
11-dou-l-qa'da
12dou-l-hidja


ny @ malagasy dia
1-alahamady
2-asorotany -adizaoza-alohotsy-alakakarabo-adimizana-adalo-alakosy-.....tsy haiko intsony
10. soanja ( 18/07/2006 11:42)
Ary sao kosa ary avy amin'ny teny Sanskrit ilay izy dia tsy arabo arabo fa arabo persianina?
Izaho hono aloha teraka volana Alakaosy ka mba zavadehibe amiko ny hahita hoe ahoana marina ny fihevitr'ireto Ntaolo ireto ny momba ahy.
Tiako ho fantatra aminio hoe nahoana isika no niala tamin'ny fanandroana ary afaka hovana ve ny tonon'andro sy ny vintana fa nisy saika hanova azy ny ahy, ary farany dia hoe minomino foana ve raha mbola mino an'io hatramin'izao.
11. Herimiafina ( 18/07/2006 11:50)
Arabo Egyptiana no tena gravy amin,ny fanandroana fahiny! :wink:
12. booboo ( 18/07/2006 12:03)
Ny vintana azo ovaina fa tsy tadidiko ilay ohabolana miteny an'izay. Arakaraka ny ataon'ilay olona ihany, hoy ilay mpampianatra anay fa tsy zaho a, no mampiova ny vintan'olona ho tsara na ho ratsy. fa rehefa teraka fotsiny dia izay vintana azony eo en général no hamaritana grosso modo hoe ho mahery vintana ty zaza ty e, ho tsara vintana ty zaza ty e sns.

Na terak'Alakaosy aza ianao, dia vodiny sa lohany sa inona ? hihihih mbola misy an'izany koa hono mantsy hihihihihihi.
13. Herimiafina ( 18/07/2006 13:02)
Efa naheno ny antsoina hoe "PLACEBO" na ny hoe "Auto-suggestion" ve ianareo?
Izay avokoa ny ao ambadik'io resaka vintana sy fanandroana io.

Hanao zavatra iaray aho ohatra dia mila toky.
ka rehefa misy mpanandro iray manao ahy hoe amin,ny roa atoandro androany no apetraho ny vato-fototra voalohany dai mandeha tsara io, ka hataoko izanyd ai siora fa betsabetsaka kokoa ny chance fa hotanteraka izay voalaza.

Ambony tsinona ny morale-ko dia na misy olana aza dia olona ambony morale aho ary afaka miatrika azy tsara.

raha tsy misy kosa ny toky dia olona kivikivy aho vao misy ny olana kely iray, hany ka mety hanajanona ny asa tanteraka aho.

Dia toratoak'izay rankizy an.

"na kely toy ny voatsinampya za ny finoana dia hahafindra tendrombohitra". :wink:
14. prime ( 01/08/2006 12:34)
Efa hainoko avokoa ireo voalaza eo ambony ireo, ny fanandroana dia tsy avy @ arabo ihany fa ny an'ny gasy no nanovo t@ ireo mpanjaka, mpanandro, mpisikidy sy mpitsabo ary mpiandry sampy arabo fahiny, mpiavy ka nitondra izany ary niditra t@ iny faritra atsimo atsinanana iny ny ankamaroany... niainga ara-tsiansa tokoa izy io satria astrolojia sy matematika ary fizika t@ alalan'ny famakiana ny volana sy ny kintana ary ny masoandro miaraka @ fandinihina manokana ny zava-boahary no namoahan'izy ireo ny asa soratra voalohany mikasika izany... ka na ny asa fitsaboana t@ izany aza dia saiky niainga avy @ izany sy ny fikirakiràna ny hery miafina ao @ zava-boahary...
Na ao @ baiboly aza dia manambara fa ny magy 3 lahy dia niainga hitady ilay Mpanjaka lehibe t@ alalan'izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1787