Grande messe en ut mineur!

1. Herimiafina ( 12/07/2006 17:38)
Sao lahy mba misy afaka manoro ahy site anakiray hahafahako mihaino ity oeuvre an,i Mozart (Wolfgang Amadeus) ity?

Grande Messe en ut mineur ny lohateniny ary ny fiandohana (début) sy ny fiarfarany (fin) no tena tadiaviko fa mahafinaritra ny sofiko malala!

Misaotra betsaka! :wink:
novalian'i Fiffi ny 31/07/2006 08:35
2. ja ( 12/07/2006 17:40)
sofinao malala an!hihihihihih
tsy mahay lesy a!miala tsiny
koa manin tsy mijery @ google quoique ....

3. Herimiafina ( 12/07/2006 17:42)
tena efa nijery tao retsy na altavista fa ny olona tena be loatra dai tsy haiko heo aiza no haleha fa raha misy mpankafy ato dai siora 100% izaho fa efa hitany ilay rohy tena manja. :wink:
4. cutie ( 12/07/2006 17:47)
any @ library henoina:-D
5. hery ( 12/07/2006 18:37)
http://diamante.uniroma3.it/hipparcos/MozartCelibidacheGrandeMessaK427KyriePARZ.mp3

Raha mbola mandeha io :-)

Ny rohy nakana azy dia http://web.tiscali.it/pmusilli/mozartlink.htm
6. fijo ( 12/07/2006 18:43)
tena mpamorona tsy mba tiko io kle.gay gay gay
7. cutie ( 12/07/2006 18:47)
za tena tia ny hiran'i mozart fa tsy misy haiko daholo ny titre :-D
8. Herimiafina ( 12/07/2006 19:22)
Misaotra ra-Hery an! :wink:
Ilay izy le en UT mineur fa ity iraika ity kosa en Do majeur fa na dia izanya za tsara ihany koa.
Misy rohy tsara hafa koa ao anatin'izy io hahitana hiran'i Mozart hafa.

Fijo> Mozart no tena mba anisan'ny tena mba tsara aza ny hira classika knou! :wink:

cutie> Any amin'ny library tondraka anio Mananjary be tsy hita izay lohany sy vodiny dia aleo tonga dai eto aloha no anontaniana, io izao fa efa nahita sahady aho knou.
9. cutie ( 12/07/2006 19:23)
efa nahita???
de mba omeo za :P
10. Andriambelo ( 13/07/2006 06:23)
Raha io sangan'asa io ry Herimiafina dia tsy mahafaty antoka ny mividy kapila manjelatra. Io mantsy no sangan'asan'i Mozart lehibe indrindra raha rodobe (choeur)no resahina (ankoatry ny opera). Ilay nataon'i Von Karajan, miaraka amin'i Barbara Hendricks no version tiako indrindra. Jerijereo ihany koa fa azoko antoka fa betsaka izao ny concert grande messe en ut amin'izao Taona Mozart izao. Dia tsarovy manokana aho rehefa mihaina an'ilay solo soprano hoe "Et incarnatus est" hianao.
11. Santiona ( 13/07/2006 12:47)
Ity taona ity tokoa no 250è anniversaire ny Mozart.
Tena anisan'ny tiako mihitsy ra i Mozart aloha e. Nefa fantatro fa misy antony ny tsy hitiavan'ny olona azy satria ny Eoropeana t@ androny koa dia maro no tsy tia ny sangan'asany.
Izahay izao efa in-droa no nanao concert Mozart t@ ity 2006 ty. Ary t@ 4juin teo no nanao ny "Messe de couronnement".
Saingy mialatsiny fa tsy haiko io GRANDE MESSE EN UT MINEUR IO.
:wink:
12. Mifenty ( 13/07/2006 18:49)
o ry herymiafina a

misy anle coffret 100cd iny zay mitsy ny oeuvres an ra wolfgang rehetra d ao le izy

ndraso fa ijereko elah ra oatra ka
13. Herimiafina ( 14/07/2006 14:56)
Misaotar zalahy sy zavavy fa tena massaka be iklay izy an!
Raha misy any ry Mifenty dai petaho extractor dai avadio mp3, dai mba omeo aty an.
Ny tena tiako izao dai ilay Karajan dirige mozart iny no misy azy. :wink:
14. Mifenty ( 14/07/2006 16:34)
herymiafina

ndraso fa tsitako né no nasiako anle coffret eh, satria nampirin-trano goavana mitsy kou.
15. rabilabila ( 14/07/2006 18:46)
Tsy aleo ve mividy ilay kapila mangirana klé ,ahoana ry Herimiafina no hihainoana itony sangan'asa goavana sy mavesatra itony amin'ny sonorisation maivamaivana ? Eny e!! samy manana ny hitiavany azy io : Arak'ilay voalaza ary ambony ary dia dia tsara ilay version GOLD KARAJAN ( na dia specialiste Beethoven aza i lery):MOZART.GROSSE MESSE C-MOLL ,maison de disque DEUTSHE GRAMMOPHON , ary miaraka amin'i B.Hendricks sy Peter Schreier , raha Messe de couronnement indray dia mbola i Lery ihany ny direction fa miaraka amin'i Gundula Janowitz,ary raha Requiem dia i Leonard Bernstein vidiana . Ary andramo henoina kely ange ilay Requiem Allemand n'i Brahms e?!!!!
16. Mifenty ( 23/07/2006 08:29)

tena io mitsy v le titre an le iz le de en C mou ?
17. Andriambelo ( 24/07/2006 13:21)
Mitovy ihany ny Ut mineur sy ny C moll
18. xxx ( 25/07/2006 12:59)

mitovy iany ny c sy ut fa le fanontaniany oe tena io mitsy ve ohno le titre
19. rabilabila ( 26/07/2006 14:44)
Tena io mihitsy ilay titre , maison d'edition sns... raha ilay Karajan Gold no tadiavinareo.
20. Fiffi ( 31/07/2006 08:35)
Bdb ny mozika grandse messe an'i Mozart io fa inona no tian'i Herimiafina henohina ? Gloria , Sanctus , Kyrie , (
(Grande Messe en ut mineur
Pour écouter les extraits musicaux, cliquez sur les titres à côté desquels figure la note de musique)
http://www.fnac.com/Shelf/article.asp?PRID=356031&SID=60044873%2D7add%2D5c6f%2D31d0%2D203cdad1e7ff&UID=04bd25891%2De766%2Db830%2Dee45%2D8668a549e79f&AID=&Origin=fnac%5Fgoogle&OrderInSession=1&TTL=010820061204&Fr=20&To=0&Ra=-29
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5142