Fiarovana ara-panahy

1. soanja ( 10/07/2006 22:40)
Inona no tokony ataon'ny Kristianina iray amin'ny maha Kristianina azy hanampy ny tsy mitovy finoana aminy hitodika amin'ny hinoany?
Ary koa ny inona ny fomba iray hiarovana ny finoanao tsy ho hitsakitsahan'ny hafa nefa amin'ny ampitoniana?
novalian'i prime ny 19/07/2006 12:40
2. lapino ( 10/07/2006 23:45)
Inona no tokony ataon'ny Kristianina iray amin'ny maha Kristianina azy hanampy ny tsy mitovy finoana aminy hitodika amin'ny hinoany?
Aza mieritreritra aloha hoe misy recette fanovana olona ho kristiana. Fa ny zavatra azo atao angamba dia hoe:
- miaina ny fiainana maha-kristiana, miezaka tsy manao hadisoana
- mitory ny finoanao amin'ilay olona, dia mba tiliana izay lalana tsara hahazoan'ilay olona ny hafatra ampitainao aminy, araka ny fahaizana sy fahalalana mba mety anananao momba ny communication
- mivavaka ho an'ilay olona hatrany, dia aleo ny fahendren'Andriamanitra no hitondra azy. Raha ao anatin'ny fahendren'Andriamanitra moa ny hamela safidy malalaka ho an'ilay olona momba izay, dia avela izy izany hanao ny safidiny.
Izany hoe tsy atao mankarary fo raha tsy valian'Andriamanitra araka izay angatahinao ny vavaka ataonao.
Ary koa ny inona ny fomba iray hiarovana ny finoanao tsy ho hitsakitsahan'ny hafa nefa amin'ny ampitoniana?
Tsy afaka hiaro an'izany ianao, fa ao anatin'ny programam-piainan'ny kristiana ny fanenjehana. I Jesosy no tena nisantatra azy voalohany. Izany hoe tsy hiarovana io fa hivononana.
Ao anatin'izany rehetra izany, ny Fanahy Masina no efa nirahin'Andriamanitra ho Mpananatra, ary hitondra fahazavana ho anao. :)
3. pissoa ( 11/07/2006 06:00)
^:^
4. soanja ( 11/07/2006 15:24)
soanja:

Inona no tokony ataon'ny Kristianina iray amin'ny maha Kristianina azy hanampy ny tsy mitovy finoana aminy hitodika amin'ny hinoany?
Ary koa ny inona ny fomba iray hiarovana ny finoanao tsy ho hitsakitsahan'ny hafa nefa amin'ny ampitoniana?



Ny tiako resahina eto dia ny Shield of Faith. Sy hoe " Jihad" amin'ny fomba malefaka.


5. prime ( 12/07/2006 09:06)
Soanja> fototry ny asa fitoriana filazantsara mihitsy no fototra eto raha ny fahitako azy!!! sa diso ve izany ???!!!:)
6. soanja ( 12/07/2006 13:21)
Eny ry Prime.
7. cutie ( 12/07/2006 13:41)
le lazain'i lapino etsy ambony no tena marina:P
8. soanja ( 12/07/2006 14:05)
Tena tsy misy diso ny lazain'i Lapino ka.
9. dadabe ( 12/07/2006 15:07)
humm tsy mahazo resaka aho izany :roll::roll:
10. cutie ( 12/07/2006 16:06)
Mpandefa : dadabe [ Valio ] 12-07-2006 20:07:31
Lohateny : Re : Fiarovana ara-panahy
humm tsy mahazo resaka aho izany
Miverina ery ambony
Hamaly ny hevitra

lol
11. prime ( 14/07/2006 12:01)
cutie> inona daholo reo e??:-D
soanja> ento ary ny hevitrao dia mitohy ny dinika e!
tsara ny fampidirana ataon'i lapino...:lol:
12. soanja ( 14/07/2006 23:10)
Ireto avy no heveriko fa fitaovana tsara entina mampitatra ny fanjakan’Andriamanitra ary ny fiarovana ara-panahy ho entinao miaro ny finoanao tsy ho vohitsakitsaka.

Manaiky tanteraka ny zavatra lazain’I Lapino ary ambony amin’ny voalohany aho ary manamafy ny efa nomeny. Ny fahaizanao ny baiboly aloha voalohan’ny indrindra no fitaovana tsara indrindra ary ny fanarahana azy ho modely tsara ho an’ny fiainanao. Ka raha ireo roa ireo no masaka dia Modelim-Piainana Kristianina no iantsoanao azy. Inona avy moa no resahana amin’izany fa tsy ny efa voalazan’I Prime tamin'ny hevitra hafa tary hoe ny Fitiava namana na ny hafa sy ny famindra-po isan'izany ny fivavahana ho azy, fanetre-tena na koa fiainana tsotra sy manaraka ny lalana nomen’Andriamanitra ao anatin’io ilay fitafiana ara-nofo sy ara-panahy izay takian’Andriamanitra, fahalalan-tanana na generosity, fitsinjovana ny hafa, ary ny fikatsahana ny Fanahy Masina. Rehefa manana an’io ianao dia afaka mampiely ny fanjakan’Andriamanitra n’aiza n’aiza satria izay koa no takian'Andriamanitra amintsika.

Ny fiarovana ara-panahy moa izany dia tonga ho azy rehefa manana ireo ambony ireo koa, saingy isan’ny fiadiana ho anao ny fahafantarana ny fahalemen’ny finoana hafa izay tsy hinoanao mba hanamafy ny fanekenao sy ny fitiavanao ILAY inoanao ary afahanao manome ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. Ny soratra masina entin’ny baiboly dia fitaovana entinao hiady amin’izany ka na mahery aza ara-tsaina na ara-pitaovana (material) ilay mifanohatra aminao dia ianao kosa manana an’I Jesoa ho mpiaro sy mpiady ho anao. Ka na maty aza ianao noho izany dia tsy manahy akory fa tsy misy tsara lavitra ny hoe maty nohon’ny Finoanao an’I Jesoa.
13. prime ( 17/07/2006 12:40)
^:^
14. Achia ( 17/07/2006 15:52)
veloma ve no dikany sa manaiky ry prime ?
15. prime ( 18/07/2006 10:58)
Manaiky kah... :)
16. soanja ( 18/07/2006 11:07)
Sao dia manan-kanampiana an'io kosa ary i Achia. Mino aho fa tsy feno akory io. :)
17. prime ( 18/07/2006 12:09)
Zah te hitehaka dia lasa =D fa mangataka ny tompon'andraikitra mba hijery fa tsy miasa ny émoticones sasany, toy izany koa ilay mitranga lela kely maitso... Izahay tsy mba génie ohatry ry fiffi @ io zavatra io... Dia izay no mahatonga mampiasa an'io révérence io aloha mandrapaha...
18. soanja ( 18/07/2006 12:26)
Tena itovizan-tsika io ry Prime. Ahoana tokoa ny hamoahana ilay fitehafana e.
19. prime ( 18/07/2006 12:40)
Efa bedin'i marozevo aho indray mandeha hoe inona foana ity =D ataon'i prime ity e!!! indrisy fa tsy fidiny e! i fiffi no tena mahita émoticones bdb fa ts mety manoro an'ilay fanaovana azy izy...
20. Achia ( 18/07/2006 18:07)
:°):°)inn ndray ary hoy Soa no hanampiako an'io e ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7606