Nierendoza ny Malagasy

1. Ralay ( 10/07/2006 02:15)
Raha nijery gazety androany aho dia saika nidirandoza ny vol AIR MAD Tanà Paris t@ asabotsy soa ihany fa tsara hofana ny pilote malagasy.
http://www.lexpressmada.com/article.php?id=44558&r=4&d=2006-07-10
novalian'i fijo ny 12/07/2006 17:30
2. essera ( 10/07/2006 03:03)
D mba mahazo fankasitrahana izany ny Commandant de bord fa matetika raha vao hoe misy pépin ange ny resaka avion kely ny chance hahavotra ny mpande.

Sao d mba nisitrihan'ny vorona indray ary ilay réacteur :^)
3. sasa ( 10/07/2006 03:22)
Soa ihany izany fa tena saika ratsy ity tantara ity =D=D
4. tisera ( 10/07/2006 04:01)
=D=D ho an'ny mpa,namory rehetra : na ny PNT na ny PNC ( stewards + hotesses ) fa tena ilaina olona matotra tokoa ny misedra zavatra tahak'izao ary dia midera ny fahaiza-manao n'izy ireo . Ary indrindra tsy azo adino ny misaotra an'Andriamanitra niahy sy nomba azy ireo fa na dia eo aza ny fahaizana sns... rehefa tratry ny loza tsy azo anoharana dia toy ireny firenena maro niharan-doza m-piaramanidina ireny no nahazo antsika malagasy miaraka @ AIR MAD .
5. andrianjaka ( 10/07/2006 05:11)
Manakory aby nareo,
Izao aho vao nahare izany vaovao izany, angamba isika Malagasy mihintsy no tsy ho tokony hilingilingy ho any frantsa any, firenena mpampijaly afrikana ireo koh inona no mbola andehanana any? Tsara ho azy koa no resin' i Italy tamin'ny world cup.

Sosokevitra hoa an'ny AIRMAD: tsy aleo ve fohanana tany mihintsy ny sidina mankany paris e dia ovana mankany Roma na London na Madrid ohatra, tsika koa tsy mahita aleha raha tsy any lafrantsa kanefa ny Malagasy any aza maro no roahina amin'ity lalana sarkozy ity, mba malalaha tsy tiana ry Malagasy mpakany paris lava ah.
6. diamondra27 ( 10/07/2006 05:50)
io ange ry 'reto avy @mpandeha no loharanony satria mihoatra ny lanjan'entana tokony entiiny, de mahazo vola kely ny mpandanja entana de manaaiky nefa ny ain'ny olona no lalaoviny

Koa raha miteny amintsika voyageurs ny compagnie oe: izao ihany no fetran'ny entana de mba ekeo izay fa misy dikany. Aza tia kely, sao lahy ny hain'olona no afoy.

Raha izao tranga izao no dinihina de ilay mpandanja entana no responsable satria hita fa oe: nihoatra ny "masse maximale" ny poids ny avion tokony hiainga ka tsy ampy ny poussé ny moteur
7. diamondra27 ( 10/07/2006 05:55)
tahaka ny car brousse ihany io , raha be loatra ny isan'ny mpandeha sy ny entana de mety hivadika ny car eny @ tournant satria tsy misy équilibre ny fiara satria ny hauteur ny entana avobe.

Ny frein tsy mahatana ilay fiara intsony satria mavesatra loatra====>accident

mety tsy ampy ihany koa ny entretien an'ilay fiara na avion

izany rehetra izany no mitambatra de miteraka loza.

Tandremo ry zalahy ny mitondra entana tsy zaka ny tena , ka rehefa avy eo vao mi se-poser kestion oe: naninona?

8. lemenakely ( 10/07/2006 06:22)
Na tsy manana éxperience sy ny connaissance momba ny avion aza ny tenanay dia ny aterrissage dia moramora kokoa noho ny décolage indrindra fa raha mavesatra ilay avion .Ny aterrissage mantsy efa maivana ilay avion efa lasa ny 2/3 ny carburants.

-ity izao ohatra ny aterrissage
http://www.flightlevel350.com/aviation_video.php?id=6604

-dia ity ny décollage
http://www.flightlevel350.com/Aircraft_boeing_767-300-Airline_LAN_chile_aviation_video-5693.html

9. lemenakely ( 10/07/2006 07:06)
diamondra27:

io ange ry 'reto avy @mpandeha no loharanony satria mihoatra ny lanjan'entana tokony entiiny, de mahazo vola kely ny mpandanja entana de manaaiky nefa ny ain'ny olona no lalaoviny

Koa raha miteny amintsika voyageurs ny compagnie oe: izao ihany no fetran'ny entana de mba ekeo izay fa misy dikany. Aza tia kely, sao lahy ny hain'olona no afoy.

Raha izao tranga izao no dinihina de ilay mpandanja entana no responsable satria hita fa oe: nihoatra ny "masse maximale" ny poids ny avion tokony hiainga ka tsy ampy ny poussé ny moteur


MISY MARINA ALOHA NY TENINAO ! fa ny tena mety dia avelao ny NTSB avy any USA mihintsy no ho avy hanao ny enquête raha manaiky ny fitondràna malagasy sy ny AIR MAD dia ry zareo no tena mahita ny tena antony asa surpoids tokoa ve sa mécanique sa mety pilotage koa asa!
dia avy eo alefa ao @ émmission MAY DAY ao @ NATIONAL GEOGRAPHIC e!
10. Herimiafina ( 10/07/2006 12:02)
Ralay:

Raha nijery gazety androany aho dia saika nidirandoza ny vol AIR MAD Tanà Paris t@ asabotsy soa ihany fa tsara hofana ny pilote malagasy.
http://www.lexpressmada.com/article.php?id=44558&r=4&d=2006-07-10

Ny fanamarihako kely fotsiny momba ny voalaza ao anaty gazety dai ilay resaka "entretien".

Tsy ny entretien ratsy na tsy fahampian'ny entretien mihintsy foana tompoko no mampipoaka ny turbo-reacteur iray. Mbola mila manao diagnostic vao afaka miteny izany.
Mety misy antony hafa mahatonga izany toy ny fahalotoan'ny rivotra, ny terrain de decollage.

Vatokely mikarapoka amin,ny chassis sy ny fuselage, na vorona tafiditra anaty reacteur dia mety ampy hampirehitra an'iny raha toa ka misy etincelle ny impacts.

Betsaka ny avion tratran'izy io ary efa misy systeme d,extinction de feu ao anatin'iny turboracteur iny ary afaka velomina soa amantsara avy eo.

Raha tadidinareo ny Concorde noentin'ny Capitaine Marty tamin,ny taona 2000 dai torak'izay koa ny nanjo azy saingy ireny avion supersonic izay miantehitra à 90% amin'ny reacteur-ny ka impossible ny hanaovana manoeuvre d'uregence raha toa ka mipoaka na mirehitra ny reacteur iray.
11. 6372sl ( 10/07/2006 18:51)
vinavina mety ho marina daholo ny voalaza rehetra tery ambony ,koa aleo andeha ny enquête ataon' fanjakana e!dia hohita eo!fa tena loza tokoa lou raha nipoaka teo ilay avion e!
12. diamondra27 ( 10/07/2006 19:38)
dia lasa chômage njay izany ny ekipazy mandrapavitan'ny enkety

andao hanangana assedic any dago e!
13. vakiniadiana ( 11/07/2006 04:32)
tsy sanatrian'ny vava aho manambany ilay zava-nitranga, izay mety ho zava-doza raha tsy nisy ny fahamalinana, fa io zavatra io dia efa mpitranga @ mpitatitra an'abakabaka eran'izao tontolo izao, ka noho izany indrindra no nisian'ny fomba fikojokojoana manokana ireny fiaramanidina manana motera 2 ireny (ETOPS maintenance),sy ny procédures ampianarina manokana ny PNT rehafa mitranga ny toa iny, ka ahafahany manapa-kevitra haingana.

Ny tiako ampiana koa dia ny gazety malagasy dia matetika milaza vaovao tsy mitombina, tsy manadihady tsara any @ tompon'andraikitra.

Fa ilay izy aloha tsy misy hidiran'ny NTSB amerikanna izany e, efa mandray ny andraikiny ny ACM malagasy.
14. fijo ( 12/07/2006 17:30)
andrianjaka,aza dia kely sy marivo fisainana toa io,fa mampalahelo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6044