Vody ondry ve sa ala-fady?

21. Mifenty ( 14/07/2006 17:01)
tsoupou ry reto tsy makasitraka anle fomban-drazana tsita zé matsara azy a

aona io robert a
22. pissoa ( 14/07/2006 17:08)
Robert:

Raha azoko tsara izany tokony hanao fisehoana (ala-fady) any @ Fianakavian-Drazazavavy izany vao mahazo mifampitanana etsy sy eroa ny mpisipa (raha tokony hoizy). Hay ve. izay izany ry zareo aza handino ny fomba-drazan-tsika...
Fa ny vody ondry izany efa tena miditra lalindalina kokoa.

Raha tsy diso aza aho dia vodiondry fa tsy fisehoana izany koooo. Maro mantsy ny olona miteny an'le oe Mifampitaritarika tsy lasam-bodiondry sa ahoana tsara moa le fiteny azy fa tsy tadidiko.
23. Robert ( 14/07/2006 19:44)
Fombafomba sy ny kolo-tsaina no maha-Malagasy antsika, raha ariana io? inona izany sisa?

Mifenty> Fomba-drazana izay hita ny mahamety azy tokony tohizana foana.

Tsoupou>Protocole be? Za mieritreritra hoe efa tsotsotra izao, fa taloha anie misy mintsy ny tsy mahazo vady Ra-lehilahy satria resy t@ kabary.

24. pissoa ( 15/07/2006 08:14)
Robert:
Tsoupou>Protocole be? Za mieritreritra hoe efa tsotsotra izao, fa taloha anie misy mintsy ny tsy mahazo vady Ra-lehilahy satria resy t@ kabary.

Mbola misy io am'zao ka :-D Tamin'ny indray mandeha izay, mbola tsy atao hoe antitra no mpikabarin'ny mpangataka, moa ny mpikabary tany amin'ilay vehivavy efa olon-dehibe be mihitsy. Dia tonga dia nolakoiny tamin'ny fanombohan'ny raharaha ny mpangataka hoe tsy manome lanja azy ony fa zazakely (angamba misy 25 taona ny elanelan'izy mianaka) io ny ve no asaina hiresaka aminy ... Dia nanao kabary sy fanomezana hanajana an'ilay mpikabary, fa tsy tafavoaka fa niziriziry be ilay olona e :-D
25. Mifenty ( 15/07/2006 08:59)
tapi maso = fierana am anadahin'ny le sipa fa iaraka aminy

fisehoana= présentation RAd consamy rAd

vody ondry= fangataham-bady

mariazy firaisana= fanambarana ampahibemaso am fanjakana fa mpivady nareo

mariazy fengonana= fanambarana am fengonana fa mpivady nareo

teraka= fanambarana ny fiakaran'ny vokatra
26. Robert ( 16/07/2006 11:49)
Pissoa> Ilay izy anie fomba2 fotsiny io amiko ankehitriny, satria efa mifankatia ilay olona roa vao miroso @ io resaka fangataha-bady. Izany hoe efa vonona daholo ny andaniny sy ny ankilany. Fa taloha de matetika ny andaniny(ra-lehilahy) iany no efa nieritreritra ilay izy fa ny aty @-dra-zazavavy, resaka intérêt no tena mipetraka. Tsy ampy sossy enao de mpikabary tsy de mahay tsara no azonao, fa raha be sossy de mpikabary henjana indrindra eo @ ilay faritra.

Mifenty>tena ireo tokoa ny ambaratonga tsara arahina.
27. Ragadona ( 18/07/2006 19:36)
Efa mba narahako daholo ireo zavatra roa ireo fa iray ihany ny votoatiny. Ny fampiasana ny teny no samy hafa. Ny hoe vodiondry dia fampiasan ny ao Imerina, ny alafady kosa no fiteny mahavantana an dry zareo ao Betsileo ao (misy fomba fanajana asehon-drazazalahy an ireo anadahy na olom padin drazazavavy ka aseho amin ny alalan ny tolotra...)
28. pissoa ( 19/07/2006 04:42)
Ie.
29. Mifenty ( 19/07/2006 07:18)
k ra merina le ifanarahana zany d vodiondry

fa ra betsileo d inn mou izy teo alafady
30. pissoa ( 20/07/2006 04:42)
Ie indray :-D
31. naritsimba ( 28/07/2006 06:26)
1-Ny ala-fady na tampimaso dia izao: tsy fanao ny miresaka fanambadiana eo imason'anadahy ho an'ny vehivavy. Alohan'ny hiresahana an'izany dia manome vola ny anadahin'drazazavavy ny tovolahy vao miresaka ny fomba anatanterahana ny fanambadiana ny fianakaviana roa tonta, Io no atao hoe FISEHOANA KA ANDINIHANA NY FOTOANA HANAOVANA NY FANATERAM-BODIONDRY SY NY FISORATANA ARY NY FANAMASINANA ANY AM-PIANGONANA. Io vola atolotra io no atao hoe tampi-mason'anadahy na ala-fady satria ny anadahy dia olom-pady eo amin'ny fomba Malagasy. Tsy fanaon'ny vehivavy ny mampiaraka eo imason'anadahy raha tsy efa vita ny fombafomba. Efa miova moa ny toetr'andro ankehitriny ka tsy mahamenatra ny tovovavy malagasy ny miaraka @ sipany eo imason'ny anadahiny.


2-Ny Vodiondry kosa indray dia vola omena ny ray aman-drenin-drazazavavy rehefa manambady izy. Hoy ny fomba fitenintsika Malagasy: Ny mitafy lamba tsy lasam-bidy mitafy @ ahiahy, ny mihinan-kena tsy lasam-bola mihinana @ eritreritra ary ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry hifanondroan'ny olona molotra sady henatra @ tany ama-monina.
mahazaka telo olan'ny fanambadiana ny fanateram-bodiondry ary dingana tsy maintsy tanterahana raha mbola mahatsiaro fa Malagasy ihany ianao.
-fanateram-bodiondry
-Fisoratana any @ fanjakana
-Fanamasinana any am-piangonana
ireo no dingana telo arahana raha hiroso @ fanambadiana ny olona roa mifankatia.

Mba ianaro ihany rizareo ny fomba malagasy fa sao dia hanaonao foana.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaonao foana hotezerana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0725