mbola tsatsa iany le ...

1. Mifenty ( 09/07/2006 14:49)
Ndray andro sendra naita andian'olona nivorivory Jesoa dia nanantona.

Tsatsa manko ilay makorelina (mpivaro tena mou zany e).

Araka ny lalàna anefa dia toraham-bato ny sahaza ny vehivavy toy izany.

Vory lanona ary reto jiosa itora-bato ity makorelina. Ny sasany aza moa dia nahavatra nanagom-bato bobabobaka mitsy ho setrin'ny fahotan'ity ramatoa. (tam film le nanagom-bato no itako fa tsy aiko ny voasoratra hihihi)


Niaiky ny helony ramatoa fa nanao ny tsy nety ary nangata-pamelana tamin'ireto vahoaka vory lanona miaraka amin'ny vato karangana maromaro.

Tsy nanaiky ny rehetra fa dia ny " toraho, toraho fa meloka " iany hoy ny mpanitatra .(sady zara rahateo aza moa misy tranga toy izany ho fialam-bokona kou)

Tamin'izay indrindra no tonga Jesoa ary nanakana ireto olona efa niomana ny hitora bato.


nanoratsoratra kely teo am tany izy d nitodika tany amin'ilay olona niharam-pahavoazana sy ireto mpanitatra ary niteny hoe:
"izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato" (ra tsy diso za d otraotran zay le izy)


samy nandini-tena teo ireto mpitora bato, ary niala tsikelikely (fialan'ny jiosy). Tsy nisy na iray tavela fa i Jesoa sy ilay makorelina sisa ny teo.


M- Ianao koa ve , ô ry Tompo ô,
Ianao koa ve, hanameloka ahy?????

J- Mandehana ianao ka aza manota intsony...


Lalina ndray iny fikan-dra Zezo iny fa ho alaiko tahaka hoah.


novalian'i prime ny 12/07/2006 09:12
2. soanja ( 09/07/2006 15:31)
Izany no tena atao hoe Fitiavan'Andriamanitra. Sambatra isika manana azy fa mpamela heloka koa izy.
3. ja ( 09/07/2006 17:14)
mifenty>alainao tahaka ahoana?:-P:-P:-P:-P:-P:-P:-P
4. mamzelkely ( 10/07/2006 07:00)
de aôna no hanehonao an la faka-tahaka ry Mifenty :roll::-D:-D

ts aleo avahozina :wink:
5. Mifenty ( 10/07/2006 11:15)


hahaha,

ny faka tahaka v?

le lesona tsoahina no alaina tahaka ka. Oé fa i Jesoa aza zanak'Andriamanitra navita namela heloka an'ilay mpanota (makorelina am zay)
6. mamzelkely ( 10/07/2006 13:25)
hihihi zay vô azoko akia a:-D:-D
7. fasaly ( 10/07/2006 13:51)
hummmmm! zay tsy ho tonga saina aamzany de tsy ho tonga saina kosa kou! jesoa aza veuh mahay mamela heloka....."avealo ny helony fa tsy fatany izay hataony":cry::cry::cry:
8. prime ( 12/07/2006 09:12)
Zava-dalina ny ao ambadik'io ry zareo a! :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5922