Mba misy site fianaran-davitra ve (formation à distance)

1. rabaradaka ( 06/07/2006 11:07)
Zao dadatoa sy nenitoa a, mba liana amin'ireny sity oeba mampianatra ireny aho, io lay lazainareo mpahay azy hoe formation à distance. Mba omeo hoe zaho raha tsy manahirana anareo. Dia misaotra sahady e
novalian'i tsoupou ny 11/07/2006 06:36
2. MTN ( 06/07/2006 12:01)
inona ilay tiana ianarana amin'io?
3. Herimiafina ( 06/07/2006 16:40)
Ny oniversité rehetra USA sy Canada ary Mexique dia misy formation à distance avokoa, saingy omany ny volabe fa lafo ny Tuition and fees (ecolazy). :wink:
4. jentilisa ( 07/07/2006 04:30)
izay izany ilay olana! fa arakaraka ny zavatra tiana atao ihany io ka. Inona ilay tiana atao, iny no itadiavana azy ao amin'ny aingam-pikarohana e!
5. hery ( 07/07/2006 05:23)
Ary raha ohatra ka tsy ofisialy ilay izy? Ny formation à distance @ internet mantsy matetika dia ofisialy izany hoe afaka manao examen manana certificat sns ianao rehefa avy eo.

Fa raha tsy ofisialy, mianatra fotsiny, fa ianao indray no mi-debra amin'ny resaka examen dia mbola tsy dia hitako. Sa azon'ny samy gasy atao?
6. MTN ( 07/07/2006 11:57)
Ity misy site mety hamaly ny fanontanian-dRabaradaka http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m44acef06b8d6a
7. Herimiafina ( 07/07/2006 15:05)
hery:

Fa raha tsy ofisialy, mianatra fotsiny, fa ianao indray no mi-debra amin'ny resaka examen dia mbola tsy dia hitako. Sa azon'ny samy gasy atao?



tsy azoko ny tian'i Hery hambara teto! Mi-debra amin'ny resaka examen ahoana moa? Inona ilay azon'ny samy gasy hatao?
8. tsoupou ( 11/07/2006 06:36)
Ny site de formation a distance misy be dia be, na manao recherche am www.google.com aza dia mahazo valiny bedebe mitsy, SAINGY (ny ahy asiako saingy foana) payant daholo.
Misy mpinamana maromaro zahay no efa samy nikaroka anzé tsy payant fa payant daholo no hita.
Tonga am tenin'ny rabaradaka hoa raha mba misy gasy manao dé aza atao payant dé amzay samy mbo mahay tsika menakavy e.
Fa raha mba misy mahita anlé tsy payant momba ny informatique dé mba teneno ihany tsoupou e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2885