CATCH

1. soasoafy ( 03/07/2006 11:06)
Manaraka catch @ tv record foana aho isak ny sabotsy hariva,teo aloha nisy ihany ny tv plus fa izao tsy nisy intsony, ho anareo mpanarak fandaharana lalao catch ,ahoana ny fijerinareo an'le fampijaliana ataon'i Mic man an'i Shan Michael? tsy efa tafahoatra loatra v? sa mise en scène fotsiny ireny? De misy le catcher tsy tiko maizina na ny toetrany na ny tarehiny de i tripoles ireny no tena atao hoe diable sad mpila ranondranony. Faly b mintsy aho nahita le catch t@ sabotsy teo fa voan'ny nataony i Mic man, ny zanany ndray no lasa voan'ny famakin'i tripoles fa tsy Shan Michael.
novalian'i Dan ny 17/08/2006 08:16
2. booboo ( 03/07/2006 11:44)
émission halako indrindra io raha io na vao in-2 nijery aza hatrizay hihihihihi
3. fraz ( 03/07/2006 12:20)
Ny catch toa mise en scène daholo koa. Tsy dia fan klioba amin'ilay catch koa aho fa ny fantatro dia io resaka mise en scène io.
4. booboo ( 03/07/2006 12:24)
Na truqués aza terrible ihany ilay mahita tonga dia atontona @ tanyyyy , folahiny ny sandry na fe ... :^):^):^)....violent beeeeeeeeeeeee loatra ilay izy amiko :/
5. sasa ( 04/07/2006 03:24)
za akia tena mijery an'io fa tena tsy tiako maizina le tripoles iny klé, zarako aza iny voa any foana, ratsy toetra,
booboo na misy mise en scène aza akia tena grave be mintsy le izy koa
6. hery ( 04/07/2006 07:13)
Ie, amboarina daholo ireny. Karazana cinema na teatra.
Efa voasoratra mialoha daholo ny scenario rehetra dia anjaran'ny mpilalao no mamorona ny fihetsika isan-karazany mba hampisy endriny kokoa an'ilay izy.

Efa kendrena daholo mba tsy hisy mangana sy maratra. Indraindray misy ihany ny accidents (tahaka ny @ film ihany). Ny olona, na mafy be tahaka ny inona aza, rehefa voadona mafy toa ireny dia mangana sy mandeha rà (jereo fotsiny ny boxes sy ny hafa tena tataka mihitsy). Fa ireny tsy azo asiana maratra satria manjary tsy afaka milalao amin'ny manaraka :-)

Ny tena tanjona dia ny hampirindra ny tantara... amin'izay ny mpijery tena tafiditra lalina ao anatiny. Ohatra hoe manjary tsy tia an'i tripoles sns...
7. Vaika ( 04/07/2006 09:39)
Ilay catch marina aloha dia tena teatra araka ny voalazan'ny namana marina e ! Mba nankafia ihany zahay fa efa tamin'ny andron'ny Mr T sy Hulk Hogan (lasa acteurs ry zalahy ankehitriny !).
Fa raha misy mirevy kombaka dia ireny UFC (début !) na Vale Tudo ireny indray no tena milay. Tsy film intsony fa tena misy torana mihintsy (5 sec dia vita) : tsy misy règles, round iray de 30 minutes ets... Mampipararetra mihintsy ny mijery an'ireo ka tsy sahy misetrasetra toy ny avy mijery catch na film kung fu.
Ny mahagaga anefa dia misy catcheur nandresy tamin'ny UFC ka lasa ny saina fa na dia acteurs aza ry leirony dia mba ohatran'ny misy atoraka ihany.
Ka zay ra-soasoafy a ! Mba topazo maso ihany ilay UFC fa tsy hanenenana.

8. olotoano ( 06/07/2006 06:27)
rehefa bevata hoatr-azy enaodia ho tia .

enao ngamba mnify de tsa tia eeeee!hihihihihihihi::lol::lol::lol::lol::lol::lol::lol:.... ngailako kniambo znay.
9. Dan ( 27/07/2006 12:26)

Toa sarotra ny manohatra ny catch @ teatra ry namana
10. Dan ( 27/07/2006 12:35)


Aza mamerina an'izay hitanao @ catch fa sao mandratra ny namanao na ny tenanao fa manatona "club" dia ho hitanao fa tsy ohatra'ny mianatra teatra fa tena mila an'ireto telo ireto
"VOLONTE - FORCE - ENERGIE"
Ry zareo catcheur ireo dia efa samy voadona mafy mihitsy t@ entrainement fa tsy kivy dia afaka niakatra ringa.
11. Dan ( 14/08/2006 07:04)
Aiza daholo ianareo mankafy catch sy ny tsy mankafy e?
12. simplex ( 14/08/2006 07:33)

Ary kay misy resaka interessant be ato kle :°):D:D

Ka le izy ary nge ry zalahy efa mba asiana kosa hoe:

No matter who you are, don't try this at home :°):D:-D:-D

Ny dikan'izany de hoe tsy tena izy io ataondry zalah io fa sao matimaty foana lisany ra manao an'io :-D:-D

fa milay ihany ra hoe raisina divertissement le izy, indrindra refa vevavy no milalao :°):D:D:-D:-D

:-*:-*
13. Dan ( 17/08/2006 08:16)
:-D
Tena zà tokotrany izany no tsy mahay teny vazaha fa ny fahazoako ilay soratra mipetraka @ tv hatr@ izay dia :"tena efa ampy kotrana tsara ry zalahy ireo ka ianareo mpijery dia aza manandrana mamerina ny ataaony any antrano".
Tena milay tokotrany izy raha raisina ho divertissement, mety izay koa anie ny tanjon-dry zareo e. Ny itiavan'ny olona ny ataony arak'izay fijerin'ny olona azy.
Ny niandohan'ny catch mantsy hozy dadanay dia compétiteurs t@ sport nataony daholo ry zalahy taloha fa nony vétéran dia nanao catch fa tsy @ izao intsony izany an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4824